Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Krizy politika sy Tafika malagasy

Fanambarana avy amin’ny mpitandron’ny filaminana

mercredi 11 mars 2009

Eo anoloan’ny olana lalina mahazo ny firenena izao, izahay foloalondahy (miaramila zandary ary polisim-pirenena) dia manao izao fanambarana izao :

  • Mba hiarovana ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena ;
  • Mba hiarovana ny maha iray ny foloalindahy dia :

1. Manamafy ny fanajana tanteraka ny soatoavina demokratika sy repoblikana eo amin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fankatoavana tanteraka ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana manan-kery.

2. Manameloka tanteraka ny fanapotehana ny fiharin-karena, ny fiaraha-monina ary ny firaisan-kinan’ny foloalindahy noho ny olana ara-politika misy eto amin’ny tanindrazana

3. Atsahatra tanteraka ireo fiantsiana sy hetsila politika ary fanaovana amboletra miteraka korontana.

Koa noho izany :

Manome toky izahay fa tsy hiandany atsy na aroa ary manainga am-panajana ireo tomponandraikitra politika, ny hery politika rehetra, ny fiarahamonim-pirenena ary ny solontenan’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena, hihaona tsy misy hatak’andro hifanaraka ary hitondra vahaolana ao anatin’ny 72 ora andro, ivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao.

Raha toa ka tsy misy vahaolana ao anatin’io fe-potoana io dia :

Handray ny andraikitray izahay foloalindahy amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana ho fitandrona ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena

Androany faha 10 marsa 2009

2 commentaires

Vos commentaires

  • 11 mars 2009 à 20:19 | rmv_017 (#937)

    Ankinina tanteraka @Tompo ny fiainam-pirenena fa mampalaelo lotra fa dia ny samy gasy no miady.Manome hery ny maita fa miray hina ny mpitandro filaminana ary enganie tsy ho voarebirebin’ny resaka politika izy ireo fa anao ny asany ka hiaro ny vahoaka.

    • 12 mars 2009 à 00:29 | jonas (#185) répond à rmv_017

      Aza mandray teny tsotra fotsiny hotr izany fa tsy hay zay kobonin ny sasany ao. Tsotra loatra isika Malagasy ka ahodokodin ny mpanao politika matetika fa tsy hoe tsy fitiavana Rakoto na Rabe akory.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS