Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h59
 

Malagasy

Fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko

Mbola mafy sy henjana ny ady hanoherana izany

mercredi 16 juillet 2008 | Gilbert R.

Na dia mirotsaka tanteraka entina miatrika ny ady amin’ny fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko eto Madagasikara aza ny fandaharan’asa antsoina hoe « FITIA » sy ny tetik’asa « AINA » tamin’ny fahazoana famatsiam-bola avy amin’ny governemanta Amerikana na ny USAID tamin’ny alalan’ny Catholic Relief Services ; dia toa mitombo isa hatrany ny iharan’ny fahavoazana. Maro ny ezaka izay hifanomezan-tanan’ireo minisitera samihafa, eo ihany koa ny komity isan-karazany natsangana mba handrindra ny asa rehetra iadiana amn’ny fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko,hanara-maso ny fanatanterahana ny drafitr’asa, toa izany koa ny famoahana gazety telo samihafa amin’ny toerana telo tena hisian’ny tranga-javatra ; Toamasina, Toliara, Nosy Be, fa toa tsy mahasakana firy ny firongotr’izany ny zava-misy.

Ny mampalahelo, dia toa ilay olona iharan’ny loza ihany no mapiditra ny tenany anatin’ny fandrika. Mirongatra izay tsy izy amin’izao fotoana izao ny fitadiavan’ny tanora, eny fa na dia ny olon-dehibe efa mananika ny faha efa-polo taonany mahery aza, mandeha amin’irony « cyber » irony mba hizaha olona hiaraka aminy hono. Alefa ny sary sy ny mombamomba azy rehetra, dia misy ny mifanojo amin’ny tanjona niriana. Dia lasa mandeha manatona an’ilay mifanaraka aminy any tany lavitra any (Andafy io). Misy amin’izy ireny no sendra olona tsara toe-panahy. Fa misy dia misy ihany koa no tojon’izay mafaika indrindra, ka lasa ataon’ilay olona noheveriny ho namana, fitaovana fitadiavam-bola ho azy indray.Toa ny entam-barotra, ka izay tiany ataony aminy dia tsy maintsy manaraka ny baikony. Anisany ary tafiditra indrindra ihany koa anatin’ny fanondranana sy fanodikodinana olona antsokosoko izany tranga izany.

Roa taona sahady izay no nisian’ny tetik’asa entina iadiana amin’ny fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko ity (Aogositra 2006 - Aogositra 2008). Mbola mafy sy henjana ny ady atao hanoherana izany. Mila fanomezan-tanan’ny rehetra izany, koa alao hery ny fanoherana izany sitrany mba ho mihena ny firongotr’izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS