Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 13h55
 

Malagasy

Didim-pitsarana Bad Boy

20 volana an-tranomaizina

vendredi 24 octobre 2008 | Princia R.

20 volana an-tranomaizina, 3 taona fisintonana ny “fahazoan-dalana hamily”, onitra 2 tapitrisa Ariary isan-dray amandrenin’ny zaza maty, Ar 500 000 isan-jaza ho an’ny iray tampo an’ny maty misy 3 izy ireo, ary Ar 450 000 ho an’ilay zaza naratra. Io no vokatry ny didim-pitsarana nandrasan’ny maro tao amin’ny tribonalin’ny ambaratonga voalohany an’Antsirabe ny tolakandron’ny Alakamisy 23 Oktobra. Naharitra ora telo teo ny fitsarana ny marainan’ny alakamisy, ary ny tolakandro kosa ny ora namoahana ny didy. Ity no fitsarana azo lazaina fa be mpiandry indrindra teto amin’ny tanànan’Antsirabe, na dia avy aza ny orana ny tolankandron’ny alakamisy io dia niandry teo ihany ny ankamaroan’ny olona.

Raha tsiahivina dia ny tolakandron’ny alatsinainy voalohan’ny volana septambra teo amin’ny 4 ora hariva teo ho eo no nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalan’ny fahaleovantena Antsirabe. Moto scooter iray no nentin’I “Bad Boy” ary nahafoaka zazavavy roa 7 sy 12 taona. Maty tsy tra-drano I Cynthia tamin’izay fotoana izay, raha mbola nahazo fitsaboana sahaza azy kosa ilay zazavay 12 taona saingy ny takaitra no nisy tavela mandraka ankehitriny.

Izay no didim-pitsarana ! Amin’ny toe-javatra tahaka izao dia mbola afaka mampiakatra ny tsy afa-po afaka folo andro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS