Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 12 août 2022
Antananarivo | 16h02
 

Malagasy

Marc Ravalomanana, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Firariantsoa ho fandraisana ny Taona 2009

vendredi 2 janvier 2009

Ry Malagasy mpiray
Tanindrazana,

Nivalona tanteraka ny
faha- 366 andron’iny taona
2008 iny. Tafitasoa ny taona
isika mianakavy, ka dia misaotra
an’Andriamanitra.

Arahaba tratry ny farany ry
Vahoaka Malagasy sy ianareo
Malagasy monina sy
miely patrana manerana izao
tontolo izao, tsy adinoko
ihany koa ianareo vahiny
miara-monina aminay eto
Madagasikara.

Amim-piravoravoana sy
am-pifaliana feno fanantenana
no handraisantsika ny
taona 2009. Koa dia arahaba
tratry ny taona.

Enga anie it ? taona vaovao
ity hitondra fahasalamana,
fahombiazana, ary fahasoavana
ho antsika mianakavy
tsirairay avy, ary
enga anie ho taona hanehoantsika
ny hambopom-pirenena
maha Malagasy ity
taona 2009 ity.

Taonan’ny « action » na
taonan’ ny asa no nanamarihantsika
iny taona 2008
iny. taona nitondra fanovana
betsaka sy fampandrosoana
tamin ny lafiny maro iny
taona lasa iny.
Tratra ireo fanamby izay
napetrak. Faly aho.
Misaotra ry vahoaka
Malagasy.

Tsy amim-pihambahambàna
no ilazako fa
taom-pahombiazana tanteraka
iny taona 2008 iny.
Nentanintsika ny olona
nandritra ny 51 herinandro,
novoriantsika ny enti-manana,
nampiasaintsika ny fahaizana
sy ny talenta, nanaovana
asa fampandrosoana
sy fanavaozana goavana
teto amin’ny Firenena.
Afaka mirehareha isika
mianakavy satria mahafehy
tsara ny fampandrosoana an
i Madagasikara isika ankehitriny.

Mankasitraka, misaotra
ireo rehetra nandray anjara,
nitoto nahafotsy nahandro
nahamasaka. Faly aho fa
tena mandray andraikitra sy
mandray an-tanana ny familiana
ny fampandrosoana
an’i Madagasikara isika
Malagasy ankehitriny.
Izao tontolo izao mihitsy
no gaga amin’ny fananantsika
ny MAP. Tsapako izany
nandritra ireo fitsidihana 13
natao tany amin’ ireo firenen-
kafa nandritra izay 12
volana izay.

Gaga sy talanjona izy
ireo amin’ny paikady sy ny
soridalan’ny MAP : tsotra,
mazava, ahafahantsika manao
dingana lehibe tsara
sady mahomby amin’ny
fampandrosoana haingana
sy maharitra ny firenentsika.
Fanambin’ny Teny ifanomezana
voalohany ny fanamafisana
ny Fanjakana tandalàna,
ny fampihenana ny
kolikoly, ary ny fanajàna hatrany
ny zon’ olombelona.
Ary dia hapetratsika ny
lalàna hohajain’ny olona rehetra,
satria tsy misy olona
ambonin’ny lalàna.

Ny tanjona dia ny hanamafisana
orina hatrany ny
demokrasia eto
Madagasikara hampindrandalana
ny fampandrosoana
sy ny ara-politika, ao anatin’ny
fitsipi-pifehezana sy
ny fifanajàna tanteraka.
Betsaka ireo fotodrafitrasa
vita nandritra iny taona
2008 iny tao amin’ny
Ministeran’ny Fitsarana. Toy
ny lapan’ ny Fitsarana
Tampony ao Anosy, vita
ihany koa ny lapan’ ny
Fitsarana Ambony any
Antsiranana, Ambovombe,
sy ny sisa, mba ahatonga ny
fitsarana itokisan’ny vahoaka
amin’ ny asa sahaniny.

Kitro ifaharan’ ny fampandrosoana
ihany koa ny
fandriampahalemana, ka dia
nomena toerana manokana
ao anatin’ ny fanamby voalohany
ny fametrahana fandriampahalemana
sahaza,
miaro ny olona sy ny fananany.
Tao aorian’ny fivorian’ny
Filankevitra ambony momba
ny Fiarovam-pirenena, sambany
nisy teto amin’ny tantaran’
ny firenena, dia ezaka
lehibe no vita tamin’ny fampitambarana
ny
Zandarimariam-pirenena,
ny Polisim-pirenena, sy ny
“Coast guard” ao anaty departemanta
iray. Tao koa ny
fampiofanana ireo mpitandro
ny filaminana. Marihiko
anefa fa mbola mijanona
amin’ny sata maha miaramila
azy ihany ny zandary.
Matoky isika fa afaka
hampitombo ny vokatra vokariny
amin’izay ny tantsaha
maroanisa.

Maro ireo lalam-pirenena
vita tamin’iny taona
2008, tsy ela akory no notokanana
ny lalam-pirenena
faha enina mampitohy an’
Antananarivo
amin’Antsiranana, izay vita
16 ora ankehitriny raha herinandro
izany teo aloha.
Toy izany koa ny lalampirenena
faharoa mankany
Toamasina, sy ny lalam-pirenena
fahafito mankany
Antsirabe izay nohamafisina
sy nohavaozina tanteraka.
Vita tara (goudron) ihany
koa ny lalana Ambositra,
Vo h i p a r a r a , I r o n d r o
Mananjary, Manakara,
Farafangana. Tsy ela dia ho
v i t a M i a n d r i v a z o -
Malaimbandy.

Ireo tetezana 54 avy eo
Soanierana Ivongo mankany
Mananara sy Maroantsetra,
miandry ny fanokanana azy.
Ary ilay tetezana mitsingevana
mankany Foulpointe
efa voasolo tetezam- by ankehitriny.
Tsy adino ireo lalana ambanivohitra
ny « route, communale/
régionale », izay vokatry
ny fiaraha-miasa akaiky
amin’ny vondrom-bahoaka
itsinjaram-pahefana sy ny
Fanjakana foibe ary ny mpamatsy
vola. Izay indrindra
no nananganantsika ny FDL,
na ny « Fonds de
Développement local ».

Raha fintinina, dia mihoatra
ny fiton-jato sy enina
arivo Km (6700 km) no vitantsika
tamin’iny taon-dasa
iny. Ary tsy ho ela dia hanomboka
ihany koa ny fanamboarana
ny lalana mampitohy
an’ Antananarivo,
Ihosy , Taolagnaro,
Ambohimahasoa-Sahave,
Antsohihy-Analalava, ary
Ambilobe sy Vohémar.
Nisongadina ihany koa
nandritra iny taona lasa iny
ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa
toy ny seranampiaramanidina
eny Ivato sy
Antsirabe ary Antsohihy.
Teo koa ny fahavitan’ ny
fotodrafitrasa maro tamin’ireo
tanàna telo lehibe :
Nosy - Be , Antsirabe ,
Taolagnaro. Fiaraha-miasa
miaraka amin’ny tetikasa PIC
izany. Vita ilay seranantsambo
goavana aty amin’ny
Ranomasimbe Indiana ao
Ehoala. Lasa tanàna mahafinaritra
sy mahasarika mpizaha
tany izy ireo.

Vokatr’izany, dia tanora
maro amin’ ireo faritra ireo
no nahazo asa. Mba ho toy
izany daholo anie ireo
tanàna amin’ ny faritra hafa.
Mitombo izaitsizy ny fananganana
trano fandraisambahiny.
Ny fahavitan’ ny fotodrafitrasa
tahaka ny “Centre de
Conférences internationales”,
dia zavatra iray manamarina
ny fifampitokisana
sy ny fahamatoran’ny fiaraha-
miasa amin’ ireo firenena
mpiray ombonantoka
amintsika.

Maro ireo foibe mpamokatra
herinaratra izay notokanana
tamin’iny taona iny
 : Mandroseza, Antsiranana,
Toamasina, Sahanivotry-
Antsirabe. Fantatro fa mbola
be ny ezaka hatao amin’ io
sehatra io.

Handray ny Fivoriambe
antampon’ny Vondrona
Afrikana isika amin’ity tapak’ity
taona 2009 ity.
Mitaky fiomanana sy fiarahamiasa
ihany koa izany.

« Cisco » 20 no nisantarantsika
ny fanavaozana ny
rafi-panabeazana eto
Madagasikara. Paikady voahevitra
lalina sady mahomby
no hitondrantsika izany.
Tafaverina soa amantsara
ihany koa ireo zanantsika
nalefa nianatra tany Abilene,
Texas.

Eo amin ny sehatry ny
toekarena, nahatratra 7,1%
ny fitombon’ ny harinkarena
raha 6% izany tamin’ ny
2007.

Niakatra 20% ny tahiry
vola ivelan’ i Madagasikara.
Manodidina ny Arivo tapitrisa
dolara izany ankehitriny.
Ary nahafahan’ ny
Banky Foibe nampidina ny
sanda fototra ho 10% raha
12% izany teo aloha.
Hitsangana tsy ho ela ilay
Banky Malagasy BMCD, fiaraha
miasa amin-dry zareo
Alema, ny KFW.

Tanjona ny hanamorana
ny famatsiambolan’ireo orinasa
madinika sy salasalany.
Mipetraka ny fifampatokisana
satria mazava ny soridalan’
i Madagasikara, indrindra
taorian’ ny fihaonana
an-databatra boribory tamin’
ny volana Jona sy ny loabary
andasy tamin’ ny Novambra.
Mino sy matoky antsika
tanteraka ireo mpamatsy
vola , na ireo teo aloha, na
ireo vaovao. Mazava tsara
amin’izy ireo ny zavatra
ilaintsika amin’ ny fampandrosoana
an’i Madagasikara
amin’ ny alalan’ ny MAP.

Manaporofo izany koa
ny fitsidihan’ ny Tale jeneralin’
ny UNICEF teto amintsika
izay nankasitraka ny fananganana
ny Ministeran’ny
Rano.

Nitombo 97% ny fanampian’
ny Vondrona Eropeana
teo anelanelan’ny taona
2002 sy 2008 ka nahatratra
528 tapitrisa Euros.
Nitombo 85% kosa ny
an‘ny Banky
Iraisampirenena. Lasa 260
tapitrisa dolara isantaona
izany raha 145 tapitrisa dolara
teo aloha. Toy izany koa
ny an’ ny BAD, ny BADEA,
sy ireo mpamatsy vola hafa.
Koa dia misaotra ry
Vahoaka Malagasy fa niasa
isika, niasa tsara, niasa mafy,
niasa niaraka. Singaniko manokana
amin’izany ireo
mpiasambahoaka sy ny any
amin’ny Sehatra tsy miankina.
Satriko dia satriko ny hanao
dingana lehibe hankasitrahana
anareo.

Na izany aza anefa dia
hanao ezaka isika mba hanondrotana
10% ny karaman’ny
mpiasambahoaka
manomboka izao volana janoary
izao.

Ho taom-pahasoavana
anie ity taona ity, ho taona
zina ho antsika rehetra.
Eto am-pamaranana dia
mamerina ny arahaba sy ny
firariant soa ho antsika
isan-tokantranoaho.

Homba antsika mandrakariva
anie Andriamanitra.

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS