Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h29
 

Malagasy

Mpianatra avy any Texas

Sao miangatra be loatra

mardi 15 juillet 2008 | Njaka

Taitra ireo mpianatra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony raha nahita ny fomba nandraisan’ny filoha, Marc Ravalomanana ireo mpianatra 22 mianadahy nahavita fianarana avy any amin’ny oniversite tsy miankina any Texas. Ny nanatrika ny fivoahan’ireo mpianatra ireo no antondian’ny filoha Ravalomanana tany Etazonia ary nitondra azy ireo nody an-tanindrazana. Rehefa tonga teto indray, nanaovana lanonana manetriketrika ny fanolorana ny diplaoma teny amin’ny Carlton Anosy, izay natrehin’ny filoha ihany. Tsy vitan’izay fa mbola nasaina niara-nivavaka taminy tany amin’ny Fjkm Imerinkasinina ny alahady teo. Nitohy tamin’ny fiaraha misakafo niaraka tamin’ny ray aman-dreniny avy teny Iavoloha indray ny fanasana. Asa indray izay mbola ho tohiny. Tohina ihany ireo mpianatra eny Ankatso, mahita izany matetika amin’ny fahitalavitra TVM foana. « Raha samy fianarana mandritra ny efa-taona ihany, manana ny fahaizana mitovy na mihoatra noho ireo avy any Texas izahay », hoy ireo mpianatra avy eto an-toerana. Ny tombony fotsiny, mahay teny anglisy lavitra noho ny eto Madagasikara izy ireo. Na ireo mpianatra teratany malagasy izay mianatra any amin’ny firenen-kafa nahazo vatsim-pianarana any ivelany, amin’izao fitondrana izao aza tsy niangarana noho ireto avy any Texas ireto ka lasa saina ihany ireo mpinatra hafa. Na eto an-toerana aza misy sekoly ambony tsy miankina, mitovitovy fiofanana amin’izy ireo. Voaporofo ny fahaizan’ireo mpianatra nofanina teto an-toerana rehefa miasa any amin’ny sehatra misy azy ireo avy.

Njaka Navonisoa

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS