Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 00h05
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Vaovao farany

    vendredi 20 mars 2009 | 82 commentaires |  34930 visites
    Naharay sms avy amin'i Pastora Lala Rasendrahasina ny mpamaky anankiray : « Kapoka sy vono, ompa no natao tamiko, ary norahonana ihinana ny malotoko aho, na dia tsy tanteraka aza izany. Tsy hanao polemika aho fa Andriamanitra no nahita ». Rasendrahasina
  • Fangalarana Taroby

    vendredi 20 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 1 commentaire |  640 visites
    Voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny Brigade Tana ville Betongolo nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo ny alarobia 18 marsa 2009 tamin’ny 03 ora maraina ny olon-dratsy roalahy mpangalatra taroby mitondra herinaratra an’ny orinasa JIRAMA Soanierana. Mirefy 100 metatra io taroby nalain’izy ireo io, izay milanja 39 kg . Tao amin’ny trano fitoeran’entana (dépôt) an’ny orinasa ihany no nangalarana izany. Ny iray amin’ireo olon-dratsy dia mpiasa « standardiste » ao amin’ny JIRAMA ihany, ny iray kosa (...)
  • Taratasy misokatra

    Taratasy misokatra ho an’Andriamatoa Filoha

    vendredi 20 mars 2009 | 5 commentaires |  2364 visites
    « Atolory an’i Kaisara izay an’i Kaisara ary an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra ». Atolotra anao àry Andriamatoa Filoha ny haja ambony sy fiarahabana amin’izao nahazoanao amim-pomba ofisialy ny fahefana feno eto amin’ny firenena Malagasy izao. Ho an’Andriamanitra irery ihany kosa ny dera sy voninahitra mandrakizay. Natao ihany ny tsy hiteny teo anoloan’ny zava-nitranga nefa marary ny fo ary mahatsapa manana andraikitra ny hiteny ny tena raha misy ny tsy rariny. Vao manomboka koa ny (...)
  • Votovorona

    Mpitandron’ny filaminana sandoka 3 voasambotra

    samedi 14 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo |  680 visites
    Voasambotra ny alarobia 11 marsa teo ireo jiolahy 3 nanao fandrobana trano fiompiana lehibe iray teny Votovorona. Ny fiaraha-misalahy teo amin’ny Zandary avy ao amin’ny Poste avancé Votovorona sy ireo polisy kaominaly ao Fenoarivo, no nahatratrarana ireto jiolahy ireto. Ny akoho fiompy no tena lasibatr’izy ireo tao amin’io toerana io ary noentin’izy ireo tamin’ny taxi-borosy avy eo ireo akoho aman-jatony izay nalainy. Nanao fanamiana mpitandro filaminana izy ireo ary mahina avy hatrany ilay (...)
  • Krizy politika sy Tafika malagasy

    Fanambarana avy amin’ny mpitandron’ny filaminana

    mercredi 11 mars 2009 | 2 commentaires |  1719 visites
    Eo anoloan’ny olana lalina mahazo ny firenena izao, izahay foloalondahy (miaramila zandary ary polisim-pirenena) dia manao izao fanambarana izao : Mba hiarovana ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena; Mba hiarovana ny maha iray ny foloalindahy dia : 1. Manamafy ny fanajana tanteraka ny soatoavina demokratika sy repoblikana eo amin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fankatoavana tanteraka ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana manan-kery. 2. Manameloka tanteraka (...)
  • Tafika malagasy

    Nifamaofao be ihany

    mercredi 11 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 1 commentaire |  1235 visites
    Nifanesisesy ny fanambarana avy amin’ny Tafika omaly 10 marsa. Toa nifaninana mihitsy aza indrindra moa fa toa tsy fantatra intsony hoe iza no ministry ny Fiarovam-pirenena fa noteren’ny sasany hametra-pialana. Nanao fanambarana ny teny amin’ny Etat Major Général de l’Armée Malagasy, eny Andohalo, ny talata faha 10 marsa 2009 maraina. Fanambarana izay natrehan’ny mpanao gazety. Nanotrona ny jeneraly Rasolomahandry Edmond, lehiben’ny Etamazaoro, ny Komandin’ny Zandarimaria-pirenena, ny Jeneraly (...)
  • Kabarin’ny filoham-pirenena

    Toa tsy nampiraika loatra ny fanajana ny Lalàmpanorenana

    mercredi 11 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 3 commentaires |  1125 visites
    « Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara ory aminareo aho, ary tsapako ny fangirifirianareo ». Tsy dia nisy nahazo loatra ny fonosin’io fehezan-tenin’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana io. Niteny ny filoham-pirenena hoe fahatezerana ary fangirifirina. Maro ny tezitra noho ny fitifirana teny Ambohitsirohitra ny sabotsy 7 febroary 2009 lasa teo. Manana fangirifirina koa ireo naratra tamin’iny andro iny, ary ory ireo fianakaviana namoy hava-malala. (...)
  • Talata 10 marsa 2009

    Kabarin’Andriamatoa Marc Ravalomanana, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

    mercredi 11 mars 2009 | 8 commentaires |  1852 visites
    Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana, Te hitafa amin’ny Vahoaka Malagasy aho androany, hilaza aminy amin’ny fomba tena mahitsy ny zavatra mitranga eto amin’ny Firenentsika sy ny fomba ahafahantsika miroso amin’ny fampandrosoana. Tonga eo amin’ny kiondalana isika ankehitriny. Afaka manaraka ny lalan’ny korontana sy ny adilahy politika isika, na afaka manaraka ny lalan’ny firaisam-pirenena sy ny demokrasia. Amin’ny maha Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy, dia mandala hatrany ny firaisam-pirenena, (...)
  • Vaovao tapatapany

    mardi 3 mars 2009 |  930 visites
    Ambohimanambola : Olona iray maty, 4 naratra Ny 28 febroary 2009 tamin'ny 6 ora hariva sy sasany tamin’ny lalana mampitohy an’Ankadidratombo sy Ambohimanambola no nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity. Fiara Citroën AX nifandona tamin’ny fiara Peugeot 405. Fandehanana mafy sy fahamamoan’ilay mpamily, raha ny loharanom-baovaon’ny mpiandraikitra ny loza tahaka itony no arahina, no nahatonga ny loza. Vokatr’izany, Ramatoa 37 taona tao amin’ilay Citroën AX no maty. Olona telo (3) (...)
  • Fisolokina

    Huissier sandoka tratran’ny zandary

    lundi 2 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 2 commentaires |  815 visites
    Natolotra ny fampanoavana teny Anosy ny 27 febroary 2009 ny raharaha nampifanolana Ramatoa iray sy rangahy misandoka ho vadintany na “huissier” izay milaza fa manana ny biraony ao akaikin’ny PMU ao Andrefan’Ambohijanahary. Hita teny amin’ny fitsarana teny Anosy ihany koa ny namany roalahy izay mpiray tsikombakomba amin’ity “huissier” sandoka ity, ka nosamborina sy natolotra ny mpitsara mpanao famotorana niaraka taminy. Samy notanana vonjimaika avokoa izy telolahy ireto miandry ny fotoam-pitsarana. (...)
  • Tapatapany

    mercredi 25 février 2009 | 1 commentaire |  653 visites
    Bemasoandry itaosy : Tovolahy namono tena tamin’ny “nivaquine” Tovolahy 25 taona mipetraka ao Ambohidahy kaomina ambanivohitra Bemasoandro Itaosy no maty vokatry ny fihinanana “nivaquine” maromaro ny alatsinainy 23 febroary 2009 tamin’ny 06 ora hariva. Nisy nampandre ny Brigade zandarimariam-pirenena Itaosy io hariva io manamarina io vaovao io. Rehefa tonga nijery sy nanao fizahana teny an-toerana ny dokotera niaraka tamin’ny zandary dia voamarina fa tena namono tena io tovolahy io ary ny (...)
  • Tapatapany

    mardi 24 février 2009 |  825 visites
    Fahitana Fatin’olona : Ny Alahady 22 febroary 2009 dia nisy fatin-dehilahy iray hitan’ny Brigade Zandarimariam-pirenena Andoharanofotsy teny Imerimanjaka kaomina ambanivohitra Ambohijanaka, Distrika Antananarivo Atsimondrano. Tokony ho miala 100 metatra ny lalana By pass ny toerana nahitana io razana io. Toy izao ny mombamomba ilay olona maty : lehilahy manifinify tokony ho 40 taona mainty fiodirana tso-bolo, mirefy tokony ho 1,60m, manao lobaka carreau mainty sy fotsy, pataloha volotany, (...)
  • Fivorian’ny mpanohana

    Hafatr’Atoa Ravalomanana tetsy Mahamasina

    jeudi 12 février 2009 |  2380 visites
    Ry Vahoaka Malagasy Mpiray Tanindrazana, Mankasitraka sy mankatelina amin’ny fitiavana hasehonareo Vahoaka nohon’ny fahatongavanareo marobe toy izao aho, izay raisiko ho fahatokisana sy fampaherezana. Misaotra amin’ny fanohanana am-pilaminana ny fihetsika maha te hidera nasehonareo, izay tena manohana ny foko tokoa. Misaotra fa na mikija aza ny orana tsy mahasakana anareo izany, fa raisintsika ho tso-drano. Porofo mitohoka amin’ny tendany izao, fa miray hina ny Vahoaka Malagasy, miara-mientana (...)
  • Tapatapany

    mercredi 11 février 2009 | Rakotoarilala Ninaivo |  1306 visites
    FARITRA ANALAMANGA : Distrika Antananarivo Renivohitra. Ny 10 febroary 2009 tamin’ny 01 ora maraina teny Antanimena dia tratran’ny zandary mpanao patrouille (GPT Analamanga sy ny CIE Imerina Centrale) ireo mpandroba saika hamaky ny DMT PHOTO. Voasambotra ireo jiolahy teto ary efa atao famotorana ao amin’ny Brigade Betongolo. FARITRA IHOROMBE : Distrika Ihosy : fanafihana Ny 08 febroary 2009 maraina dia saron’ny mpitandro filaminana, tao Mangatokana Adohan’Ilakaka, ny fikasan’ny dahalo (...)
  • Manakara

    Hetsiky ny mpanohitra

    samedi 7 février 2009 |  1647 visites
    Nampalahelo fa dia niafara tamin'ny fahafatesan'ny olona iray ny hetsika izay nataon'ireo mpiara-dia amin'i TGV tao antampo-tananan'i Manakara. Misafotofoto be ihany ny filazan'ny mpanao fihetsiketsehina sy ny nambaran'ny ben'ny tanana satria ny iray voalohany dia nananbara fa efa nirava ny fihetsiketsehina nataon'izy ireo vao nitifitra ny miaramila. Ny mifanohitra amin'izany kosa anefa no nambaran'ny ben'ny tanana izay nilaza fa tsy voafehin'ireo mpitarika ny hetsika intsony ireo mpanaraka (...)
  • Raharaham-pirenena

    Nivoaka tamin’ny fahanginany i Radavidson A.

    samedi 7 février 2009 |  2586 visites
    Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena dia nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety Atoa Radavidson Andriamparany minisitra teo aloha omaly tolakandro tao amin'ny Apart hôtel Ambatoroka. Nolazainy tamin'izany fa tokony ho ravain'ny filoham-pirenena ny governemanta na hametra-pialana fa tsy mahafehy ny toe-draharaha misy amin'izao fotoana izao intsony. Aorian'izany fandravana na ny fametraham-pialana izany no hananganana ny Governemanta Fanarenam-pirenena, ka ny praiminisitra (...)
  • Vaovao farany

    vendredi 6 février 2009 |  4467 visites
    Nofoanan'ny Filoha Marc Ravalomanana ny fahitalavitra sy ny radio MBS, ary natolony manontolo ho an'ny fahitalavitra sy ny radio-mpirenena ny fitaovana nampiasaina tao rehetra. Marihina ihany moa fa fananany manokana ny MBS.
  • Fandrombaham-pahefana

    Izay mahavory vahoaka, dia afaka manonga-panjakana

    lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely |  3781 visites
    Mazava ny resaka. Te-ho filoham-panjakana i Andry Rajoelina. Vonona ny hiroso amin’ny rafitra teteza-mita ny tenany, ka izy ben’ny tanàna no hitarika izany. Tsy mila mpanao politika ho ao ambadikany izy. Isan’ny teny heno teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo izany ny sabotsy lasa teo. Vahoaka maro be no tonga nanohana ny antson’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina. Niainga ny hafanam-po ka ny fitaomana ny vahoaka hidina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no niafaran’ny resaka. Kianja manan-tantara Izay (...)
  • Fanentanana ny mpiasam-panjakana

    Mba mahalalà menatra

    lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely |  3300 visites
    “Nampanongo tena ny rehetra ny nahita an’ingahy Florentin, nikabary teny Ambohijatovo ny sabotsy teo. “Ny fanekena ny 10% fanondrotana nomen’ny fanjakana isan-taona, dia tsy ekena. Ny fitakiana ny hijerena ny mari-karama no tokony ho jerena maika, ary manomboka izao, dia akatso ny asam-panjakana rehetra”. Dia gaga ny maro raha nahita ireto nikabary teny Ambohijato. Iza no tsy nahalala an’ingahy Ramamonjisoa Florentin, fony vao niakatra ny fanjakana Ravalomanana, fa SG tao amin’ny minisiteran’ny (...)
  • Hetsika anio etsy Ambohijatovo

    Sora-baventy hanala ny filoha maro no efa vonona

    samedi 24 janvier 2009 | Naivo kely |  2353 visites
    "Mitondrà sora-baventy, sy rano ary lamba miloko volom-boasary”. Io no antso avo nataon’i ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny alakamisy lasa teo. Efa fantatra ny mety hitranga saingy tsy hihemotra amin’izany isika”. Heno ary fa misy fikambanana iray, izay mikarakara manokana ny fanamboarana ny sorabaventy amin’ity anio ity. Fitakiana ny hialan’ny filoha Ravalomanana no betsaka amin’io sorabaventy io. Ny resaka fitakian’ny mpiasam-panjakana ihany koa, dia ho maro ao amin’ireto soratra ho lanjaina anio (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS