Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 17h01
 

Malagasy

Fanefitry ny VIH-Sida

Nahazo fanasàna ny « Image Appli »

jeudi 10 juillet 2008 | Volana R.

Iza no nandefitra ? Soa ho an’ny marary, indrindra ny Malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH (PVVIH) no tanjona, ka dia nandefa « fanasana » tany amin’ireo mpikaroka nahita fanefitry ny Vih sy fanefitry ny Sida ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana ary ny Fiahiana ara- tsosialy.

Araka ny fanazavan’ny mpikaroka, dia fanasana hanatitra ny antontan-taratasy milazalaza ny tantaran’ny fikarohana, ny fanandramana efa nataony ary ny fitiliana (analyses) tontosany no voarainy. Omaly ihany dia tonga teny amin’ny foiben’ny « Agence du Médicament de Madagascar » (AMM) teny Tsaralalàna ny solontena, kanefa moa tsy nahafantatra ny andinindininy tokony arahana indray, mikasika izay lalàna izay. Anio izany ry zareo no hanatitra ny ambin’ny boky (14 no ilaina, satria 13 ny mpikambana ao amin’ny Comité d’éthique, miampy iray ho an’ny AMM), sy sekim-bola Ar 50.000 amin’ny anaran’ny AMM. 

Mandrirarira

« Phytothérapie » no filaza ny fitsaboana hirosoan’ny « Image Appli » amin’ilay fanefitra antsoina A-72. « Tsy dia ilàna loatra ny fepetra takian’ny minisitera ny zavatra ataonay, kanefa moa soa ho an’ny Malagasy no tanjonay, ka dia izany no anateranay ireto dosie ireto. »

Nanambara ireto solontena ireto fa tsy miandry vali-teny akory izany. « Fampahafantarana ny minisitera tompon’andraikitra fotsiny ireo. Izahay rahateo efa nahavita ny »essais cliniques« tany ivelany, ka dia hiroso tsy ho ela amin’ny fitsaboana. »Na ny fivarotana ny fanefitra mihitsy angamba" ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS