Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 06h49
 

Malagasy

Antanimasaka Marovoay

Feno hosoka ny fifidianana

lundi 17 décembre 2007 |  404 visites  | Naivo kely

Nanjakan’ny hosoka tanteraka ny fifidianana natao tany amin’ny distrikan’i Marovoay kaominina Antanimasaka ny 12 desambra lasa teo. Raha ny vaovao voaray, dia maro ireo olona nalefa nifidy no tsy mitovy amin’ny sonia ao anaty karapanondro no voasonia ao anaty lisi-pifidianana. hita fa olona mahay manoratra no nasaina nanao sonia amin’ny lavotondro, ary tsy mponina ao an-toerana no nalefa nifidy tamin’ny fokontany iray. Tao amin’ny fokontany Ampijoroa izay toerana nitoeran’ny kandida iray no tena voalaza fa nisian’ireo . Kandida Julio avy amin’ny tsy miankina sy ny kandida atolotry ny TIM Sabin no nifaninana tao ary elanelam-bato 60 no misy eo amin’izy roalahy ireto. Ity kandida tsy miankina ity dia fantatra fa naka vadin-tany sy mpisolo vava aty Antananarivo hiaro azy eo anoloan’ny « tribunal administrative » ao Mahajanga satria nitarika teo amin’ny vato 300 izy, saingy nitsimbadika tampoka ny vokatra ka io lasan’ny mpifanandrina aminy io indray ny fandresena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS