Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 21h35
 

Malagasy

Hery Rafalimanana

Hisotro ronono ve ?

jeudi 13 décembre 2007 | Naivo kely

Valo volana nisedrana ny tontolo fitantanana ny tanàna ny PDS Hery Rafalimanana izay niarahan’ny rehetra nahita ny fomba fiasany, ka nampiaiky ny maro raha ny asa vitany no jerena. Valo volana ihany koa nisedrana ny tontolo Politika, ary isan’ny nitsaran’ny maro azy iny omaly iny. Tsy mbola ofisialy ny vokatra saingy azo hitarafana ny kibay ho valin’ireo asa natao iny latsa-bato iny. Tsy Hery Rafalimanana no tsy mendrika, fa ny politika ankapoben’ny fanjakana no misy tokony ahitsy ka zary sorona tsy fidiny ity PDS ity. Hisotro ronono sahady ve sa mbola misy ny andraikitra miandry azy raha sanatria ka tsy lany eo ? Raha ny tsapa dia maromaro ihany ny TIM ivelan’Antananarivo Renivohitra no tsy nahazo ny amboara ka izay no mahalasa ny fisainan’ny maro hoe fa inona sahady ity ? Inona no hambaran’ny birao foiben’ny TIM manoloana izao fahavoazana goavana izao ? Afa-doza aloha raha ny fijerin’ny maro ity PDS ity satria tsy ho mora ny mitondra sy manarina izany Renivohitra izany, na dia heverina fa hainy tsara aza izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS