Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h44
 

Malagasy

Kaominina Ankaraobato

« Hotohizana ny asa vita », hoy ny kandidà Guy Maxime

lundi 10 décembre 2007 | Nivo T. A.

Nitorajofo ny kianja Bulldozer eny Ankadinandriana, kominina Ankaraobato, omaly tolakandro.

Nifamotoana tamin’ny vahoaka mpanohana azy ny ben’ny tanàna am-perin’asa sady kandidà amin’ny fifidianana ny 12 desambra ho avy izao, Atoa Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime. Nambaran’Atoa Guy Maxime ny fahavononany hanohy ny asa efa vita nandritra ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ankaraobato. 85%-n’ny programan’asa no vita, hoy izy, ary amin’ny efa-taona manaraka dia hampitomboina avo telo heny ny ezaka efa vita.

Nilatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana moa ny kandidà Ralaiseheno Guy Maxime noho ny fangatahan’ny vahoaka sy ny fahatsapany fa mbola manana adidy tokony hotanterahana ho fampandrosoana ny kominina misy azy izy.

Anisan’ny nimasoan’ity ben’ny tanàna ity moa ny fampidiriana rano fisotro madio, fanamboarana fanasan-damba, ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora. Anisan’ny tetik’asa goavana hotanterahany ny fananganana toerana fanaovana fanatanjahan-tena manara-penitra, sy CEG. Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana dia hisy ny fananganana « groupe de sécurité » hisahana ny fandriampahalemana amin’ny alina, izay hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana sy ny kartie mobily. Fokontany fito moa no eny amin’ny kominina Ankaraobato ary ahiatana mpifidy 17.000.

« Ny asa efa natomboka tsy maintsy vitaina », hoy Atoa Guy Maxime. Niantso ny vahoaka hamita ny adidy amin’ny olom-pirenena azy ny kandidà Guy Maxime.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS