Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Malagasy

Rado

Maty ilay poeta

mercredi 17 septembre 2008

Maty ny alin’ny alatsinainy 15 septambra, tamin’ny 12 ora i teo amin’ny faha 85 taonany Georges Andriamanantena, Poêta sady Mpanoratra fantatra amin’ny solon’anarana hoe « Rado ». Noho ny harerahana vokatry ny fahanterany sy ny aretim-po izay nitsaboana azy nandritra ny iray volana teny amin’ny « hôpital militaire Soavinandriana » no anton’izany. Efa nanao izay azony natao ny mpitsabo manoloana izany tsy fahasalamany izany. Omaly no niala teny amin’ny tranompaty teny Anjanahary ny nofo mangatsiaka ary nentina teny Ivato, trano fonenany fahavelony. Araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia hatao veloma farany eny amin’ny FJKM Faravohitra ny razana alohan’ny andevenana azy eny amin’ny fasam-pianakaviana ao Anjanahary.

Olomanga

Azo lazaina fa very olomanga tokoa ny firenena, indrindra ny tontolon’ny literatiora. Maro ny asa soratra vitany, anisan’izany ny fanoratana tononkalo, izay tena nahafantarana azy indrindra. Ao koa ny boky nosoratany anisan’izany « Dinitra », « Zo », « Fiteny roa », sns. Nana-talenta taminin’ny fanoratana tononkira koa i Rado toy ny hiram-pivavahana. Teo ihany koa ny fanaovana sary hosodoko sy sary paik’afo. « Malahelo izahay ary tena mahatsapa fa very mpanakanto mana-talenta mihitsy ny firenentsika satria nahavita betsaka izy teo amin’ny sehatry ny literatiora malagasy. Ny irina dia mba hisy hisolo izy », hoy Tsiory Randriamasy, mpiara-mivavaka aminy ao amin’ny FJKM Faravohitra.

Ravaka sy Diana ary Rivo

===========================
- Iza moa i Rado

I Rado mihitsy no nanoratra ity CV atolotra ho anao ity. Tamin’ny 21 mey 2008 lasa teo no nanaovany azy. Asa, toa efa nandindona azy angamba izao fandaozana antsika izao.

Anarana : ANDRIAMANANTENA
Fanampinanarana : Georges
Teraka tamin’ny : 1 oktobra 1923, Tao Ambohipotsy - Antananarivo
Ray : ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina (eLa-maty)
Reny : RAZAFINDRAFARA (efa maty)
Fiaviana : lafin-dray : Betsizaraina - Antananarivo
Lafin-dreny : Amboanana - Arivonimamo
Solon’anarana amin’ny asa soratra : Rado noho ny fitiavany ilay Ohabolana hoe : « Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho rado » (mitory hatsaran-tarehy)
Vady : RAVOLOLONA Edwige
Zanaka : Enina mianadahy (4 vavy, 2 lahy)
Zafikely : 14
Zanajafy : 12
Sekoly nianarana :

• 1929 - 1931 : Ecole Officielle Faravohitra
• 1932 - 1940 : Ambohijatovo Atsimo (FFMA)
• 1941 - 1942 : Kolejy Paul Minault
• 1943 : Chambre de Commerce (fianarana comptabilité)
• 1959 - 1960 : Centre International d’Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg- France)

Asa natao :
• 1943 - 1955 : Préservatrice Assurances
• 1955 - 1966 : Gazety Hehy (nanao gazety)
• 1967 - 1974 : Talen’ny Trano Famoaham-Boky Protestanta Imarivolanitra
• 1975 - 1977 : Niverina tao amin’ny Gazety Hehy
• 1977 - 1989 : Tale tao amin’ny Ministeran’ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto Revolisionera

Asa soratra : « Dinitra » (1973) ; « Ando » (1977) ; « Zo » (1980) ;
« Sedra » (1993) ; « Ny Teny Malagasy » (1994) ; « Tsy maintsy mipoaka » (2002) ; « Voninkazo adaladala » (2003) ;
« Fiteny roa - En deux Langues » (2005)

Manana tononkalo voadika amin’ny teny : Rosiana, Anglisy, Frantsay, Alema.
Fikambanana misy azy : Havatsa - Upem : Union des Poètes et Ecrivains Malgaches Filohamboninahitry ny Fikambananan’ny Mpikabary eto Madagasikara, Mpikambana Mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy (Membre Titulaire)

Talenta hafa : Sary hosodoko, paik’afo (pyrogravure), kiky fitaratra (gravure sur verre), tosi-by (métal repoussé), famoronana hiram-bavaka.
Ala voly : Jono (ranomamy sy ranomasina), filalaovana amin-jafikeliny
Mariboninahitra : (nomen’ny Fanjakana fa tsy nangatahana) : Chevalier, Officier, Commandeur, Grand Officier, Grand Croix de 2ème classe de l’Ordre National Malagasy
Toerana nanaovany fampirantiana Zavakanto : Antananarivo, Francoville, Paris (Frantsa)

Fanolokoloana : Tao an-tokantranon’ny raiamandreninay, ankoatra ny fitaizana kristiana izay tena nimasoan’izy ireo fatratra, dia nisy koa fanabeazana sy fanolokoloana noraisina tamin’izy ireo.

- Isaky ny Alarobia hariva, alohan’ny hatoriana, dia misy fotoam-pivavahana iombonanay mianakavy, ka ifandimbiasana isan-kerinandro ny ftarihana azy. Tena nahasoa anay mianadahy isany izany. Ivelan’ny fitaizana azonay teo anivon’ny Fiangonana isan’alahady mantsy dia manatanjaka ny fijoroanay ho kristiana teo anivon’ny fiarahamonina izany, mandraka ankehitriny.

- Aorian’io fiaraha-mivavaka io koa dia ampianarina ny fomba amam-panao maha Malagasy izahay. Indrindra ho tia sy hahay ny Teny Malagasy. Izay tena nimasoan’Idada tamin’izay dia ny fampahatantarana ohabolana Malagasy taminay. Tsy maintsy mahay sy mahafantatra iray isan-kerinandro izahay, ary raha ilaina aza dia hiverenena amin’ny manaraka iny raha mbola tsy mazava.

- Ankoatra’ireo dia nampianarina ho tia hira, tantara, angano, mozika, sary, sol-fa, zava-maneno. Azoko lazaina fa ny fampitiavany anay ireny kanto ireny no nitarika anay ho amin’izao toerana misy anay ankehitriny izao : mpanoratra, mpanao gazety, mpamoronkiram-bavaka, mpanao sary, mpamorona zava-kanto. Nezahiny ny nividy harmonia hianaranay mitendry, na dia elaela ihany aza ny fanefana izany, fa naloa tsikelikely.

- Nampidirina tany amin’ny Fitaizana Tily koa izahay mirahalahy. Manampy ny fitaizana maha olona koa izany : hahay mihafy, mahay mikarataka mba tsy ho very mandeha, hahaleo tena ary hahalala ny tontolon’ny fiaraha monina, ho tia tanindrazana sy hatahotra an’Andriamanitra.

- Izany rehetra izany mitambatra no lasitra nibeazanay mianadahy avy. Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin’ny andron’ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan’olona tsy misy ilana azy ny firenena.

Antananarivo, 21 mey 2008.
ANDRIAMANANTENA Georges RADO

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS