Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h17
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Enjehina i Jodasy

    mercredi 25 juillet 2007 | Naivo kely |  156 visites
    Rava omaly ny antenimieram-pirenena izay andry mpanao lalàna eto amintsika, ary tsy miandry ilay fanampahan-kevitry ny filohan’ny repoblika milaza fa rahampitso alakamisy ny fandravàna fa dia efa raikitra ny raoka alika araka ny fomba fiteny mahazatra. Voasava hatrany anaty izay tsy fantatra ny olona miditra ao amin’ity lapa ity, ary ny tena mampalahelo dia ireo depiote izay voaroaka aza voasava avokoa na dia mbola mahazo mipetraka amin’ny tranony mandritra ny fotoana fohy aza. Gidragidra tsy (...)
  • Hifoteran’ny rambony

    mardi 24 juillet 2007 | Naivo kely |  193 visites
    Samia tokoa mijinja izay nafafy, rehefa mamafy tadio. Tsy nisy nitsiry izay nantenain-kanirina ka zary hidona amin'ny vody hazo tsy fidiny. Raha atao indray mijery ireto mpiara-mitolona ao amin'ny TIM, izay noheverina fa tokin'ny mpirahala mita ala, saingy tsy tonga amin'ny fotoana hinanana ny anamamy ka nosarahan'ny beroberoka ry zalahy. Mizara roa tanteraka ny antoko matanjaka izay eo amin'ny fitondrana dia ny TIM izany sy ireo ondry noheverina fa nania, ka ny sasany nanao ilay (...)
  • Tsy nisy mpihaino

    lundi 23 juillet 2007 | Naivo kely |  131 visites
    Tafapetraka avokoa ny filoham-pokontany manerana ny nosy, ka any amin’ny sefo distrika indray ny baolina hanendry izay olona afaka hiara-miasa aminy. Vita iny, ary hiroso amin’ny fifidianana ho depiote sy loholona ary ben’ny tanàna isika. Tsy tongatonga ho azy ny fanendrena sefom-pokontany sy ny fandravana haingana ny antenimieram-pirenena hoy ny mpitazana, ka zary mipetraka sahady ny ahiahy tsy hiavanana. Dia ho sanatria ve hoy ny hafa dia mbola hitranga hatrany ny olana isaky ny fifidianana (...)
  • Fandravana ny antenimieram-pirenena

    Tafiditra amin’ny paipaikan’i TIM hoy ny MFM

    lundi 23 juillet 2007 | Naivo kely |  130 visites
    « Diavolan-kolava ny kilalao mbola ho ela , ary samy maranitra amin’ny tandrify azy». Sora-baventy nirantiranty nandritra ny fivorian’ny MFM teny Mandrosoa Ivato io ny sabotsy sy alahady teo. Ho fanohizana ny vovonana izay nataon’ny antoko MFM ny taona 2006 teo, dia nanao ny fivoriany ity antoko MFM ity, izay notarihan’ny filohany Manandafy Rakotoniriana, ary nahitana ny mpikambana avy amin’ny faritra 22 teto amintsika. Momba ny fandravàna ny antenimieram-pirenena ka hirosoana amin’ny fifidianana (...)
  • Hanomboka ny fiadanana

    samedi 21 juillet 2007 | Naivo kely |  155 visites
    Tratra i Pety. Hivoaka ny vola be natokana ho an’izay mahasambotra ity olona ity. Mirangorango avokoa ny rehetra izay nandray anjara tamin’iny hetsika iny, ka nahatonga ny mpitazana sasany hilaza hoe « Malagasy voavidim-bola » tokoa ve no eto ka tsy mahalala ny fitaka sy ny marina atao amin’ny mpiara-belona ? Tsy iadian-kevitra hatreo, fa mifarana hatreto aloha ny làlan’i Pety sy ny fianakaviany, satria dia ny fonja no sakaizan’ity tokantrano ity manomboka eto. Ny vavy iny efa niarahana nahita iny (...)
  • Voasambotra i Pety

    Hilalao vola be ny mpitandro ny filaminana

    vendredi 20 juillet 2007 | Naivo kely |  142 visites
    Fito volana mahery no nisitrihan’ingahy Pety Rakotoniaina tany rehetra tany, ka omaly tamin’ny efatra sy sasany no voasambotra tao Ambanimaso toerana ankaikin’ny sary masin’i Maria ka ahitana ala PIN, ary nandositra ka tratra tao Anendaka an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa ny tenany. Tsy lasa lavitra araka ny nambaran’ny sasany akory izy fa teo amin’ny manodidina teo ihany no nitampify tao an-tranon’olona, ary tsy nisy fifampitifirana nandritra ny fisamborana. Hampiakarina avy hatrany aty (...)
  • Ripaka ny mpitari-tolona

    vendredi 20 juillet 2007 | Naivo kely |  206 visites
    Dia tratra indray izany izao ny mpanao politika iray, izay isan’ny be fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena ka nahalikiliky ny hafa ny hevitra navoakany. Tsy hitsabaka amin’ny asan’ny mpitandron’ny filaminana sy ny fitsarana isika, fa ny azo antoka dia tsy maintsy hiditra am-ponja ary mety ho eny Tsiafahy, satria ny fanjakana tsy handany vola be ho sandan’izay mahazo azy raha toa zavatra ambara ho madinika no hiampangana azy ? Manomboka ripaka ny mpitari-tolona tamin’ny raharaha 2002 (...)
  • Amboary ny resaka

    jeudi 19 juillet 2007 | Naivo kely |  128 visites
    Haino aman-jery maro teto amin-tsika no indray namoaka ilay tenin’ny filoham-pirenena farany teo momba ny mety ho fifandraisantsika amin’ny FMI raha toa ka tsy manaiky ilay famotsoran-keloka momba ny hetra ireto mpamatsy vola ireto. Samy nametraka ny ahiahiny avokoa ny haino aman-jery nisy teto, ary tsy diso anjara tamin’izany ny mpanao politika sy ny mpandraharaha maro, raha toa ka isintahan’ny mpamatsy vola tokoa isika eto Madagasikara. Nanome tsiny ny mpanao gazety ho namadika ny vaovao (...)
  • Herinaratra ao Toliara

    Natao veloma ny delestazy

    jeudi 19 juillet 2007 | Naivo kely |  137 visites
    Tafapetraka ao Toliara ary efa manomboka miasa ny Gropy lehibe an’i JIRAMA mitondra herinaratra 5 Mégawatts izay toky nomen’ny minisitry ny Angovo, Patrick Ramiaramanana fa tsy miasa amin’ity volana ity izany fitaovana izany. Herinaratra 4,5 MGW no ilain’ny Toliara izay midika avy hatrany fa manana ambim-bava izany ny any an-toerana momba ity herinaratra ity. Olana ara-teknika no niseho tany ka tsy maintsy vaha-olana ara-teknika ihany koa no amahana izany. Tsy mbola misy kosa anefa ny Gropy (...)
  • Roland Ratsiraka

    Tsy salama nefa mahazo aina !

    mercredi 18 juillet 2007 | Naivo kely |  143 visites
    Vita tanteraka ankehitriny ny fakana ambavany an’ingahy Ben’ny tanàna ao Toamasina teo aloha Roland Ratsiraka, rehefa avy nandalo ambaratongam-pahefana maro samy hafa. Tsy hidirana lalina ny fiampangana ity ben’ny tanana mpanao politika ity, fa Ambalatavoahangy aloha hatramin’izao no sakaiza tsy mahafoy azy. Tsy mbola fantatra ny fotoana hitsarana azy, fa isan’ny nangataka ny hivoahany ny fonja vonjy maika ny mpisolo vava ity ben’ny tanana mpanao politika ity saingy nolavin’ny mpitasara. Tsy hisy (...)
  • Mahaiza mankasitraka

    mercredi 18 juillet 2007 | Naivo kely |  169 visites
    Toa fifanomezan-tsiny hatrany no hita momba ny fanomanana sy ny fandraisana ny lalaon’ny nosy izay ho atao eto amintsika manomboka ny 9 ka hatramin’ny 19 Aogostra izao. Ifanomezan-tsiny satria tsy mbola mifanaraka amin’ny fihevitry ny tsirairay toy ny fahita any ivelany raha handray lalao goavana tahaka izao isika. Ekena tsy azo lavina io, ary hanentanana ireo tompon’andraikitra maro samy hafa ao amin’i COJI mba hanazava amin’ny antsipirihiny ny ezaka izay atao, ka mba ho lalao miaina ao (...)
  • Sahia manao dingana lehibe

    lundi 16 juillet 2007 | Naivo kely |  206 visites
    Fomba fiteny efa ela io, ary manomboka tokoa izany dingana izany raha mahita ny trangan-javatra nisesisesy tao ho ao isika mianakavy. Noterena hampidininina ny vidin'ny solika mba tsy hanao izay danin'ny kibony ny mpandraharaha, dia niaraka ny vava ny fidinan'io, saingy mbola io niakatra io indray avy eo. Napetraka ny famotsoran-keloka faobe momba ny hetra, ka ny mpandraharaha maro no tena faly tamin'io, saingy toa tsy nahafaly ny mpamatsy vola mahazatra angaha, ka nahatonga ny (...)
  • Pierre Andrianantenaina

    Hilatsaka ho filoham-pirenena

    jeudi 12 juillet 2007 | Naivo kely |  169 visites
    Tsy misy antony tsy hidirako amin’io sehatra io, satria raha ny hevitra aho manana betsaka, raha vola kosa ny an’ny sasany. Io no fanehoan-kevitra nataon’ingahy Pierre Andrianantenaina raha nivahiny tao amin’ny « Aceem Radio » ny tenany, ka nilazany fa hanomboka amin’ny fiomanana amin’izany ny tenany. Ny fahampahafantarana dieny izao ireo olana diavin’ny firenena no atao mialoha mba ahaizan’ny Malagasy mandinika tsara, na voafitaka izy na tsia. Ilaina ny fanovana dieny izao ny lalàm-pifidianana (...)
  • Gasy tsy ho vazaha

    mercredi 11 juillet 2007 | Naivo kely |  278 visites
    Mahamenatra ny mahita fa isika samy gasy ihany no mifandevina ivoho eto, raha mahita ny fiangarana atao eo amin’ny olona naiditra am-ponja isika ary toa mahakivy ho an’ny mpitazana. Raha nambara fa marary i Ialy Rakotoniaina izay voafonja ao Fianarantsoa sy ny ben’ny tanànan’i Toamasina Roland Ratsiraka izay voalaza fa marary ihany koa, dia nanambara ny fitondrana fa tsy misy olona ambony sy ambany fa mitovy avokoa rehefa voafonja ka tsy hilàna izany fitsaboana manokana izany. Tsara izany satria (...)
  • Ratsy toerana

    mardi 10 juillet 2007 | Naivo kely |  147 visites
    Tsy afaka ny hihambo ho nahavita fahagagana ho mamin’i TIM ny filoha mpitarika ankehitriny, Razoarimihaja raha nanao ilay fihaonana teny amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny alahady lasa teo, satria ny isan’ny olona sy ny birao politika tonga tao dia afaka hitsarana izany. Aiza izany TIM miantso vahoaka izany, na tsy misy mpanankanto aza ? Dia ireny ve ny olon’ny TIM eto an-drenivohitra raha atao tomba-maso ? Mpanankanto malaza avokoa anefa no nantsoina tao, saingy nalaina ny maro. Dia (...)
  • Ento miakatra ity solika ity

    samedi 7 juillet 2007 | Naivo kely |  147 visites
    Dia io tokoa ary fa niakatra ny vidin’ny solika manerana ireo mpandraharaha ara-tsolika eto amintsika, satria angamba tsy nisy ny marimaritra iraisana ? Baiko hentitra no nomen’ny filohan’ny nosy tany Faradofay farany teo, ary nilazany fa « samy mpandraharaha isika ka aoka tsy hambotry ny vahoaka ». Niaraka ny vava dia nilefitra ny mpandraharaha momba ity solika ity, ka nampidina ny vidin’ny solika ho amin’ny amin’ny teo aloha. Tsy nidina fahatany anefa io, fa misy ny dinika eo amin’ny (...)
  • Mahagaga, mavariana

    vendredi 6 juillet 2007 | Naivo kely |  275 visites
    Mba ataovy matotra ny fanaovana Politika eto, fa tsy sanatria mijapy lava izay ambaran’ny sasany. Toa miendrika fahalemena ny ataon’ny vondrona hafa ka zara raha mahita ho tenenina amin’ny ambaran’ny hafa. Ialan-tsiny amin’izay mety ho voakasik’ity lahatsoratra ity, satria ho fintinin’ny iray marina ny teny zato, miampy kabary arivo ahely etsy sy eroa. Bileta tokana no nambaran’ny solontenam-panjakana Amerikana hatao eto, ary sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana no heverina fa tokony (...)
  • Ity vao tena MAP !

    jeudi 5 juillet 2007 | Naivo kely |  175 visites
    Fiovana goavana no hita eto raha miara-misalahy ny mpandrahara rehetra sy ny fanjakana, raha manaiky ilay antso avo nataon’ny filohan’ny repoblika Marc Ravalomanana omaly avy any ivelany nilaza fa ho atao eto Madagasikara ny taona 2009 ny fivorian’ny vondrona Afrikana handraisan’ireo filoham-panjakana maro isan-karazany atsy Afrika. Fananganana hotely handraisana vahiny, eo ihany koa ny momba ny fitaterana, ary hojerena ny momba ny seranam-piaramanidina eny Ivato raha mahazaka fiaramanidina (...)
  • Antoko AVI

    Nipoitra amin’izay !

    lundi 2 juillet 2007 | Naivo kely |  155 visites
    Ny zoma hariva nanomboka tamin'ny 5 ora no nivory teny amin'ny KOBAMA Soanierana ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana, izay notarihan'ny filohany Norbert Lala Ratsirahonana. Nifantoka tanteraka momba ny zava-misy diavin'ny firenena ankehitriny ny laha-dinika tao, ary teo ihany koa ny fandraisana anjara manoloana ny fifidianana izay hatao atsy ho atsy. Taorian'ny fifidianana izay natao teto amin'ny firenena ny faha-3 Desambra teo izay nandraisan'ity antoko AVI ity anjara ho isan'ny mpilatsaka (...)
  • Mifanilika an-toerana

    jeudi 28 juin 2007 | Naivo kely |  133 visites
    Raha ny tokony ho izy dia anio no ho fantatra ireo komity hikarakara ny filan-kevim-pirenen’ny antoko Tiako I Madagasikara, handamina sy handravona ny disadisa niseho tao amin’io antoko matanjaka ahiana halemy raha tsy mitandrina io. Fihetsika izay midika zavatra maro no mby ao an-tsain’ny mpitazana raha vao raikitra ny savorovoro ao anatiny, dia ireto avy izany. Manakaiky ny fifidianana isan-karazany, izay midika avy hatrany fa hisy ny sivana isan-karazany toy ny mahazatra. Tafapetraka ny (...)

0 | ... | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | 620 | 640 | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS