Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h24
 

Malagasy

Toetr’andro

Herinandro tena hangatsiaka

mercredi 16 juillet 2008 | Herimanda R.

« Tsy tokony hahagaga ny fiovaovaon’ny toetr’andro eto amintsika. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy ny fitenenantsika manao hoe tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina ». Na izany aza mbola haharitra telo andro eo ho eo ny hatsiaka mamirifiry. Fanambaran’ny teknisiana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby izany raha nanontaniana izy ny amin’ny toetr’andro ankehitriny izay toa mivadibadika be ihany. Mbetika mangatsika, mbetika mafana. Toy izao ny fanazavana ara-teknika nentiny. "Misy ny rivotra avy any atsimo atsinanana antsoina hoe Alizay. Amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina dia mitondra rivotra izay sady mangatsiaka no mando izy io.
Rehefa mitsoka ny Alizay dia saiky mandrivotra avokoa eraky ny faritra maro manerana ny Nosy, indrindra fa any amin’ny faritra avaratra. Misy ihany koa, ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ihany, ny antsoina hoe « système dépressionnaire » izay mitondra hafanana. Ireo tranga ireo no mifandimbidimby ka mahatonga ny andro mbetika mangatsiaka mbetika mafana".

6°C - 20°C

Amin’izao fotoana izao, manodidina ny 10 ka hatramin’ny 12°C ny maripana ambany indrindra, 19°C no ambony indrindra ho an’ny eto Antananarivo. 6°C ka hatramin’ny 8 °C ny ambany indrindra, 21 °C ny ambony indrindra ho an’ny Faritra Vakinankaratra. 16°C - 20°C no ambany indrindra ho an’ny Faritra Atsinanana, miainga eo Antsiranana ka mipaka hatrany Tolagnaro. 16 °C-19°C ho an’ny Faritra andrefana, avy eo Toliary hatrany Mahajanga. Nambaran’ny teknisiana avy etsy Ampandrianomby fa mbola hitoetra eto amintsika ny Alizay ao anatin’ny 3 andro. Hitohy hangatsiaka arak’izany ny toetrandro indrindra ho an’ny eto afovoan-tany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS