Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 20h17
 

Malagasy

Tsiadana

Trà-tehaka ilay vehivavy nividy safidim-bahoaka

jeudi 13 décembre 2007 | Nivo T. A.

Niteraka resabe tato anatin’ny andro vitsivitsy ny fisian’ny kandidà iray izay voalaza fa mividy ny safidim-bahoaka.

Afak’omaly alina dia vehivavy iray no trà-tehaky ny filoham-pokontany nanangona kara-pifidianana sy kara-panondro teny Tsiadana. Araka ny vaovao azonay dia niezaka nandresy lahatra ny olona izy mba hifidy kandidà iray, na dia efa tapitra aza ny fampieleza-kevitra tamin’izay fotoana izay.
Nilaza tamin’ireo olona izy fa omena vary sy vola izay mandrotsaka vato ho an’ny kandidà iray. Mazava ho azy moa fa tsy maintsy mitondra porofo ireo olona mandatsa-bato ka amin’ny alalan’ny taim-bato.

Tratran’ny filoham-pokontany moa izy ary ilay filoham-pokontany indray avy eo no nilaza tamin’ny polisy . Tonga teny an-toerana moa ny polisy nanao ny fanadihadiana. Mbola tratra tany amin’ilay vehivavy ny kara-pifidianana miisa 70 sy kara-panondro miisa 54. Hita tao an-tranony ihany koa ny vary iray gony sy kaskety marobe misy ny logon’ny antoko iray. Efa naverina tamin’ny tompony moa ireo kara-pifidianana. Ilay ramatoa kosa notanan’ny mpitandro filaminana ao amin’ny EMMO/FAR izay mandray an-tanana ny fanadihadiana azy. Niaiky moa ilay vehivavy fa nikasa hampifidy ny safidim-bahoaka. Nanamafy kosa izy fa nirahina ary nokaramaina hanao izany.

Nikorontana teny Manakambahiny

Mbola mifandraika amin’izay ihany dia fantatra fa valopy miisa 13 no nahitana vaton’ny kandidà TIM teny Manakambahiny, tao amin’ny birao ,fandatsaham-bato faha-45, omaly tamin’ny 10 ora maraina tany ho any. Vehivavy iray nandatsa-bato no nahatsikaritra vato tao amin’ilay valopy ary nilaza tamin’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato. Naka valopy hafa izy ary mbola nahitana vato ihany koa. Nony nosavaina moa ireo valopy hafa dia 13 no tratra nisy izany vaton’ny TIM izany.

Voatery nahato nandritra ny fotoana fohy mihitsy aloha ny fandatsaham-bato noho izany toe-javatra izany. Nikorontana ny olona indrindra fa ny delegen’ny kandidà hafa. Tamin’izany fotoana izany indrindra no nandalo ny kandidà Marc Ramiarinjatovo ka nandray andraikitra.

Efa nanaovana fitanana an-tsoratra moa izany toe-javatra izany ary nitohy ny fandatsaham-bato avy eo. Nilamina ihany ny raharaha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS