Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Malagasy

Tapatapany

mardi 24 février 2009

- Fahitana Fatin’olona : Ny Alahady 22 febroary 2009 dia nisy fatin-dehilahy iray hitan’ny Brigade Zandarimariam-pirenena Andoharanofotsy teny Imerimanjaka kaomina ambanivohitra Ambohijanaka, Distrika Antananarivo Atsimondrano. Tokony ho miala 100 metatra ny lalana By pass ny toerana nahitana io razana io. Toy izao ny mombamomba ilay olona maty : lehilahy manifinify tokony ho 40 taona mainty fiodirana tso-bolo, mirefy tokony ho 1,60m, manao lobaka carreau mainty sy fotsy, pataloha volotany, misatroka casquette manga, kappa scoubidou mena. Misy tatouage misoratra « halan’olo fa tian-janahary » ny sandriny havanana ary sary « voromahery » ny havia.

Rehefa nanao ny fizahana ny dokotera niaraka tamin’ny zandary dia tsy nahitana faritra maratra na mampiahiahy ilay olona maty. Tsy misy taratasy afaka hamantarana azy teny amin’ilay maty ary tsy nisy olona nahafantatra ihany koa teny amin’ny manodidina.

- Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona : Fiara Mazda iray no nandona môtô suziki iray 250cc ny alahady 22 febroary 2009 tamin’ny 1ora sy 30 minitra tolakandro. Samy mizotra ho any Antsirabe izy ireo amin’ny lalana mampitohy an’i Betafo sy Antsirabe. Naratra mafy ilay mpitondra moôtô ka noentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly « Santé plus » ao Antsirabe nefa tsy tana intsony ny ainy.

- Hai-trano : Ny sabotsy 21 febroary 2009 tamin’ny 12 ora sy 30 minitra atoandro, raha variana nilanonana ny tokantrano iray tao Ambatomirahavavy Fokontany Ambaniala kaomina ambanivohitra Andranonahoatra (Itaosy), dia nanao « court circuit » ny tari-bia ary io no nitarika ny fahamaizan’ny trano. Nikoropaka ny iray trano ary niezaka namono ny afo ka tsy ela dia voafehy izany . Tsy nisy ihany koa ny naratra na aina nafoy vokatr’io hai-trano io.

- Fanafihana mitam-piadiana : Mpangalatra roalahy nitondra basy poleta no niditra an-keriny sy nanafika tao an-tranona mpandraharaha iray tao Ampopoka / Fianarantsoa ny alin’ny zoma 20 hifoha sabotsy 21 febroary 2009. Ren’ny tompontrano tsara ny fidiran’izy ireo ka efa nivonona ny hiaro tena ry zareo. Naharay hazo (bâton) ilay raim-pianakaviana. Raha iny nanambana basy iny ilay mpangalatra dia nokapohiny tamin’ila hazo ka latsaka ny basy ary nosintoniny ka vaky nandositra izy roalahy mpangalatra avy eo. Ny « commissariat central » an’ny polisim-pirenena no misahana ny fanadihadihana.

Nangonin’i N. R.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS