Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
CSM « Centre Sembana Mijoro »
lundi 17 décembre 2007 |
Hery A.
| 353 visites
Hankalaza ny faha 5 taona nisiany ny fikambanana « Sembana mijoro » amin’ny taona 2008 ka alohan’izany dia nanomana hetsika hiarahany amin’ny « fonds Canadien d’initiatives locales» entina hanampiana ireo olona sembana ao anatin’ny fikambanana. Hisy ny fanofanana ireo vehivavy sembana any Antsiranana manomboka amin’ny faha 17 desambra, ho an’ny Toamasina amin’ny faha 7 janoary 2008 ary any Toliary amin’ny 4 febroary. Aorian’izay dia hanangana tetik’asa ireo vehivavy sembana ka hotolorana loka arakaraka (...)
-
PDS teo aloha
Tao amin’ny Radio tsy miankina iray omaly no nanazavan’ny PDSn’ny faritanin’Antananarivo teo aloha, ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand, ny heviny manoloana ny fisamborana ireo olona manao fanamiana mitovy amin’ny miaramila. « Tsy tokony hosamborina na hampiharana herisetra izy ireny », hoy ny tenany, « fa ny fitsipika mampiavaka ny tena an’ny mpitandro ny filaminana no apetraka. Aoka hiavaka tsara ny an’ny zandary, miaramila, polisy ary ny mpiandry fonja. Tsy ny fanamborana ireny fitafiana ireny (...)
-
Antanimasaka Marovoay
Nanjakan’ny hosoka tanteraka ny fifidianana natao tany amin’ny distrikan’i Marovoay kaominina Antanimasaka ny 12 desambra lasa teo. Raha ny vaovao voaray, dia maro ireo olona nalefa nifidy no tsy mitovy amin’ny sonia ao anaty karapanondro no voasonia ao anaty lisi-pifidianana. hita fa olona mahay manoratra no nasaina nanao sonia amin’ny lavotondro, ary tsy mponina ao an-toerana no nalefa nifidy tamin’ny fokontany iray. Tao amin’ny fokontany Ampijoroa izay toerana nitoeran’ny kandida iray no tena (...)
-
Fikambanan-jiolahy sy fitanana basy
samedi 15 décembre 2007 |
Nivo T. A.
| 415 visites
Fikambanan-jiolahy, halatra, fitanana basy tsy ara-dalàna, fanaovana hosoka: izany no raharaha niampangana polisy iray sy olona efatra hafa, izay notsaraina omaly tetsy amin’ny Tribonalin’Anosy.
Naharitra ora dimy teo ho eo ny fitsarana ity raharaha ady heloka bevava ity. Rambeloniaina Abraham Cléo, Razafinindriana Florentine, Ramilamana Joelson: ireo no voampanga tamin’ity raharaha ity. I Ravololomihanta Tiana sy Rakotoarisoa Richard kosa dia nohafahan’ny fitsarana.
Rtoa Florentine no (...)
-
Fikambanana « orchidophilie »
samedi 15 décembre 2007 |
Hery A.
| 875 visites
Nanomboka tamin’ny volana febroary 2002 no nanao fikarohana sy fitsirihana ny tontolon’ny voninkazo «orchidée» eto Madagasikara ny iraky ny fikambanana « société française d’orchidophilie Poitou-Charente et vendée», fikambanana mpikirakira ny «orchidée» maneran-tany. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia nambaran’ireto manam-pahaizana fa ilàna fijery vaovao ny mahakasika ity voninkazo ity izay zary potiky ny «tavy» sy doro ala izay mitahiry ireny harena voajanahary ireny. Tamin’ity fandalovany ity, (...)
-
Manjaka ny baranahiny
Sempotra tanteraka ny mponina eto Antananarivo. Taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna dia manjaka tanteraka ny baranahiny ka samy manao izay saim-patany ny olona. Na eo aza ny didy aman-dalàna mandrara ny fivarotana amin’ny arabe sy ny toerana tsy natokana ho an’izany dia tsy te hahalala ny an-kamaroan’ireo mpivarotra madinika fa dia eo am-povoan’ny lalana izireo no mamelatra ny entany. Tsentsina tanteraka ny ao Analakely sy Behoririka ka mitohana ny fifamoivoizana. Mifanjevo ny mpiantsena, ny (...)
-
Behenjy
vendredi 14 décembre 2007 |
Nivo T. A.
| 574 visites
Tamin’ny volana marsa 2007 no nisy nangalatra teto an-drenivohitra ity fiara 4x4 an’ny karana iray ary izao vao hita. Tany Behenjy no tratran’ny zandary avy ao amin’ny BSR (Brigade de Sécurité Routière) - Ambatolampy ilay fiara 4x4, andro vitsy lasa izay. Araka ny vaovao azonay dia avy nampiasaina tamin’ny fampielezan-kevitra ity fiara halatra ity. Sendra nandalo tany Behenjy moa ilay karana tompon’ny fiara no nahita ilay 4x4 efa niova loko sy nomerao. Nisy marika nahafantaran’ilay tomponyilay (...)
-
Razakarimanana Ferdinand
vendredi 14 décembre 2007 |
Penjy R.
| 618 visites
« Diso ny resaka mandeha manambara fa leo politika ny vahoaka malagasy raha raisina ohatra ny fihazakazahan’ny maro naneho ny safidiny ny alarobia 12 desambra teo. Tsy mana-tsafidy izy ka dia aleony mangina kanefa sendra ny olona heverina fa ahavaha ny olana mianjady aminy izy ireo ka iny nirohotra nandatsa-bato ho an’i Andry TGV iny ». Io no nambaran’ny PDS teo aloha teto amin’ny faritra Analamanga Razakarimanana Ferdinand, ary notsindriany fa fanairana ho an’ny fanjakana iny, tsy handidy (...)
-
Moxe Ramandimbilahitra
vendredi 14 décembre 2007 |
Naivo kely
| 639 visites
Fahavalom-pirenena izay mihevitra fa hanao sakana amin’ny olona vonona hampandroso ny firenena, ary efa nanambara ingahy ben’ny tanàna vaovao fa vonona ny hiara-miasa amin’ny fanjakana ka tsy hita izay hakana fahavalo ny olona toy izany. « Aleo hiasa ny tanora, satria ny filoha Ravalomanana efa nanambara fa ben’ny tanana hanompo vahoaka no ilaina fa tsy ho tompoina ». Io no nambaran’ny mpanolotsaina politikan’nyfiloham-pirenena, Moxe Ramandimbilahitra manoloana ny fahalanian’ny ben’ny tanàna vaovao (...)
-
Tanànan’Antananarivo
vendredi 14 décembre 2007 |
Hery A.
| 855 visites
Miandry ny afitsoky ny ben’ny tanàna vaovao atoa Andry Rajoelina ny vahoakan’Antananarivo na dia mbola tsy nivoaka ofisialy aza ny vokatra izay nahazoany salan’isa mihoatra ny 60% tamin’ny fifidianana ny faha 12 desambra teo. Ny azo antoka aloha dia tsy ho afaka hanao na inona na inona ny tenany raha tsy tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ka midika izany fa ho fiainana teteza-mita no hiainan’ny mponin’Antananarivo mandritra ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona. Efa manao izay saim-pantany tokoa (...)
-
Fanafihan-jiolahy teny Itaosy
Jiolahy miisa 12 nirongo fiadiana no nanafika toeram-pivarotana efatra teny Itaosy, afak’omaly, tamin’ny 7 ora sy sasany.
Mpivarotra enta-madinina telo ary mpivarotra zava-pisotro mahamamo iray no novangian’ireo jiolahy tao anatin’ny fotoana fohy monja. Mbola nivoha avokoa ireo mpivarotra tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any ka notetezin’ireo mpanafika. Araka ny vaovao azonay avy eny an-toerana, dia nandeha scooter ny lehilahy telo ary ny sivy kosa nandeha tamin’ny fiara 4x4. Voalaza fa nirongo (...)
-
Tsiadana
Niteraka resabe tato anatin’ny andro vitsivitsy ny fisian’ny kandidà iray izay voalaza fa mividy ny safidim-bahoaka.
Afak’omaly alina dia vehivavy iray no trà-tehaky ny filoham-pokontany nanangona kara-pifidianana sy kara-panondro teny Tsiadana. Araka ny vaovao azonay dia niezaka nandresy lahatra ny olona izy mba hifidy kandidà iray, na dia efa tapitra aza ny fampieleza-kevitra tamin’izay fotoana izay. Nilaza tamin’ireo olona izy fa omena vary sy vola izay mandrotsaka vato ho an’ny kandidà iray. (...)
-
Akom-pifidianana : Anosizato Andrefana
jeudi 13 décembre 2007 |
Hery A.
| 411 visites
Ny kaominina Anosizato andrefana no niavaka indrindra izay nahitana kandida miisa 3, samy vehivavy avokoa dia i Ramatoa Rabehaja Hanta sy ramatoa Laurence ary i Mama. Miisa 8 ny biraom-pifidianana ka ny 4 dia teny amin’ny EPP Anosizato andrefana, ary ny 4 teny amin’ny sekoly katolika Anosizato Andrefana. Tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana dia nidina ny herin’aratra ka tsy nahazaka ny jiro, ary voatery nampiasa labozia. Vokany dia tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any no (...)
-
Hery Rafalimanana
Valo volana nisedrana ny tontolo fitantanana ny tanàna ny PDS Hery Rafalimanana izay niarahan'ny rehetra nahita ny fomba fiasany, ka nampiaiky ny maro raha ny asa vitany no jerena. Valo volana ihany koa nisedrana ny tontolo Politika, ary isan'ny nitsaran'ny maro azy iny omaly iny. Tsy mbola ofisialy ny vokatra saingy azo hitarafana ny kibay ho valin'ireo asa natao iny latsa-bato iny. Tsy Hery Rafalimanana no tsy mendrika, fa ny politika ankapoben'ny fanjakana no misy tokony ahitsy ka zary (...)
-
Tsena an-katoky ny fety
mardi 11 décembre 2007 |
Hery A.
| 493 visites
Dia mbola mikaikaika hatrany ireo mpivarotra ara-dalàna eto an-drenivohitra satria vao mainka miroborobo ny entana havoakan’ireo mpivarotra sinoa ho an’ny mpivarotra amoron-dàlana. Amin’izao voalohany izao dia tsy mahamenatra ireo mpivarotra amoron-dàlana ny manombana ny vidin’entana amin’ny vidiny avo sasaka mihoatra amin’ny eny amin’ny magazay sinoa, saingy rehefa atao ny ady varotra dia azo amin’ny antsasa-bidy ny entana. Ny kalitao aloha tsy dia tsara loatra ka mahatonga ny vidiny ho mora.
Ny (...)
-
Kaominina Ankaraobato
Nitorajofo ny kianja Bulldozer eny Ankadinandriana, kominina Ankaraobato, omaly tolakandro.
Nifamotoana tamin’ny vahoaka mpanohana azy ny ben’ny tanàna am-perin’asa sady kandidà amin’ny fifidianana ny 12 desambra ho avy izao, Atoa Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime. Nambaran’Atoa Guy Maxime ny fahavononany hanohy ny asa efa vita nandritra ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ankaraobato. 85%-n’ny programan’asa no vita, hoy izy, ary amin’ny efa-taona manaraka dia hampitomboina avo telo heny ny ezaka (...)
-
Fampielezan-kevitra
lundi 10 décembre 2007 |
Hery A.
| 571 visites
Nitorajofo i Mahamasina tamin’ny sabotsy tontolo andro teo, nandritra ny hetsika lehibe nokarakarain’ny mpanohana ny kandida natolotry ny TIM Hery Rafalimanana. Matihanina ny fikarakarana ny fampisehoana sy ny artista nanohana ny kandida, saingy na dia izany aza dia noporofoin’ireo vahoaka nameno ny kianjaben’ny Mahamasina fa ny fandaharan’asan’ny kandida no nandrasany. Taorian’ny kabarin’ny kandida tokoa dia niparitaka ireo vahoaka na dia mbola teo aza ireo artista malaza eto amin’ny tanàna, (...)
-
EKAR Andohalo
Toy ny nataony teny amin’ny fiangonana Katolika Ambohimitsimbina sy Ambatomitsangana dia namaly ny antson’ny fiangonana, nandritra ny fankalazana ny fetin’i Masina Maria, mpiaro ny Katedralin’Andohalo, ny minisitry ny raharaham-bahiny Marcel Ranjeva. Nanolotra seza telo ho fanaka masina manoloana ny hotely hipetrahan’ny mompera sy ny mpanampy azy izy na dia tsy eto an-tanindrazana aza fa mamita iraka any ivelany, noho izy mahatsiaro ho zanaky ny fiangonana. Ireo fiangonana telo manan-tantara (...)
-
Morondava : kandida ben’nytanàna
Mafotaka ny fampilezan-kevitra saiky amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany dia misy ny fifanenjehana samihafa ataon’ny kandidà sy ny mpifaninana aminy. Tsy ferana ihany koa ny fisian’ny fitoriana samihafa atao amin’ny kandidà noho ny raharaha izay heverina hanampaingorana azy.
Anisan’ny voarohirohy amin’ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana ny ben’ny tanànan’i Morondava. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia nahazo didy fakàna am-batana (Ordonnance (...)
-
Taratasy misokatra
samedi 8 décembre 2007
| 545 visites
« Raha ny fijery ireo mpifaninana ho Ben'ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra no atao indray mitopy maso ankehitrio dia mahalasa saina. Toa tena vola be sy fitaovana goavana (fiara, mpanakanto, petadrindrina isankarazany... dokambarotra tsy misy farany amin'ny fampielezampeo-pirenena sy tsy miankina sy haino aman-jery). Tena toerana isan'izay lehibe mihitsy mantsy izao toerana Ben'ny tanàna eto an-drenivohitra izao. Ary raha toa hita mirotsaka amin'izao fampielezankevitra izao ny (...)