Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 23 janvier 2022
Antananarivo | 12h45
 

Malagasy

Talata 10 marsa 2009

Kabarin’Andriamatoa Marc Ravalomanana, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

mercredi 11 mars 2009

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Te hitafa amin’ny Vahoaka Malagasy aho androany, hilaza aminy amin’ny fomba tena mahitsy ny zavatra mitranga eto amin’ny Firenentsika sy ny fomba ahafahantsika miroso amin’ny fampandrosoana. Tonga eo amin’ny kiondalana isika ankehitriny. Afaka manaraka ny lalan’ny korontana sy ny adilahy politika isika, na afaka manaraka ny lalan’ny firaisam-pirenena sy ny demokrasia. Amin’ny maha Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy, dia mandala hatrany ny firaisam-pirenena, ny firaisankinam-pirenena ary ny Demokrasia aho.

Tokony hitsahatra amin’izay izao krizy andalovan’ny Firenena izao. Be loatra ireo olona efa nitondra faisana. Maro ny aina nafoy, ary maro ny orinasa rava. Ny lazan’i Madagasikara mihitsy no voatohintohina. Tsy azo ekena ny fitarozahan’ny toe-draharaha. Tsy vahaolana velively ny fandrobana sy ny asa fanakorontanana. Tsy tia herisetra isika Malagasy. Tokony hifampihaino, hifampidinika, ary hifanaja isika ahafahana mamaha ny olana haingana.

Ankehitriny, fantatra eran’izao tontolo izao i Madagasikara noho ny ezaka ataony amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy noho izy nifidy ny lalan’ny fampandrosoana haingana.

Satria isika mandala ny demokrasia, dia zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana. Masina ny Lalàmpanorenana, ka tokony hohajaina. Ary mbola averiko eto indray fa efa nanao fianianana aho fa hanaja ny Lalàmpanorenana toy ny anakandriamaso.

Mitodika aminareo izay tsy mitovy hevitra amiko aho. Aoka isika samy hanaja ny Lalàmpanorenana. Io no lalàna ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Noho izany, dia mbola averiko ihany ho antsika. Aoka hitsahatra ny asa fanakorontanana. Rehefa ny Lalàmpanorenana sy ireo Andrimpanjakan’ny Repoblika no voatohintohina, dia ny demokrasia sy ny fananganana Firenena tena vanona no voatohintohina.

Mbola marefo ny demokrasia eto Madagasikara, ka tokony harovana. Tiako hanana ny maha izy azy, ka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara.

Nefa tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ny lalàna izany.

Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ahy, dia tsy maintsy mijery ny tombontsoan’ny Malagasy rehetra aho.

Ry Vahoaka Malagasy,

Holazaiko aminareo ny tena ato am-poko. Am-panetretena lehibe no anaovako izany. Tiako ho fantatrareo raha nisy tsy mety nataoko. Izay no maha olombelona, nefa soa lavo hahay hamindra. Raha misy heverinareo fahadisoana nataoko, dia raisiko ho andraikitro izany. Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara ory aminareo aho, ary tsapako ny fangirifirianareo. Tiako ny milaza aminareo fa vonona hihaino anareo aho, ary manome toky aho fa handray fepetra hitady vahaolana amin’izay zavatra itarainanareo.

Zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra nasionaly ataontsika manomboka ny Alakamisy izao, ary haharitra telo andro. Manantena isika fa hitondra vahaolana haingana amin’izao disadisa misy eto amin’ny Firenena izao izany fihaonana izany.

Mijoro aho ankehitriny amin’ny maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy. Averiko indray fa mandala hatrany ny firaisam-pirenena, ny firaisankinam-pirenena, ary ny Demokrasia aho. Hiasa miaraka isika, satria ny tanjona dia ny fampandrosoana ity Tanindrazana malalantsika ity sy ny fanatsarana ny fiainanan’ny isan-tokatrano.

Masina ny Tanindrazana !

Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra !

Nangonin’i N. R.

8 commentaires

Vos commentaires

  • 11 mars 2009 à 09:06 | hanta (#905)

    Manao ahoana Tompoko

    Misaotra anao @izay rehetra vitanao.Tsy misy tsy diso eto @inty tany inty

    koa manantena izahay, fa hanatra izao ka tokony hitodika @ny ho avy.

    Hoy ny teny frantsay : "on sait ce qu’on a mais on ne sait pas ce qu’on aura "

    Ary satria alahelo ny tsy nahazo ny an’ny sasany koa dia enganie izy ho feno kibo dia hangina

    Izahay vahoaka dia miandry mba hahafahanay miasa fa ny kabary betsaka dia aleho ho an’izay mahay mikabary. Omeo angady izahy hiasana.

    Misaotra betsaka Tompoko

  • 11 mars 2009 à 10:13 | L’essentiel (#912)

    Le pays est donc face à lui même, comme en 1973,1975,1991 etc...

    Les dirigeants en place face à leurs oeuvres comme ceux qui les ont précédé. Sauf que cette fois ci, le contexte international n’est vraiment pas favorable. Alors :
    - ceux qui veulent accéder au pouvoir, pourront-ils bénéficier d’une stabilité qui leur permettra d’oeuvrer efficacement pour que l’attente de la population ne soit pas vaine ?
    - Et puis comment regagner la confiance des bailleurs, car un changement de régime ne garantit pas de refaire les mêmes erreurs ?
    - Il n’ y a pas d’homme providentiel, le pays a besoin d’organisation claire et efficace, de femmes et des hommes prêts à relever des défis dont il faudra hiérarchiser la priorité.

    Alors bon courage, ne decevez pas la population qui a tant souffert !

  • 11 mars 2009 à 10:44 | rira (#914)

    Misaotra ny filoha Ravalomanana nanao io fanambarana io. ny manahirana anefa dia toa efa sarotra ho an-dra malagasy ny hino izay nolazainy tahaka io satria betsaka loatra ny zavatra nolazainy nefa tsy tanterahiny.
    Tsy hilaza ireo fampanantenana maro nataony isaky ny mitety an’i Madagasikara sy isaky ny alahady amin’ny tenin’ny filoham-pirenena aho fa ny hany ilazako fa tsy azo inoana intsony izay lazainy dia izao : Raha vonona hihaino sy hamaha ny krizy izy, nahoana no nilaozany nanao fitetezam-paritany ny fihaonana tamin’ny Andry Rajoelina izay notarihin’ny FFKM. Sa noheveriny fa raha tsy tonga izy dia hijanona ny grevy ?
    Manarak’izany : Raha namaky io kabariny io aho dia toa tsy feno ny fiekeny ny hadisoany. Maninona moa raha mba lazainy mazava ny hoe izao daholo ny hadisoako ka ifonako ireo ary tsy avreriko intsony. Toa tsy misy amin’io taratasy io ange ny fiekena fa diso eh !
    Manarak’izany, ho ahy raha olona tahaka an-Dravalo tsy mba olona ho afaka hiova intsony ny tahaka io fa tsara ho azy ny mametram-pialana.
    Ny fametrahana fialana dia tsy mifanohitra amin’ny fanajana ny constitution izay hajainy tahaka ny anakadriamaso.Tena fahendrena ihany koa izany amin’izao korontana izao satria mbola afaka hifidy azy ny vahoaka amin’ny fifidiana manaraka raha tena mamy hoditra amin’ny vahoaka izy.
    Ny filazako izany akory tsy midika fa fikena fa olona tahaka an’i Andry no hahatondra an’i Madagasikara.Na izao ary izy efa mandà sahady ny fifampanantonana hatao ny 12-14 Mars izao ? Efa manambara zavatra io.

  • 11 mars 2009 à 11:05 | Momba kitay (#678)

    Atoa fiolohan’ny Nosy, ity ny anjara birikiko avy aty antanin’olona. Izaho dia zanak’ilay technicien en laiterie izay nampianatra ny mpanao ronononao tany Manjakandriana fahizany. Dr an’ny vazaha marary saina aho (PH psy) ary tsy manao politika. Mpandray anjara @ fiangonana eto Paris.
    Ny tantaran’i Mpanjaka Saül (mpanjaka voalohany teo @’i Israëly) no tiako hisarihana ny eritreritrao. Tsy nanaraka antsakany sy andavany izay toromariky ny Mpitsara (juge) Samoela izy, ka nitarika an’And/tra hanendry sahady an’i Davida ho Mpanjaka.
    Maninona moa raha ampiharina ny fanontanian’i J.K. t@’ilay Rangahy hoe "amidio ny fanananao rehetra dia andeha hanaraka ahy".
    Izaho tsy milaza toa an’izany, fa kosa tokoa "mi-lacher du LEST" goavana ary MIARAKA @ VAVA ianao raha mbola tianao hitohy ny fitondranao.
    Mamarana @’ny tantaran’ilay mpaminany izay nandrovitra ny fitafiany ho potiny 12 ka nampisafidy an’i Salomona ny potiny 2 fotsiny.
    Mahatsampa aho fa ny "fofon’ny pétrole" no efa injao mihanaka sahady any Madagasika. Enga anie ka mba tsy POTIKA hizarazara eo @’ny andro fitondranao i Madagasikara Malalantsika.
    Tokony tsy manao avonavona SURMOÏQUE (ray aman-dreny ééé, filoha faratampony ééé, mégalomanique, arogant) ka tokony mihaino ny fahavalonao satria mitondra ny feo ny vahoka maro koa izy, ary maro ny "identification" na mampitovy, ataon’ny olona aminy.
    Raha tsy izany dia ampirimo ny entana dieny mbola misy azo ampirimina.
    Miala tsiny.

  • 11 mars 2009 à 12:21 | bema (#882)

    mety aminao ry marc ravalo no miala , tsy misy hatoky anao intsony eto , mandehana any afrika atsimo fa ampy zay , zay anisan’ny nilahatra nametraka anao teo , nanantena , nino , saingy zao ve no valiny , mipetraha eo am ireo fianakavina olona maty , migadra , mijaly nohon’ny tombontsoanao , ra vo nanomboka manko ny krizy no niaiky toy izao enao , navelanay nandeha ampilaminana nandany ny milliard ny gasy ,ataovy anatra zao hoa nzay rehetra mihezvitra FA VOLA VONINAHITRA TSY AHATONGA ANAO ANY MOSAULE FA NY HAVANAO NO HILANJA ANAO ANY AMPASANA

    • 11 mars 2009 à 15:19 | fandresena (#299) répond à bema

      Midera ny fanetren-tena nananao andriamatoa Filoha hajaina. henona’Andriamanitra ny fifonanao ary izahay rehetra dia samy mivavaka anao isan’andro isan’alina sy ny tanindrazana malala. Ianao Andriamtoa Filoha no filoham-pirenena Malaagasy voalohany nifona tam mpiray tanindrazana aminao . Nifona ianao na dia be dia be aza ny soa vitanao tam Tanindrazana.Ianao no Filoha faharoa eran-tany manaraka an’Barack Obama niaiky fahadisoana . aza kivy fa Barack Obama aza vao iray volana dia efa nanao tsy nety ianao efa am mandat nao faharoa.Ary matokia fa HIADY HO ANAO JESOA KRISTY na dia tapitra hiala aza ny miaramila . haneho ny voninahiny nyTOMPO tahaka ny tam 2002.Aza miala fa aina ni fetra RAVALO o.
      Ary nahoana moa raha dia lazaina tsotra am kabarinao fa ny frantsay no te- hiverina hanjanaka ka manao izay hampiady an-trano antsika ?

    • 11 mars 2009 à 16:49 | bema (#882) répond à fandresena

      tsy kilalao akory ny mitondra vahoka ry fandresena , marina ny lazianao , fa niaiky ny heloka vitany izy , zany hoe izy daholo zany no namono ny olona sy nampijaly ny vahoka , nisy ny vitany fa ny nangalariny ko mbola avo 1000 eny , tsy ho afaka amin dravalo ny alahelon’ reo gasy nampiakatra azy teo nefa nohitsahiny antampon’ny loha , soa fa nisy ny frantsay , na mitady anjanaka aza izy ze tadiavin,y tsy maninona fa aleo ho tapaka any ravalo aloha ,VOLA VOLA IHANY

    • 11 mars 2009 à 23:46 | Maeva (#944) répond à bema

      "S´il est possible, autant que cela dépend de vous, soyez en paix avec tous les hommes’(Romains12:18)

      "Si nous disons que nous n´avons pas de pecché, nous nous séduisons nous-même(1Jean1:8)

      l´aveu d´une faute est un puissant outil de réconciliation

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS