Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 18h28
 

Malagasy

Fanitsiana

Dian’ny Filoha Marc R. tany Canada

mardi 28 octobre 2008

Tompoko,

Malagasy mipetraka aty Canada ny tenako ka mangataka fanitsiana ny article navoakan’ny gazety “ Madagascar Tribune ” tamin’ny alakamisy 23 oktobra teo mikasika ny fandalovan’ny delegasiona malagasy taty Québec namonjy ny fihaonambe faha-12 ny Francophonie. Victor Rakotoniaina no anarako ary izaho no filohan’ny Gasy Miray eto Québec. Izao manaraka izao fanitsiana maromaro hangatahiko :

• Tao amin’ny Église Catholique Saint-Charles Garnier teto Québec no natao ny fotoam-pivavahana fa tsy tany amin’ny Église évangélique Luthérienne Sherbrooke araka ny voasoratra akory ;

• Fihaonana tamin’ny malagasy rehetra eran’i Canada no nisy fa tsy ny mpiray tanindrazana tao Sherbrooke fotsiny akory ;

• Victor Rakotoniaina no anarako ary Filohan’ny GASY MIRAY eto Québec aho fa tsy filohan’ny Gasy Miray any Sherbrooke. Tokana ny Fikambanana GASY MIRAY ary eto Québec ihany no misy fa tsy any Sherbrooke.

• Mbola izaho Victor Rakotoniaina ihany no niharahaba ny Filoham-pirenena sy ny délégation niaraka taminy ary nisolotenan’ny malagasy rehetra aty Canada (DIASPORA).

• Teto amin’ny ville de Québec no nitranga sy natao ny zavatra rehetra fa tsy tany Sherbrooke fa ny Pasitora Razafy Razafindrakoto izay mitondra fiangonana Loteriana any Sherbrooke no nitondra ny fotoam-pivavahana izay niharahana nanatrika tao amin’ny Église Catholique Saint-Charles Garnier teto Québec.

Koa miangavy ny nanoratra ny article aho tompoko mba hanao ny fialan-tsiny amin’ny olona sy ny ambaratonga voakasika izany ary hanao ireo fanitsiana ireo ao anatiny édition-’ny “ Madagascar Tribune ” akaiky indrindra izao fangatahako izao ”.

Miangavy koa aho mba handefasana manokana copie-ny article voahitsy mba hafahako mampita izany hoan’ny Mpikambana ao amin’ny fikambanana Gasy Miray Québec tarihiko mba tsy hisian’ny fanenjehana ho manao USURPATION DE TITRE ka toy izao manaraka izao ny adiresiko : rako265yo@hotmail.com
Misaotra mialoha tompoko.

NDLR : Miala tsiny indrindra raha toa nisy diso ny voatatitra tao amin’ny lahatsoratra fa tsy avy amin’ny gazety “ Madagascar Tribune ” ireny vaovao ireny. Tsy nanana mpanao gazety nasaina nanaraka ny filoham-pirenena izahay satria tsy voaantso ho amin’izany. Ny loharanom-baovao dia ny Fiadidina ny Filoham-pirenena sy ny Repoblika izay nanana ny mpanao gazetiny niaraka taminy tany. Izahay dia nampiasa ny vaovao sy ny sary nampitainy avy tany ivelany toa ny fanao tsindraindray.
Ianareo niaina ireny zavatra ireny tany an-toerana no afaka manamarina izay voambara koa dia isaorana amin’ny fihetsika ataonareo. Marihina fa ianao no fahatelo amin’ireo nanao ny fantasmagorie. Midika izany fa misy mpamaky hatrany lavitra any ny gazetinay ary fampaherezana ho anay izany.

Ny fiadidina ny lahatsoratra an-gazety ato amin’ny “ Madagascar Tribune ”

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS