Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h05
 

Malagasy

Fivorian’ny mpanohana

Hafatr’Atoa Ravalomanana tetsy Mahamasina

jeudi 12 février 2009

Ry Vahoaka Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Mankasitraka sy mankatelina amin’ny fitiavana hasehonareo Vahoaka nohon’ny fahatongavanareo marobe toy izao aho, izay raisiko ho fahatokisana sy fampaherezana.

Misaotra amin’ny fanohanana am-pilaminana ny fihetsika maha te hidera nasehonareo, izay tena manohana ny foko tokoa.

Misaotra fa na mikija aza ny orana tsy mahasakana anareo izany, fa raisintsika ho tso-drano. Porofo mitohoka amin’ny tendany izao, fa miray hina ny Vahoaka Malagasy, miara-mientana ny Vahoaka Malagasy, ary mifankatia ny Vahoaka Malagasy.

Manome toky anareo aho fa tsy hamela anareo irery fa hanolotra ny heriko rehetra hampisondrotra hatrany ity firenena malalantsika ity.

Manome toky anareo Vahoaka Malagasy aho fa hitandro toy ny anaka andriamaso ny làlam-panorenana, ary hanaja mandrakariva sy hanatanteraka ny andraikitra izay napetrakareo tamiko. Koa ny laharam-pahamehana sy ny zavatra maika tsy maintsy atrehana ankehitriny, ry Vahoaka Malagasy, dia ny mamerina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina, ny manarina ny simba, ary ny manome tànana ireo mpitandro ny filaminana sy ny miaramila, hamerenan’izy ireo haingana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ity renivohitra malalantsika ity.

Misaotra ry Vahoaka Malagasy nohon’ny fahatoniana izay asehontsika. Matoky ny fahendren’ny vahoaka Malagasy rehetra aho. Fianakaviambe iray ihany isika tsy anavahana na iza na iza, miteny amin’ny teny iray. Tandrovy toy ny anaka andriamaso ny Fihavanana sy ny firaisan-kinam-pirenena, ary aleo very tsikalakalambola toy izay very tsikakalampihavanana.

Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

Antananarivo faha 11 Febroary 2009

Marc RAVALOMANANA

Filohan’ny Repoblikan‘i Madagasikara

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS