Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Malagasy

Fandrombaham-pahefana

Izay mahavory vahoaka, dia afaka manonga-panjakana

lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely

Mazava ny resaka. Te-ho filoham-panjakana i Andry Rajoelina. Vonona ny hiroso amin’ny rafitra teteza-mita ny tenany, ka izy ben’ny tanàna no hitarika izany. Tsy mila mpanao politika ho ao ambadikany izy. Isan’ny teny heno teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo izany ny sabotsy lasa teo.
Vahoaka maro be no tonga nanohana ny antson’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina. Niainga ny hafanam-po ka ny fitaomana ny vahoaka hidina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no niafaran’ny resaka.

Kianja manan-tantara

Izay tolona rehetra natao, dia niainga teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Io no nambaran’i Andry TGV, ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra. Nitoman-davana ny olona nihazo iny faritra iny. Tsy nisy ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Nikabary tsy amin-tahotra ny ben’ny tanàna, satria hery inona tokoa no sahy hifanandrina amin’ireto olona maro be ireto. Akatona ny toeram-piasana rehetra manomboka anio, ary tsy misy mianatra ny mpianatra. Etsy Analakely avokoa no fotoana anio manomboka amin’ny folo. Tsy afa-po tamin’ilay “Kianjan’ny demokrasia” ny ben’ny tanàna, ka ny fidinana etsy amin’ilay Kianja manan-tantara no nanohizana ny hetsika rehetra.

Ravao ny Governemanta

Antso nataon’ity mpitarika ny fanoherana ity eto an-dRenivohitra ny handravana ny governemanta. “Tsy hitsahatra ny fitakiana etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey raha tsy tontosa ny tanjona iriana rehetra. Hikatso manomboka anio ny “machine administrative rehetra”. “Tsy asiana olana na dia hisy ho rava aza aloha ireo asa izay efa napetraka eo amin’io kianja io, fa arenina rehefa vita ny tolona”.

Ireo asa tsy maintsy atao

“Ho sokafana avy hatrany ny FPVM afahan’ny vahoaka mivavaka manerana an’i Madagasikara. Hiditra amin’ny fanafarana menaka Ar 2000 ny litatra, ary amidy avy hatrany ny fiaramanidina Force One raha vao mandray ny fahefana ao anaty tetezamita ingahy ben’ny tanàna”. Tsy vitsy ny niantso azy sahady ho “prezida” teny amin’ny kianja 13 ny sabotsy lasa teo.

Tezitra ny mpanao politika

Manoloana ny filazana omaly fa “tsy misy mpanao politika miaraka amin’ingahy ben’ny tanàna”, dia somary nampiaka-peo ihany izy ireo. Nahoana raha vao nanomboka ny hetsika rehetra no nilaza izany ingahy ben’ny tanàna ? Sa efa hita fa mitady ho faty ve ny voay, dia ahilika amin’izay izahay. Ho hita eo ny tohiny, fa misy hisainana ireny rehetra ireny. Mpanao politika sy mpitarika vahoaka miisa 17 no nanambara ireo, raha niresaka fohy tamin’ny mpanao gazety io andro sabotsy io. Tsy toerana no tadiavin’ny mpanao politika fa ny fametrahana ny ara-dalàna sy ny tena demokrasia eto amin’ny firenena.

Dia ho sanatria ve hametraka ny mpanao politika ho an’ny amin’ny toerana tsy misy ilàna azy ity ben’ny tanàna ity, vao mianatra mamindra eo amin’ny tontolo politika, hoy kosa izay tsy faly tamin’iny resaka iny.
Sa maro loatra ny feo mandeha fa mpanao politika goaika antitra no ao ambadiky izao tolona izao, ka aleo manadio tena sahady ? Ho hita eo aloha, fa ny tsapa dia ho tohatra fiakarana ihany ny ankamaroan’izy ireo.

Inona no hitranga manomboka anio ?

Izay olona mahavory vahoaka, dia afaka manonga-panjakana. Ary sahy milaza fa izy no tena dadany. Mbola misy ilaina ny fifidianana ve eto amintsika raha izao no mitohy ? Mety ho voabaikon’io herim-bahoaka io avokoa ny lalàna velona rehetra, ary na ny fitsarana aza tsy ahafehy izany. Rehefa ny herim-bahoaka no miteny, fa avohay ireo gadra, dia mivoaka, satria izay ilay fitsaram-bahoaka ? Ny governemanta avy ity no baikon’ny herim-bahoaka hiala, ka handrosoana tetezamita noho ny fanakatonana fahitalavitra iray. Tsy hisy firenena hankato ny fandrom-baham-pahefana an-dalambe, ka ho azo antoka, fa hiantraika eto amintsika ny ankivy maneran-tany. Ho foana ihany koa ny fandraisana ilay fivoriana an-tampony atao eto amintsika mandritra ny taona roa mifanesy. Izay ve no tena fampandrosoana ? Dia ho hita eo anio, fa ny fanjakana aloha tamin’iny sabotsy iny, dia efa nilaza ny ministra Rakotonirina Gervais fa manohy ny asany ny governemanta, ary niantso ny vahoaka ho tony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS