Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Raharaha 1947
vendredi 31 octobre 2008 |
Penjy R.
| 669 visites
Tsy maintsy aseho ny marina momba ny tolona 1947. Io no niadian-kevitra tetsy amin'ny tranom-pokonolona Analakely omaly maraina. Ny fikambanan'ny mpanao gazety zoky olona sy ireo taranaky ny MDRM no nitarika ny fotoana. Mahakasika ny fitsarana ny volana Oktobra 1948 ho an'ireo nigadra sy namoy ny ainy, momba ny vono moka 29 mars dia isan'ny lahadinika tao. Maro ireo nijoro vavolombelona momba iny raharaha iny, ary ny hametrahana ireny tantara ireny ho voarakitra anaty boky ny tanjon'ny (...)
-
Ramino Jean sy ny fiainam-pirenena
vendredi 31 octobre 2008 |
Naivo kely
| 1797 visites
Mila mailo ny filoha Ravalomanana, fa misy olona mpanoro vohona ao akaikiny ao. Isan'ny teny nambaran'ingahy Ramino Jean io. Ny antony, dia miezaka manao izay ho afany hanalana ny vahoaka ao anaty fahantrana ny filoham-pirenena. Misy amin'ireo manodidina azy anefa no tsy mahatsapa izany. Misy ny manolontsaina vilana, ary misy kosa anefa ny tena vonona amin'ny fiaraha-miasa aminy.
Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin'ny tanana. Mariky ny (...)
-
Fanapariaham-pahefana
jeudi 30 octobre 2008 |
Njaka
| 528 visites
Ambohipihaonan’ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny faritra Ambonin’i Matsiatra sy ireo faritra manodidina ny ao Fianarantsoa nanomboka ny alarobia teo. Manao varavarana misokatra eo anoloan’ny biraon’ny faritra ny fikambananan’ny kaominina antsoina hoe : Andohamatsiatra, ahitana ireo kaominina 14 manamorona ny renirano Matsiatra. Natao ho fampahafantarana ny asan’ny kaominina sy ny fikambanana no tanjona amin’izany. Tsy ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny fikambanana ihany fa hatramin’ireo fikambanana (...)
-
FJKM Anosipatrana
Rava indray ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny fiangonana Anosipatrana FJKM ny alahady lasa teo. Tsy nisy nanaiky lembenana ny andaniny sy ny ankilany, ka na ilay Pasitera Delege aza tsy afaka niteny teo anatrehan'ny mpino marobe tonga nihira sy nivavaka.
Nivoaka ny efitrano ireo mpomba ny pasitera mpisolo toerana. Nivavaka tao anatiny kosa, ireo mpomba ilay noesorina. Nidina lakile ny zava-maneno, ka nanao hira zafindraony no nataon’iretsy tsy nahazo zava-maneno. Nitomany nigogogogo ireo (...)
-
Taratasy misokatra
mardi 28 octobre 2008
| 1149 visites
"Inona marina ny zavamisy ao amin'ny Synodaparitany Antananarivo Andrefana 10 FJKM ? Hoy i Paoly araka ny Epistily voalohany nalefany ho an'i Timoty toko faha-3 andininy 1 ka hatramininy faha-3 "Mahatoky izao teny izao : Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana mahonon-tena, hendry, tia filaminana mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, (...)
-
Fanitsiana
mardi 28 octobre 2008
| 2118 visites
Tompoko, Malagasy mipetraka aty Canada ny tenako ka mangataka fanitsiana ny article navoakan'ny gazety “ Madagascar Tribune ” tamin'ny alakamisy 23 oktobra teo mikasika ny fandalovan'ny delegasiona malagasy taty Québec namonjy ny fihaonambe faha-12 ny Francophonie. Victor Rakotoniaina no anarako ary izaho no filohan'ny Gasy Miray eto Québec. Izao manaraka izao fanitsiana maromaro hangatahiko : • Tao amin'ny Église Catholique Saint-Charles Garnier teto Québec no natao ny fotoam-pivavahana fa (...)
-
Vakinankaratra
Mila fantarina mazava tsara ny fiovaovan’ny toetr’andro mba ahafahana mitily ara-dalana ny fotoana mahamety ny fotoam-pambolena, na koa hisintonana mpizahan-tany. Toko telo nahamasa-nahandro sy mifampiankina tanteraka ny sakafo, ny famatarana ny toetr’andro ary koa ny fizahan-tany ka izany no antony nahatonga ny fanamarihana iraisana ny faran’ny herinandro teo teto amin’ny faritra vakinankaratra. Ny tahalan’ny kolontsaina teto Antsirabe no nanamarihana ny hetsika dia ny andro maneran-tany hoan’ny (...)
-
Ho avy ny vahiny
lundi 27 octobre 2008 |
Penjy R.
| 810 visites
Miala any indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Fampihavanana izay heverin’ireo mitaky izany hatao, mba ahamendrika antsika eo anoloan’ireo firenea maro ho avy eto Madagasikara manomboka ny taona ho avy iny. Atambaro ho iray ny firaisan-tsaina ho taratr’izao tontolo izao, ny halehiben’ny soatoavina malagasy. Malagasy miray hina, mandresy ny sarotra, ary fanoitran’ny ho avy. Io no voarakitra ao anatin’ny taratasy izay haparitaka eny anivon’ny vahoaka, ary hanangonana sonia manomboka ny volana (...)
-
Fanampiana ara-bola ny mpitatitra
samedi 25 octobre 2008 |
Penjy R.
| 569 visites
Manaraka ny fitsokan'ny rivotra eran-tany ny vahoaka Malagasy. Nidina hatrany amin'ny 70 dolara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ary dia maro no faly manoloana izany. Isan'io isika eto Madagasikara, satria efa nananika ny 140 dolara io teo aloha. Io vidiny farany io no nahatonga ny mpitatitra manerana ny nosy hampiakatra ny saran-dàlany hatrany amin'ny 80% ho an'ny mpitatitra sasany. Izay tsy nampiakatra ny saran-dàlany kosa, dia nampanantenain'ny fanjakana fa omena ilay (...)
-
Didim-pitsarana Bad Boy
vendredi 24 octobre 2008 |
Princia R.
| 915 visites
20 volana an-tranomaizina, 3 taona fisintonana ny “fahazoan-dalana hamily”, onitra 2 tapitrisa Ariary isan-dray amandrenin’ny zaza maty, Ar 500 000 isan-jaza ho an’ny iray tampo an’ny maty misy 3 izy ireo, ary Ar 450 000 ho an’ilay zaza naratra. Io no vokatry ny didim-pitsarana nandrasan’ny maro tao amin’ny tribonalin’ny ambaratonga voalohany an’Antsirabe ny tolakandron’ny Alakamisy 23 Oktobra. Naharitra ora telo teo ny fitsarana ny marainan’ny alakamisy, ary ny tolakandro kosa ny ora namoahana ny (...)
-
Mpiasa 4000 saika hanafika asa eto
vendredi 24 octobre 2008 |
Penjy R.
| 934 visites
Tsy tafita eto Madagasikara ny tetiky ny mpitrandraka harena ankibon'ny tany avy any ivelany, izay saika hampiditra mpiasa vahiny eto. Noho ilay olana ara-bola no anton'io, ka naleon'izy ireo mampiasa ny malagasy eto amintsika. Nisento tokana ny ankamaroan'ny mponina raha vao nandre ny tsy ahatongavan'izy ireo eto. Ny antony, dia eo amin'ny lafiny fahasalamana, dia maro ny nihevitra, fa ho viravirain'ireo vahiny vola ny tanora malagasy, ka hanaovany izay hitiavana azy. Ahiana noho izany ny (...)
-
Canada
jeudi 23 octobre 2008
| 2375 visites
Ny Alahady tolakandro, 19 oktobra 2008, taorian’ny nahavitan’ny Fivoriambe an-tampony faha 12n’ireo tany mifampizara ny teny frantsay, tao Québec, dia niara-niombom-bavaka tamin’ireo teratany Malagasy monina any Canada (Québec, Montréal, Ottawa, sns) ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana mivady. Teo koa ny Masoivohon’i Madagasikara any Canada, Horace Constant, ny Masoivohontsika eo anivon’ny UNESCO, Irène Rabenoro. Tao amin’ny Fiangonana “Eglise Evangélique Luthérienne”, tao Québec city, no natao (...)
-
Antoko Fihavanantsika
jeudi 23 octobre 2008 |
Penjy R.
| 565 visites
Nangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tsy mbola fantatra izay mety ho tohiny, fa ny tsy azo lavina, dia mizarazara be ihany ny hevitra. Samy maka ho azy izahay mpanohitra na dia samy milaza aza fa iray no tanjona, dia ny ady amin'ny famoretana vahoaka.
Maro an'isa ny mpanohitra, ary vitsy ireo eo amin'ny fitondrana. Tsy hay anefa ny tena mampitovy ny tadin-dokanga, ka ny hafa ny maha-maika azy dia ny hankalaza ny 14 oktobra. Ny fahefa-mividy eo amin'ny vahoaka anefa no tena maika amin'ny olona. (...)
-
Pasitera Mailhol sy ny krizy eran-tany
mercredi 22 octobre 2008 |
Penjy R.
| 1953 visites
Raha tsy mitandrina isika, dia ho potika indray ny toe-karena hambara fa efa miarin-doha ankehitriny. Fepetra tokony ho raisin'ny fanjakana haingana ny manazava amin'ny vahoaka ny mety ho fiantraikan'ity krizy ara-bola maneran-tany ity. Io no nambaran'ny Pasitera Mailhol tao amin'ny Aceem Radio ny alahady teo.
Tahotry ny hidin'ny famatsiana ara-bola ataon'ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny firenena matanjaka antsika io. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny fitotongan'ny toe-karena any (...)
-
Antenimierampirenena
mercredi 22 octobre 2008 |
Naivo kely
| 879 visites
Tao anatin'ny fisokafan'ny fivoriana ara-potoana faha-roa omaly no nilazan'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Sylla, fa tsy milamina ny tany. Isan'ny resaka fandriam-pahalemana izay miha-mahazo vahana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Ny mampalahelo, dia miditra amin'io herisetra io ny mpitandro ny filaminana. Ny jiolahy ihany koa dia efa sahy mihantsy ny mpitandro ny filaminana. Miparitaka ny fitaovam-piadina. Ny fitsarana dia maro ny didy tsy mifanaraka amin'ny tena zava-misy.
Ny (...)
-
Taratasin’ny Mpamaky
mardi 21 octobre 2008
| 1277 visites
« Isan’ireo kristiana nikatsaka mafy ny fahamarinana sy nanao ho vaindohan-draharahany ny fikatsahana ny tsy fivakisan’ny fiangonana ao amin’ny FJKM Anosipatrana ny havamalalanay, izay nantsoin’Andriamanitra hody any aminy tamin’ny 24 septambra teo. Nandreraka azy tokoa io raharahan’ny FJKM Anosipatrana io, izay nanatonany olona maro ka nanaovany ny ainy tsy ho zavatra : tao ny tompon’andraikitra sasany tao amin’ny SPAA 10, tao koa ny tany amin’ny Foibe, tao ihany koa ny tompon’andrkitra tamin’ny (...)
-
Masera protestanta
Tsy ny katolika ihany no manana masera fa ny protestanta koa. Efa 20 taona izao no nijoroan’ny Fiaraha-miainan’ny Vehivavy Reliziozy Protestanta Malagasy ao amin’ny FJKM, izay ivondronan’ireo masera miisa 10 izay manana ny foiben-toerany ao Ambavahadimitafo-Antananarivo saingy tsy dia fantatry ny olona loatra ny fisian’izy io.
Maharitra valo taona eo ho eo, araka ny nambaran’ny masera Soa Christine, ny fanomanana ny voady farany hataon’ny masera protestanta iray, izay manokan-tena tsy hanambady (...)
-
Krizy ara-toekarena eran-tany
mardi 21 octobre 2008 |
Penjy R.
| 548 visites
Tsy ahiana hisy fiantraikany eto amintsika ve ity olana ara-toe-karena eran-tany ity no tsy misy feo re avy amin'ny mpitondra fanjakana? Io no mby tonga ao an-tsain'ny maro raha mahita ity olona eran-tany momba ny toe-karena ity. Mikaikaika ny firenena matanjaka, satria manomboka mitsotsorika ny hari-karena. Ny filoha Frantsay, dia nanambara, fa raha toa ka tsy mahita vaha-olana hatramin'ny Desambre 2008 ity, dia fahapotehana no hita eran-tany.
Manomboka banky tanteraka ireo banky matanjaka (...)
-
Raharaha Sakaraha
mardi 21 octobre 2008 |
Njaka
| 835 visites
Nitohy androany any amin’ny fampanoavana ao amin’ny tribonalin’i Toliara ny fakana ambavany ny ben’ny tanànan’i Sakaraha, Longo Rafa sy ny lehiben’ny distrika, Nestor Zerambay. Fanaparam-pahefana no niampangana azy ireo.
Araka ny voalazan’ireto notoriana sy voatazona aloha dia lehilahy antsoina hoe Richard izay karohin’ny mpitandro ny filaminana no nitory azy ireo. Nohainoana koa ireo vavolombelona dimy hafa.
Raha ny fialzan’ireto ben’ny tanana sy sefo distrkia dia nanafika ny ombin’ny (...)
-
Zakahely ao Ambalatavoangy
lundi 20 octobre 2008 |
Penjy R.
| 1706 visites
« Mamela ny heloko fa tsy fantatro izay nataoko ». Vokatry ny fangirifiriana ao am-ponja, ao Toamasina, dia nandefa taratasy fifonana any amin'ny filoha Ravalomanana ny depiote Zakahely voafidy tao Mananara Avaratra.
Taratasy izay niantefa mivantana ho an'ny filohan'ny repoblika Marc Ravalomanana sy ny Praiministra Charles Rabemananjara ary ny filohan'ny antenimieram-pirenena Jaques Sylla. Andro vitsivitsy izay no nananteran'ny andefimandriny ity taratasy ity tany amin'ireo (...)