Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 05h42
 

Malagasy

Behenjy

Fiara 4x4 halatra nampiasaina tamin’ny propagandy

vendredi 14 décembre 2007 | Nivo T. A.

Tamin’ny volana marsa 2007 no nisy nangalatra teto an-drenivohitra ity fiara 4x4 an’ny karana iray ary izao vao hita. Tany Behenjy no tratran’ny zandary avy ao amin’ny BSR (Brigade de Sécurité Routière) - Ambatolampy ilay fiara 4x4, andro vitsy lasa izay. Araka ny vaovao azonay dia avy nampiasaina tamin’ny fampielezan-kevitra ity fiara halatra ity. Sendra nandalo tany Behenjy moa ilay karana tompon’ny fiara no nahita ilay 4x4 efa niova loko sy nomerao. Nisy marika nahafantaran’ilay tomponyilay fiara moa ka nampandre ny zandary avy hatrany.

NIrotsaka an-tsehatra ny zandary. Lehilahy iray no trà-tehaka niaraka tamin’ilay fiara.

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny ZP dia natolotra ny fampanoavana omaly tany Ambatolampy ilay lehilahy voarohirohy tamin’ity halatra fiara 4x4 ity ary naiditra am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS