Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h06
 

Malagasy

Morondava : kandida ben’nytanàna

Hiakatra fitsarana amin’ny 11 desambra

samedi 8 décembre 2007 | Nivo T. A.

Mafotaka ny fampilezan-kevitra saiky amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany dia misy ny fifanenjehana samihafa ataon’ny kandidà sy ny mpifaninana aminy. Tsy ferana ihany koa ny fisian’ny fitoriana samihafa atao amin’ny kandidà noho ny raharaha izay heverina hanampaingorana azy.

Anisan’ny voarohirohy amin’ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana ny ben’ny tanànan’i Morondava. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia nahazo didy fakàna am-batana (Ordonnance de Prise de Corps) ity ben’ny tanàna am-perin’asa, izay sady kandidà ben-ny tanàna amin’ny fifidianana ny 12 desambra ho avy izao.

Araka ny didy navoakan’ny fitsarana any an-toerana dia amin’ny 11 desambra ho avy izao no hiakatra fitsarana ity ben’ny tanàna ity, izany hoe indray andro mialohan’ny fifidianana.

Eo an-danin’izany moa dia mbola mizotra araka ny tokony ho izy ny fampielezan-kevitra ao an-tampon-tanànan’i Morondava. Samy manao izay ho afany ny mpomba ny kandidà tsirairay amin’ny fandresen-dahatra ny vahoaka. Araka ny vaovao azo avy an-toerana dia misy ireo mpanohana ny kandidà sasany izay mihoa-pefy ka mandrovitra ny peta-drindrina ny hafa, na manaratsy sy miantsy ady amin’ny mpifaninana sasany.

Ny solotenan’ny CNE (Filan-kevi-pirenena momba ny fifidianana) any an-toerana moa dia efa mandray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fampielezan-kevitra izany. Manerana ny Nosy moa no ahitana ny solotenan’ny CNE ary am-perin’asa tanteraka ry zareo amin’izao fotoana izao.
Mampahatsiahy ny mpomba ny kandidà rehetra moa ny CNE mba tsy hihoa-pefy amin’ny fanaovana ny fampielezan-kevitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS