Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h59
 

Malagasy

Fikambanan-jiolahy sy fitanana basy

Telo taona an-tranomaizina no sazin’ilay polisy

samedi 15 décembre 2007 | Nivo T. A.

Fikambanan-jiolahy, halatra, fitanana basy tsy ara-dalàna, fanaovana hosoka : izany no raharaha niampangana polisy iray sy olona efatra hafa, izay notsaraina omaly tetsy amin’ny Tribonalin’Anosy.

Naharitra ora dimy teo ho eo ny fitsarana ity raharaha ady heloka bevava ity.
Rambeloniaina Abraham Cléo, Razafinindriana Florentine, Ramilamana Joelson : ireo no voampanga tamin’ity raharaha ity. I Ravololomihanta Tiana sy Rakotoarisoa Richard kosa dia nohafahan’ny fitsarana.

Rtoa Florentine no voasambotra voalohany tamin’ny volana septambra 2005 ka izy no nipoiran’ny marina rehetra tany amin’ny pololisy sy tany amin’ny fitsarana. Tratran’ny polisy nitondra basy kalaky tao anaty sakaosy teny Ampatsakana izy io tamin’izay fotoana izay. Basy kalaky izay fanaovan’ireo jiolahy « opération ». Voampanga hanao asa an-terivozona 15 taona i Florentine.

Efa nanomana fanafihana mihitsy ry zareo tamin’izay fotoana izay saingy tsy tanteraka. I Cléo ihany koa dia nahatratrarana fanamiana miaramila sy basy vita gasy, niaraka tamin’ny fitombokase sandoka entin’izy ireo manao taratasy fiantsoana sandoka avy amin’ny mpitandro filaminana sy fisavana tranon’olona an-tsokosoko. I Cléo indray dia voasazy hanao asa an-terivozona 20 taona.

I Joelson, izay polisy ihany koa dia voampanga ho anisan’ny fikambanan-jiolahy ary voalaza niaraka nivory tamin’ireo olona voalaza etsy ambony, tamin’ny fanomanana fanafihana. Izy telo mianadahy ireo moa teo anoloan’ny fitsarana dia samy nandà ny fiampangana azy, ary nilaza fa tsy nifandray tamin’ny jiolahy ary tsy nanomana fanafihana. Sazy mihatra telo taona an-tranomaizina ny azon’ity polisy ity.

Voalaza nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy anefa fa anisan’ny nanafika tany Miarinarivo ry zareo ka nandroba Ar 15 tapitrisa, ary voarohirohy nanafika afrikana teto an-drenivohitra.

Ireo olona roa hafa moa dia voarohirohy niaraka tamin’izy ireo moa dia nandà mafy ny fiampangana azy ireo ary nilaza fa tsy misy ifandraisany amin’izy telo mianadahy ireo. Rtoa Hanta dia afaka noho ny fisalasalana ary I Richard kosa dia afaka madiodio satria tsy ampy ny vesatra nanenjehana azy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS