Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h56
 

Malagasy

Fitsinjaram-pahefana

Vao maika tsy mazava

jeudi 13 novembre 2008 | Eugène R.

« Délégués régionaux du gouvernement » indray izao no malaza. Hapetraka io rafitra vaovao eny anivon’ny faritra io raha ny tatitry ny filan-kevitriny minisitra tamin’ny talata teo no asiana teny. Ny « Délégués régionaux du gouvernement », araka io tatitra io, dia tompon’andraikitra tendren’ny praiminisitra, lehiben’ny gouvernementa. Eo indrindra no tsy mazava ny resaka satria mantsy vao tsy ela akory izay no nanendrena ireo roa ambinifolo mianadahy mpikambana ao anatin’ilay atao hoe « Cellule de coordination des actions » eo anivony faritra. Raha ny fantatra dia ny minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana no nanendry ireo olona ireo. Ny minisitriny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia tsy iza fa ny Praiminisitra, lehiben’ny gouvernementa Charles Rabemananjara ihany. Vao maika tsy mazava ny resaka satria tsy fantatra intsony ny fahefan’ny lehiben’ny faritra, izay mbola tsy olom-boafidy hatramin’izao, fa tendren’ny filohan’ny Repobilika eo anivon’ny filan-kevitry ny minisitra. Raha mbola tendrena foana mantsy ireo lehiben’ny faritra ireo dia lehibe telo izao ny solotenan’ny mpanatanteraka eo anivon’ny faritra, izay rafitra natao ho fampandrosoana ny fitsinjaram-pahefana na ny « Décentralisation ». Ny Lalam-panorenana anefa dia mametraka tsara fa ny lehiben’ny faritra dia olom-boafidy na « personnalité élue ». Tsy izany anefa ny zava-misy hatrizay ka hatramin’izao. Manginy fotsiny ny tsy nisian’ny fifidianana ben’ny tanàna teo anivony fari-pifidianana telo lehibe dia i Sainte- Marie, Nosy Be ary Taolagnaro. PDS hatramin’izao no mipetraka eo anivon’ireo tanan-dehibe telo ireo. Na izany na tsy izany dia tsapa fa mivangongo be ihany ny fahefana eo ampelatanan’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara amin’izao fotoana izao. Voaporofo ny maha olona faharoa ny fanjakana azy aoriany filohan’ny Repobilika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS