Ambohibary : Olan’ny zandary sy ny fokonolona
Ahiana ny hisian’ny korontana
mardi 16 octobre 2007 |
| 820 visites
Iray volana mahery izay no nitanana am-ponja ny tovolahy iray voarohirohy ho nanolana vadina zandary tany Ambohibary, anatin’ny faritra Vakinankaratra izay niteraka resa-be any an-toerana, satria tsy manaiky ny fiampangana ity zazalahy ity ny mponina sy ny sefo fokontany. Araka ny vaovao azo dia nosamborina ity tovolahy ity tamin’ny faha 12 septambra izay mpivarotra eo akaikin’ny biraon’ny zandary.
Voampanga nanolana ny vadina zandary tamin’ny faha 14 aogositra ny lehilahy, ka ny porofo nitanana (...)