Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 15h18
 

Malagasy

Ady tany

Raikitra ny eny Andrefan’Ambohijanahary

jeudi 17 juillet 2008 | Manou

HIfandritaka ny fokonolona sy ny tompon’ny toby fitsinjaran-tsolika Jovenna eny Andrefan’Ambohijanahary. Ampangain’ny mponina ho nanitatra ny faritry ny taniny amin’ny azy ireo io mpandraharaha io tamin’ny 24 jona teo satria, hono, saika hametaka vatobaorina an-tsokosoko tany anaty tambohon’olona na dia fanitsiana ny faritry ny refi-taniny aza no nolazainy fa hataony tamin’io fotoana io.
Trano 10 manodidina ny faritry ny tobin-dasantsy no voalaza fa voakitika tamin’izao raharaha izao ankoatry ny làlam-bahoaka fampiasan’ny mponina.

Hosoka ve ?

Nampanontany tena ihany ity raharaha ity araky ny filazan’ireo voakasika satria hafa ny sarintany hita tamin’ny taona 2001 namaritan’ny Solima Mevasoa, tompony voalohany azy, nefa izao nitarin’ny Jovenna izao taty aoriana ka tanin’olona efa vita kadasitra tany amin’ny taona 1999, araky ny antontan-taratasy nanaporofoan’ireo mponina ny fananany ny tany, no noraisiny ho azy.
NIezaka nampifanatona ny ankolafy tafiditra tamin’ity raharaha ity ihany ny fokontany tao Andrefan’Ambohijanahary IIIG-IIIM omaly nefa tsy nivaha ny olana.
Nitaky ny hitondrana ny raharaha tanatrehan’ny fitsarana mihitsy aza ny fokonolona nohon’ny fanahiany ny fisiana hosoka tamin’ny fanaovana ny sarintany.
Tokontany mifana, samy ao amin’ny tanin’i Gallois taloha avokoa ireto tany ifanolanana ireto saingy ery amin’ny faritra « Enrico Mattei » no azon’ny Solima Mevasoa tamin’izany fotoana izany ary io lasan’ny Jovenna io. Ny faritra « Colombe B » sy « Winoc » kosa no an’ireto olona niitaran’ny refi-tanin’ny Jovenna ireto. Tsy tokony hisy fifangaroana ireo faritra ireo, hoy ny mponina eny satria misaraka mazava sady tsy nifampikasika hatramin’izay. Mieritreritry ny hampandre ny Bianco ireo mety ho very fananana nefa mandeha ny feo eny Andrefan’Ambohijanahary eny fa tsy havelan’ny Jovenna mihitsy io tany efa nofaritany io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS