Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h48
 

Malagasy

Antananarivo • Savorovoro politika

Tonga saina ny faritra iva

mercredi 10 septembre 2008 | Manou

Tsy an-kiato intsony tao ho ao ny ankamely politika ifanaovan’ny samy « mahery » eto amin’ny firenena, indrindra ny eto Antananarivo.
Misy fiantraikany amin’ny fiainana ara-piaraha-monin’ny vahoaka hatrany anefa ny tranga toy ireny, araky ny efa niainan’ny rehetra nandritra ireny vanim-potoana isan-karazany ireny, ka manomboka tsy ho voafahan-dalitra intsony ny eny amin’ny faritra be mponina eto an-drenivohitra, tondroin’ny mpahay ho faritra iva, amin’izao fotoana izao...

Tsy ho fitaovana

Tsy hanaiky ho fitaovana ara-tantara intsony ary izao ireo vato nasondrotry ny tany avy amin’ny faritra iva fa nivondrona, nanangana ny FVMT, Fikambanan’ny Vahoaka Madinika amin’ny Toerana iva, hahafahana mifanentana sy mifanazava mikasika ny raharaha lehibe eto amin’ny firenena
Efa nahatsangana sampana isaky ny boriborintany eto Antananarivo ny tompon’andraikitra, ankehitriny, ary efa eo ampandinihana ny hanitarana ny hetsika any amin’ny faritra hafa nohon’ny fangatahan’ny mponina any. Maro mantsy, hoy ireo nifandray tamin’ny FVMT, ny toerana mitovitovy fahavoazana amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra, any amin’ny faritra isan-karazany any ka tsy tokony ho ferana ho eto Antananarivo fotsiny ny tombontsoa ho azon’ny madinika amin’ny fahafaha-mahalala ny zavamisy amin’ny raharaham-pirenena avo lenta avy amin’ny fanazavan’ireo havanana ao anatin’io fikambanana io.

Mandefa antso

Samy maneho ny heviny ny ankolafy isan-karazany tato ho ato, hoy ny FVMT, ka fotoana ilana ny mpanao politika fantatra ho mpiaro an’Antananarivo toa an-dry Alain Ramaroson sy ireo tanora tia tanindrazana, mpiaro ny teny amin’ny 13 mey toa an’ireo miaramila mpampandry tany (rezervista) sy ny mpanao fanatanjahantena (kung fu, karate...) izao diavina izao, hivoahan’ny tena foto-kevitra marina amin’ny fifampitondrana hiainana eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS