Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 05h33
 

Malagasy

Taratasin’ny Mpamaky

Raharaha FJKM Anosipatrana

mardi 21 octobre 2008

« Isan’ireo kristiana nikatsaka mafy ny fahamarinana sy nanao ho vaindohan-draharahany ny fikatsahana ny tsy fivakisan’ny fiangonana ao amin’ny FJKM Anosipatrana ny havamalalanay, izay nantsoin’Andriamanitra hody any aminy tamin’ny 24 septambra teo. Nandreraka azy tokoa io raharahan’ny FJKM Anosipatrana io, izay nanatonany olona maro ka nanaovany ny ainy tsy ho zavatra : tao ny tompon’andraikitra sasany tao amin’ny SPAA 10, tao koa ny tany amin’ny Foibe, tao ihany koa ny tompon’andrkitra tamin’ny fitoriana ny mpitandrina, sy olona samihafa izay noheveriny fa afaka hanampy amin’ny ezaka izay nataony.

Tao anatiny fahoriana namoizana ny havavamalalanay no nanatonan’ny fianakaviana amim-panajana feno ny Pastera Délégué tao Anosipatrana, ka nangataka taminy ny hanatanterahan’ny Mpitandrina teo aloha ny fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fankaherezana ny fianakaviana. Neken’ny mpitandrina Délégué izany tamin’ny alalan’ny taratasy nalefany ho an’io mpitandrina io ny 25 septambra 2008., koa nanambarany ny hoe : “mampalahelo ahy ianareo fa fahoriana ity ka dia ekeko, sady efa fangatahan’ny maty tamin’ny fahavelony rahateo”.

Indrisy anefa fa taorian’ny fahavitan’ny famitana sy fanamaroana ny fandaharam-potoana natolotr’ilay Mpitandrina nekena hitondra ny fotoana, dia nisy taratasy tonga avy tamin’ny Mpitandrina Délégué manambara fa tsy azon’io Mpitandrina io atao indray ny mandray anjara na amin’inona na amin’inona mandritra ny fotoam-pivavahana ary tsy azo atao akory aza ny mamoaka an-gazety na amin’ny haino aman-jery ny anarany.

Hatraiza ny fanaovana tsinontsinona ny sitraky ny maty sy tsy firaharahana ny teny nifanomezana ? Soa ihany fa tao anatin’izany rehetra izany no naneken’ny Mpitandriana iray, - anisan’izay nanampy nitady vahaolana amin’ity raharahan’Anosipatrana ity, - tapaka sy naman’ny fianakaviana rahateo, hitondra ny Tenin’Andriamanitra.

Santionany amin’ny didy jadona, sy tsy firaharahana ny vahoakan’Andriamanitra ataon’ny SPAA 10 fotsiny ihany anefa izany, satria ny didy fandavana dia niainga avy tany amin’ny SPAA 10. Tsy hotanisaina eto intsony ireo lafin-javatra maro, efa nitranga tany aloha teo anivon’ny Fiangonana :, ny tsy fahamarinana sy fitongilanana tanteraka teo amin’ny nitondrana io raharahan’ny FJKM Anosipatrana io, ka tonga hatramin’ny fandraisana didy amboletra ho fanalana ny Mpitandrina tsy an-drariny : eny fa tonga hatramin’ny nanidina ny vavahadim-piangonana hanakanana ny fikasan’ny kristiana maro an’isa, hanatanteraka fanompoam-pivavahana ho fampihavanana sy hifamelana heloka. Marihina fa raha tonga tamin’izany “fampihavanana sy fifamelan-keloka” izany ny kristiana maro an’isa, dia efa nisy tokoa ny fandeferana be nataony na dia nahatsiaro ho niharan’ny tsindry hazo lena aza izy. Mbola marihina koa fa ny antony nomen’ny SPAA 10, tsy namohany ny vavahadin’ny fiangonana dia hoe : “tsy nanaraka ny fepetra tokony ho narahina ny kristiana tonga nivory mba hivavaka”. Kanefa moa mba nanaraka ny fepetra tokony ho narahiny ve ny SPAA 10 raha nanala ny Mpitandrina teo amperinasa tsy hitandrina intsony ? Sa notanterahiny ilay fitenenana hoe :”ataovy izay lazaiko , fa aza atao izay ataoko” ? Mby aiza amin’ny sitrapon’Andriamanitra re izany rehetra izany e ?

Efa tafahoatra loatra ireny rehetra ireny, ka maneho etoana izahay fa isan’ireo vahoakan’Andriamanitra tsy manaiky lembenana amin’ny tsy rariny atao amin’ny fiangonana, izay efa nanoratra lahatsoratra tamin’ny Tribune laharana nivoaka ny 16 oktobra 2008 ».

Sahondra M.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS