Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 11h02
 

Malagasy

Fanafihan-jiolahy teny Itaosy

Fivarotana efatra no lasibatra, olona iray voatifitra

jeudi 13 décembre 2007 | Nivo T. A.

Jiolahy miisa 12 nirongo fiadiana no nanafika toeram-pivarotana efatra teny Itaosy, afak’omaly, tamin’ny 7 ora sy sasany.

Mpivarotra enta-madinina telo ary mpivarotra zava-pisotro mahamamo iray no novangian’ireo jiolahy tao anatin’ny fotoana fohy monja. Mbola nivoha avokoa ireo mpivarotra tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any ka notetezin’ireo mpanafika. Araka ny vaovao azonay avy eny an-toerana, dia nandeha scooter ny lehilahy telo ary ny sivy kosa nandeha tamin’ny fiara 4x4. Voalaza fa nirongo basy poleta ireo jiolahy ary nisaron-tava ny efatra tamin’izy ireo.

Tao amin’ny toeram-pivarotana voalohany dia fantatra fa lelavola Ar 120.000 no voaroban’ireo jiolahy. Nanohitra moa ilay mpivarotra ka notifirin’ireo jiolahy.

Tsy nahafa-po ireo jiolahy izany fa mbola nanafika tao amin’ny fivarotana hafa indray ry zareo. Tamin’ity fanindroany ity moa dia voalaza fa Ar 80.000 no very. Mbola nankao ao amin’ny fivarotana iray hafa koa ry zalahy saingy soa ihany fa tsikaritry ny tompon’ny fivarotana ny fihetsik’izy ireo, ka nandray andraikitra niaro ny fananany ireo mpivarotra. Na izany aza dia mbola nahazo vola ihany ry zalahy, saingy tsy fantatra ny totaliny.
Tao amin’ilay fivarotana zava-pisotro mahamamo no namaranan’ireo jiolahy ny fanafihana. Nanidy trano avy hatrany ireo mpivarotra tao amin’ity « bar » ity. Nandray tavoahangi-na labiera moa ilay mpivarotra ka novelesiny tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy. Raha vao nahita izany ireo namany dia vaky nandositra. Tsy nahazo na inona na inona ry zalahy tao amin’ity « bar » ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS