"Ho hentitra ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny vola miditra eto Madagasikara. Tsy maintsy fantarina avokoa ny hampiasana azy, fa tsy ho avela ho gaboraraka, ka samy manao izay hitiavany azy ny rehetra. Tsy azon’ny filoha atao intsony ihany koa ny manokatra kaonty amin’ny banky ao Soisa hitahirizany ny volany". Isan’ny nambaran’ny filoha Ravalomanana io omaly raha nitokana ilay sampandraharaha misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola tetsy Faravohitra izy.
Samy nanamafy ny maha-zava-dehibe ny hisian’ity sehatra iray ity ny filoha sy ny ministry ny Fitsarana, satria làlana iray hirosoana amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola maloto izy io.
Raha hiverenana ity fametrahan’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena kaonty any Soisa ity, dia niteraka olana lehibe izy io, raha tsy hiteny, afa-tsy ny fanagiazana ny volan’ny Praiministra Tantely Andrianarivo isika, saingy tsy nanaiky izany ny banky Soisa. Hatreto izany, dia fomba hisorohana ny mety ho fanodikodinam-bolam-panjakana ity fepetra noraisina ity.
Firy amin’ny mpitondra ankehitriny no manana kaonty any ivelany toy ny any Soisa ? Ataovy ny mangaraharaha e.