Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 09h33
 

Malagasy

Taratasy misokatra

Sarobidy sy saro-pady ?

samedi 8 décembre 2007

« Raha ny fijery ireo mpifaninana ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra no atao indray mitopy maso ankehitrio dia mahalasa saina. Toa tena vola be sy fitaovana goavana (fiara, mpanakanto, petadrindrina isankarazany... dokambarotra tsy misy farany amin’ny fampielezampeo-pirenena sy tsy miankina sy haino aman-jery). Tena toerana isan’izay lehibe mihitsy mantsy izao toerana Ben’ny tanàna eto an-drenivohitra izao. Ary raha toa hita mirotsaka amin’izao fampielezankevitra izao ny manampahefana isan-tsokajiny (ao ny ministra Ranjeva, ao ny filoha Rajemison Rakotomaharo, ao ny hafa koa mba tsy hanononana anarana), dia tena saro-pady ary saro-bidy io toerana io.

Renivohitra tokoa Antananarivo ary niezahana foana hatrizay ho fitaratra. Raha tsy nisy nojerena izy nandritra ny fotoana maro dia efa niova endrika izy tato ho ato. Nihaiky izany ny ankamaroan’ny olo-be eto amin’ny tanàna ; isan’izany i Rado. Isan’ny niaiky izany koa ny maro amin’ireo Silamo monina eto an-drenivohitra sy ireo mpilaravinahitra isan-karazany. Ny « Tavaratra » moa dia naneho am-pahibemaso ny fiaikeny fa ilaina ny itohizan’ny asa tamin’ny fanaovana fanambarana fahonanana ny kandidà Hery Rafalimanana. Ny fanontaniana vokatry ny zava-misy dia ny hoe nankaiza ireo mpanohana an’i Andry TGV no tsy mahasahy mijoro, na manam-pahaizana na mpandraharaha ? Mampieritreritra. Na ny fikambanana milaza hatrizay ho mpiaro sy mpikatsaka ny tombotsoan’ny
« bas quartiers » aza toa tsy hita. Niova tokoa angaha ny fomba fanaovana politika ka tsy misy sahy mijoro hafa tsy ny TIM sy ny forongony sy ny MFM. Ny TIM moa dia fantatra fa ny MFM dia mampanontany tena : saropady ka tsy azo hanaovana tandrevaka ho lasan’i Andry TGV ve ny tanàna sa dia tena sarobidy ho an’ny fampandrosoana ny hitovian’ny tadin-dokanga amin’izay ho Ben’ny tanàna ? »

Bema, Anatihazo Isotry

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS