Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h57
 

Malagasy

Taratasy misokatra

Taratasy misokatra ho an’Andriamatoa Filoha

vendredi 20 mars 2009

« Atolory an’i Kaisara izay an’i Kaisara ary an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra ».

Atolotra anao àry Andriamatoa Filoha ny haja ambony sy fiarahabana amin’izao nahazoanao amim-pomba ofisialy ny fahefana feno eto amin’ny firenena Malagasy izao. Ho an’Andriamanitra irery ihany kosa ny dera sy voninahitra mandrakizay.

Natao ihany ny tsy hiteny teo anoloan’ny zava-nitranga nefa marary ny fo ary mahatsapa manana andraikitra ny hiteny ny tena raha misy ny tsy rariny. Vao manomboka koa ny fotoam-pahefanao no itrangan’izany tsy rariny izany, ka mieritreritra ny tena hoe mbola tsy tara loatra raha izao no miteny ary mino fa misokatra amin’ny feon’ny olom-pirenena tsirairay ianao amin’izao fotoanan’ny demokrasia izao.

Tonga ary dia vakiako bantsilana ny tian-kambara. Inona marina moa no heloky ny MPITANDRINA LALA RASENDRAHASINA ? Niandany tamin’ny Filoha teo aloha ve ? Zony izany angamba hoy aho. Nampiditra olo-politika maro teo anivon’ny FJKM ve ? Tsy nanameloka ny 7 Febroary ve ? Raha heloka eo anoloan’ny firenena izany ary raha misy heloka hafa nataony tsy fantatro, ho lehibe noho ny an’Andriamatoa Ravalomanana ve ? Raha ny an’Andriamatoa Ravalomanana ary ambaranao avelanao amin’ny Fitsarana, naninona no dia navela natao toy ireny ny Filoham-piangonana ? Ho lehibe koa noho ny an’Andriamatoa Jacques Sylla ve izay niara-niasa akaiky tamin’Andriamatoa Ravalomanana nandritra ny taona maro, nahatonga antsika koa amin’izao fahantrana lalina izao ? Izy nefa izao ASAINAO hanohana anao.

Navela nandeha daholo ny olon-kafa (ary naninona tokoa moa no tsy mba nanao na inona na inona ireo Filoham-piangonana hafa e ? sy Andriamatoa Ratsirahonana mba FJKM ihany e ?) fa dia izy sy ireo Jeneraly sisa navela ho viravirain’ireo miaramila feno hatezerana. Ireo Jeneraly aza toa tsy voatositosika toa azy. Tsy mba nakana fiahiana manokana akory mba tsy ho voakasi-tanan’ireo olona teo ivelany. FILOHAM-PIANGONANA ANIE INY E ! Marary ny fo nahita ireo sary tamin’ny fahitalavitra.

Mino aho Andriamatoa Filoha fa tsy ianao no nanome baiko tamin’ny fanambaniana Filoham-piangonana toy ireny : FISAMBORANA, TOSIKA, “FANITRIHANA” ANATY FIARA TOY IRENY OLO-MELOKA IRENY, FITAZOMANA AN-KERINY, VONO… Fampisotroana maloto koa hono ? tsy te-hino akory aho hoe misy Malagasy mahavita izany e ! Mino aho Andriamatoa Filoha fa tsy ianao no nanome ny baiko raha ny fahenoako anao nanonona foana ny anaran’i Jesoa Kristy tamin’ireny tolona ireny.

Niseho nefa ireny zavatra ireny avy amin’ireo miaramila teo ambany fifehezanao. Maneho fanahiana ary aho amin’izao fotoana izao hoe voafehy ary HO VOAFEHY FOANA VE IREO MIARAMILA ireo. Manana ny fahefana azo avy amin’ny fananana fiadiana (mahery vaika an !) izy ireo ary raha tsy voafehy io dia mainka hanosihosy indray ilay fandriampahalemana kely efa mitsipozipozy misy eto amintsika. Ny manamboninahitra amboniny efa tsy henoiny, hatramin’ny rahoviana no anarahany anao ? Efa nisy ohatra fihokoana nandaitra iny izao ary mety hianaran’ny hafa indray.

Izay, Andriamatoa Filoha, no alahelo tian-kiantefa aminao, amin’ny fanantenana fa olona mihaino ny hafa ianao fa tsy sanatria afaka anaovana ilay fitenenana hoe : “Tenenina foana fa he ! he ! he ! …”. Raiso ary eto em-pamaranana, Andriamatoa Filoha, ny haja ambony atolotra anao.

Atao hoe kanosa ve raha tsy mitonona anarana, manahy ihany nefa ny tena nahita ireny trangan-javatra ireny koa aleo angamba hanao sonia fotsiny toy izao :

Zafinibozy, mpino anivon’ny FJKM, nahatsapa ny ZON’OLOMBELONA
sy ny HASIN’NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA VOAHITSAKITSAKA.

5 commentaires

Vos commentaires

  • 20 mars 2009 à 08:18 | fandresena (#299)

    izay ilay toetran’ny FJKM mora milefitra ! iza koa no hiantso an’io hoe Filoha ?
    sefo debe io ! chef de bande !
    na inona na inona dia andry no nanome ny baiko ary avy am odon tsy miteny tsy mivolana io izany .
    Ento lavitra ity raharaha ity ry FJKM fa aza manao raharaham-pihavanana izany na inona na inona ! tena ento faran’izay lavitra fa tena politika maloto no tao ambadik’io !
    ary avelao izy hamono avelao handrahona fa isika anie ka zanaky ny maritiora e ! Tsy maninona ny maty ho an’ny Tompo sy ho an’ny tanindrazana raha ilaina !
    tairo daholo ny firenena protestanta eran-tany ; alaivo ireny sary rehetra ireny dia aparitaho eran’izao tonotlo izao !
    Miverina ondray ny tantara dia massacres des protestants !

    • 20 mars 2009 à 08:33 | Achem (#705) répond à fandresena

      Mba ahamora ny resaka dia aleo angaha atao hoe « Andriamatoa FILOU » ???

    • 20 mars 2009 à 10:09 | telo (#1380) répond à fandresena

      Ry namana,
      Mampalahelo tokoa ny toe draharaha eto amin’ny firenena.mampalahelo satria misy maty, maro naratra,ary betsaka ny very asa.izany rehetra izany de nohon’ny antony ara politika daholo.
      Maro tokoa isika no mety manadino fa ny politika tsy ananana havana, fa izay manembatsembana dia azo « esorina ».
      Inona moa no maha tonga ireny olona toy izy mianaka ireny hanao politika ? « Miaro ny fananana, sy mampitombo izay efa eo ». Na izany na tsy izany isika izay afaka tsy milaza hevitra ihany fa mandray anjara ihany koa, aoka isika hiteny tsy matahotra, toy io ranama milaza fa tsy mety ny natao an ’ny lehiben’ny fjkm.
      Izay fasahina izay dia andao atao ao anaty fikambanana tsy hanao politika velively, fa kosa hanery ireo mpanao politika tsy hamerina ireny fomba tsy mendrika ireny.
      Ampaha firin’ny « george » moa ze« andry » sy ze« marc » antsika.ary ampahafirin’ny amerikanina izay manana olona resy lahatra amin’ny hevitra izay ananany isika malagasy izay toa mora voasarika amin’ny fomba fijery hafa. Fa I« george » nanao diso maro be anisany irak..... ary mbola izy ihany no anisan’ny nahtonga ny solika niakatra be toy izao, fa andriamatoa filoha fona I « george »
      Ny tena tiko antongavana dia : aoka isika mba hanome haja fona ireny nitondra isika ireny, aoka hanome haja fona ny olona lehibe noho isika, aoka hanome haja fona ireo ambony grady no isika.kosa aoka ahasahy hiteny izay tsy mety ataony ary hanohitra izany tsy mety izany amin’ny fomba mendrika feno fanajana. Azo atao fona ny miteny fa tsy azo atao kosa ny manopa sy manambany ny olon dehibe. Ny voatsikaritra dia toa sehatra ahafahana miteny ratsy olona ny fotoana tahaka izao.
      Tsy ho voateny indray mande moa ny tiana ambara rehetra, fa fehiny dia:ny politika tsy maintsy misy tetika,na mamono na mandratra. Fa isika misy salosana aoka tsy anaiky ireny adalana mihotra ny loha ireny intsony, andao mba hitrotra, fa mba manam pahaizana ihany.
      Matetika amin’ny maha olona mora adino ny tsara fa ny ny ratsy sarotra avela, dia tena mihevitra ve isika fa ny filoha teo aloha atoa ravalomanana dia tena tsy mba nanao tsara mihitsy tamin’ny firenena fa dia ratsy be nampahantra be ?daholo. Asa tokoa ? Raha mba anamarina ianao, dia mba midina any ambanivohitra izay tianao fotsiny na avaratra na atsimo, dia ho hitanao ny valiny.
      Misaotra

      Telo

  • 20 mars 2009 à 09:19 | jery lavitra (#1373)

    Lafiny vitsy2, miainga amin’ny tantara sy ny ho fitohizany « lojika » no ndao handraisantsik sy handinihantsik ny zavamisy rehetra e ! Tsy efa hitantsika am zao ve ny « couleur annoncée » e ! Tsy tsapantsik ho ao anaty machination ve izao fiainan malagasy izao ? Diniho anie le fomba fikajian’ny mpanao politika ny hoe miainga eto ka hatretsy no hitondrana azy, eto maneho fanoherana, eto mioty araka izay hahazoana betsaka,eto indray mikonona fanoherana, dia ohatr’izay hatrany. Misy « loko » miverimberina « périodiquement » eo amin’ny fitondrana. Koa hoy aho hoe aza variana mitsara ny zavamisy ny androany androany fotsiny isika. Raha nolazaina fa natao fitaovan politika izatsy na izaroa, tsy aleo ve ny famaritana na « profilage » ana olona mendrika hitarika ny fampandrosoana no himasoana. Izany dia hitarihana ireo ankolafin-kery rehetra tsy ankanavaka ka miray fomba fijery, fa tsy vitan’ny valin-kafatra lava ny fiainantsika... ary ao anatin’izany no hahazoana mamantatra ho azy hoe iza na vondron’iza ireo tsy mijery afatsy ny tombotsoany manokana ireo. Mbola lavitra ny lalan-kaleha, hivimbino hery... Tompoko.

    • 20 mars 2009 à 15:00 | ton ami (#480) répond à jery lavitra

      iza koa Rngah no hiantso an’io oe Andriamatoa Filoha ? JAMAIS DE LA VIE POUR MOI

      C’EST UN BRAQUER, PILLEURS, UN SATANIQUE, UN REBELLE, ..................

      TU NE SERA JAMAIS DIGNE D’ETRE UN PRÉSIDENT

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS