Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 07h09
 

Malagasy

Ambodiafontsy

Namono olona ny fiaran’i Lôla

lundi 29 décembre 2008 | R. C.

Nandona tovolahy 17 taona teny Ambodiafontsy ny fiara nentin’i Lôla, mpihira malaza, omaly hariva tamin’ny efatra ora tany ho any. Maty noho izany ilay zazalahy, rehefa avy nialàna nenina teny amin’ny Urgences, Hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Somebiseby avokoa ny rehetra. Na ny mpandona na ny fianakavian’ilay namoy ny ainy. Na izany aza dia nandray ny anjara tandrify azy tamin’ny fikarakarana rehetra i Lôla. Hita ho nIaky ny hanao raharaham-pihavanana izy (na règlement à l’amiable). Nefa moa ny voina tsy misy fahavoazan’olona ihany mazàna no azo anaovana izany na « accident matériel », araka ny lalàna. Ny voina misy fahavoazan’olona kosa dia miankina amin’ny andaniny sy ankilany. Ho hita eo ny tohiny.

Niahotra

Araka ny filazan’ny vavolombelona sasany dia toa « niahotra ilay tovolahy teo afovoan’ny arabe rehefa nahita ny fiara tamy ». « Sady toa hoe tsy nihemotra izy no tsy nandroso ihany koa », hany ka voafaokan’ny fiara. Ito farany moa, araka ny voalaza ihany, dia nizotra tamin’ny hafainganam- pandeha tsy voafaritra, na mafy na mora. Iny làlana iny rahateo sady mahitsy no lavalava. Efa tokony ho nampodiana tany an- tranony ny razana omaly alina, rehefa vita ny fikarakarana natao azy teny amin’ny hôpitaly.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS