Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h33
 

Malagasy

Tapatapany

mercredi 25 février 2009

- Bemasoandry itaosy : Tovolahy namono tena tamin’ny “nivaquine”

Tovolahy 25 taona mipetraka ao Ambohidahy kaomina ambanivohitra Bemasoandro Itaosy no maty vokatry ny fihinanana “nivaquine” maromaro ny alatsinainy 23 febroary 2009 tamin’ny 06 ora hariva. Nisy nampandre ny Brigade zandarimariam-pirenena Itaosy io hariva io manamarina io vaovao io.

Rehefa tonga nijery sy nanao fizahana teny an-toerana ny dokotera niaraka tamin’ny zandary dia voamarina fa tena namono tena io tovolahy io ary ny fianakaviany mihitsy no nanome fanampim-baovao fa nirahin’ilay tovolahy nividy “nivaquine” valopolo (80) isa ny zandriny mialoha ny namonoany tena ary mbola hita tao avokoa ireo sachet nifono ilay “nivaquine”.Efa natolotra ny fianakaviany ny razana.

- Matsiatra Ambony : Trano telo kilan’ny afo

Nitrangana hai-trano ny altatsinainy 23 febroary 2009 tao Ambatolahinory Fokontany Tanantsoa kaomina ambanivohitra Ambalamidera, distrikta Isandra, faritra Matsiatra Ambony. Pitik’afo nentin-drivotra no niely ka nahamay trano telo, ka fitaovan-dakozia miaraka amin’ny fitafiana, vary akotry sy tsaramaso no levon’ny afo tamin’izany. Na izany aza dia tsy nisy ny aina nafoy sy naratra tamin’izao loza izao. Araka ny fantatra dia mangataka fanampiana amin’ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana ireo niaram-boina.

Nangonin’i Rakotoarilala Ninaivo

1 commentaire

Vos commentaires

  • 26 février 2009 à 01:50 | Ranjoky (#410)

    Tokony mba ho fantarina ihany hoe inona no nahatonga an’ilay zandrikely hamono tena.

    Raha mba fantatra mantsy izany antony izany dia afaka manampy ny tanora isika mba hivoatra ny toe-tsaina, na ny toe-po !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS