Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 17h58
 

Malagasy

Sinoda katolika

Zava-dehibe ny fanavaozana ny làlam-pifidianana

lundi 3 novembre 2008 | Herimanda R.

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaha politika eto anivon’ny firenena ny sinoda katolika eto amin’ny diosezin’Antananarivo. « Ho fandraisan’anjara misimisy kokoa amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny olona, dia heverin’ny Fiangonana fa zava-dehibe ny fampahafantarana ny olona ny Lalàmpanorenana sy ny fanavaozana ny làlam-pifidianana ». Isan’ireo fehin-kevitra nivoaka teo anivon’ny sinoda izany izay nambara ampahibemaso omaly nandritry ny fotoam-pamaranana.
Navoitra tao anatin’izany fehin-kevitra izany fa « ilaina ny manome sehatra fifampizarana mba ahazoana mifanoro, mifanitsy hanomezan’aina ny hasin’ny tsirairay sy ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana ka mba ahazoana fitoniana ara-politika ahafahan’ny olona mamokatra milamina ».

Tsy ny Fiangonana katolika irery ihany anefa no maniry ny hisian’izany fanavaozana izany fa misy ihany koa ireo antoko politika sy mpanao politika mitaky izany efa hatry ny ela. Efa nisy aza tamin’ny fotoan’andro volavolan-kevitra momba ny fanavaozana làlam-pifidianana natolony ho an’ny vondrona parlementera iray teny Tsimbazaza mba ho dinihina, saingy nandamoka.
Ny fitondram-panjakana sisa no andrasana izay mety ho fanapahan-keviny manoloana ny feo miakatra etsy sy eroa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS