Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h25
 

Malagasy

Loa-bary andasin’ny MAP

Be ireo olom-boatendry ho very seza

jeudi 6 novembre 2008

Alohan’ny faran’ny taona 2008, dia hanao jery tombana ny asa vita nandritra ny taona ny fanjakana. Ho hita taratra ao na tena tafatsangana ny rindrina, ary voatafo ny trano na tsia. Loa-bary andasin’ny MAP izy ity, ka ireo asa mbola tsy vita, dia ho fantarina ao ny antony tsy naha-tontosa izany.
Fepetra iray isan’ny hipetrahan’ny ezaka eo amin’ny oom-boatendry sy ny olom-boafidy ny toy izao. Ho hitan’ny vahoaka eo mantsy izay tsy nahay ny asany. Tsy fotoan’ny andrakandrana intsony izao, fa asa avy hatrany. Ho hita eo ny momba izany, fa ny tsy azo lavina, dia mandindona amin’io ny mety hisian’ny fanovana olom-boatendry tsy nahavita ny asany. Isan’io ny ao anaty Governemanta sy ny eny anivon’ny faritra rehetra eny. Tsy azo sarotsaronana amin’ny tarehi-marika ambony latabatra ny tsy fahombiazana. Ny asa azo tsapain-tanana mipaka eny anivon’ny vahoaka no porofo iray tsy azo hiadian-kevitra.

Tsy re tsaika

Raha ny zava-misy tokoa, dia maro ireo olona nampetraka hitana andraikitra goavana no tsy re- tsaika. Na ny fisiany aza tsy fanta-bahoaka akory, nefa dia lehiben’ny faritra na ministra. Toa tsy mba hita midina ifotony eny anivon’ny vahoaka, mba mijery ny olona eny. Midika io, fa olona natao hiandry tatitra fotsiny. Tsy ho gaga ny maro raha mihisatra ny asa eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Momba ity jery todika ny asa vita ity, dia nilaza ny Praiministra lehiben’ny Governemanta fa antsoina avokoa ny olom-pirenena rehetra. Hanana anjara toerana lehibe amin’io ny tanora. Voahantso amin’io koa ny tanora. Iza no hitsara fa tena nahavita be tokoa ireo olona nomena andraikitra isan-karazany ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS