Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 16h38
 

Malagasy

Votovorona

Mpitandron’ny filaminana sandoka 3 voasambotra

samedi 14 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

Voasambotra ny alarobia 11 marsa teo ireo jiolahy 3 nanao fandrobana trano fiompiana lehibe iray teny Votovorona. Ny fiaraha-misalahy teo amin’ny Zandary avy ao amin’ny Poste avancé Votovorona sy ireo polisy kaominaly ao Fenoarivo, no nahatratrarana ireto jiolahy ireto. Ny akoho fiompy no tena lasibatr’izy ireo tao amin’io toerana io ary noentin’izy ireo tamin’ny taxi-borosy avy eo ireo akoho aman-jatony izay nalainy.

Nanao fanamiana mpitandro filaminana izy ireo ary mahina avy hatrany ilay mpamily nahita ny fihetsik’ireo jiolahy sy ny entana nentiny. Nampandre avy hatrany ny zandary sy ny polisy kaominaly izy. Tsy lasa lavitra ireo jiolahy dia sarona avokoa.

Akoho miisa 200 mahery

Marihina fa efa indroa amin’izao no nitrangana halatra tao amin’ity toerana fiompiana ity ary ireto jiolahy ireto ihany no nanao ny asa ratsy. Akoho 200 mahery voamariky ny tompony fa very tamin’izany. Efa mandeha ny famotorana azy ireo ankehitriny ary hatolotra fitsarana tsy ho ela ireto jiolahy ireto.

Ankoatr’izay dia nisy ny fampiofanana ireo polisy kaominaly nataon’ny zandarin’ny Tobim-paritra ao Fenoarivo. Ny tanjona tamin’izany dia ny fanatsarana hatrany ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny kaomina Fenoarivo sy ireo faritra manodidina. Ny fandriampahalemana ao anatin’ny kaominina Fenoarivo sy ny manodidina moa dia tsapa fa nivoatra hatramin’izay nisian’ny fiaraha-miasa akaiky niarahan’ny zandary, ny polisy kaominaly ary ny mponina eny an-toerana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS