Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h04
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Mitrosa vao manangana

    lundi 4 juin 2007 | Naivo kely |  155 visites
    Napetraky ny fitondrana fa ity dimy taona manaraka ity, dia natao hananganana ny rindrina sy ny tafo, rehefa nahavita fototra isika nandritra ny dimy taona voalohany. Napetraka ny lamin’asa isan-karazany mba hiatrehana izany, dia ilay MAP izany, izay heverina fa tetik’asa mandritra ny dimy taona. Raha io tetika io tokoa ka mifanome tanana amin’ny andraikitra ny rehetra dia hinoana fa ho afaka ny ampahany kely amin’ny fahantrana mianjady amin’ny Malagasy. Ny zava-drehetra anefa tsy mandeha (...)
  • Andrim-panjakana mpanao lalàna

    Tsy nahafa-po ny maro ny fomba fiasa

    lundi 4 juin 2007 | Naivo kely |  400 visites
    Raha ny tokony ho izy ary mba tsy handikana ny lalampanorenana, dia ity taona ity no tokony ho tapitra ny fe-potoana hiasan’ireo andrim-panjakana roa mpanao lalana eto, dia ny antenimieram-pirenana, sy ny antenimieran-doholona izany. Mazava fa tokony hirosoana dien’izao ny fifidianana hiakaran’ny mpandimby toerana, ary raha ny etsy amin’ny Senat aza dia efa fanalavam-potoana sisa ataon’ireo loholona ao. Miteraka resa-be ny momba ireto andrim-panjakana roa ireto, dia eo aloha ny daty hanaovana ny (...)
  • Mpanjaka ve Diam’s ?

    samedi 2 juin 2007 | Naivo kely |  362 visites
    Gaga sy talanjona ny mpandalo teto an-drenivohitra raha nahita ireto fiara mitohana hatrany Antaninandro mipaka hatrany Ivandry, ary tao Behoririka sy Analakely mihazo iny làlana iny tsy ho tenenina, satria maha kirina ny olona. Hay nisy ny fampisehoana nataon’ilay mpanankanto vahiny antsoina hoe Diam’s mampirevy eny amin’i Kianjan’Alarobia alina. Mahay mihetsika ny mpikarakara matoa vory lanona ny vahoaka, saingy ny mampametra-panontaniana ny maro dia ny hoe mpanjaka ve i Diam’s no tapahana (...)
  • Mainty sy fotsy

    vendredi 1er juin 2007 | Naivo kely |  249 visites
    Dia ny omaly tsy miova ihany ny ady hevitra tao an-dapa manan-tantara ; dia ny etsy Tsimbazaza izany, ka samy miborosy izay minisitra tiany ny tsirairay, ary izay sendra ratsy fitondran-tena teo anatrehan’ny depiote dia nahazo ny vava tsy ambina hoy ny fiteny. Dia nitanisa ny asa nambara fa vita ny mpikambana ao anaty Governemanta isan’isany, ka moa ve tsy tahaka ireny efa tany mandroso toa an’i Etazonia ireny i Madagasikara amin’izato angolan-teny mamy mitanisa ny asa vitan’ny fanjakana any (...)
  • Ho hita eo

    jeudi 31 mai 2007 | Naivo kely |  196 visites
    Ao anatin’ny ady hevitra tanteraka ny lohan’ny heverana ho fampandrosoana na ny ho faharatsiana amin’ny asa, ho tanterahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao , ka inoana fa hiainga eo ny ady hevitra hamaritana ny fandaminana ny fiainam-pirenena . Hisy fampihavanam-pirenena tahaka izao fihaonan’ny Governemanta amin’ny loholona sy ny depiote izao indray ve eto amin’ny firenena ? Ny antony dia saika misolo tena ny antoko maro samy hafa ireo, ka heverina fa afaka amaha ny olana. Dia avy (...)
  • Hipoitra ve ny marina ?

    mercredi 30 mai 2007 | Naivo kely |  118 visites
    Andro iray lehibe andrasan’ny mpanara-baovao ny fihaonan’ny Governemanta sy ny depiote rahampitso etsy Tsimbazaza izay hamalian’ireto mpanatanteraka ny fanontaniana maro momba ny fiainam-pirenena eto amintsika. Fanontaniana izay tsy hipasoka ny efa malama ny ankamaroany, fa fifanazavana entina hampilamina ny raharaha kosa izay heverina fa pitik’afo kely dia hampipoaka ny vanja. Tsy takona afenina fa mandia fotoana sarotra ny firenena, indrindra momba ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny (...)
  • Marina tsy filaza

    mardi 29 mai 2007 | Naivo kely |  486 visites
    Nanamaloka ny fiainan’ny mpitatitra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny faran’ny herinandro teo no nilazan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana fa ahato amin’ny asany izay fiara miasa eny mihoatra ny 10 taona. Samy nanana ny heviny nanoloana io avokoa ny rehetra, satria ao ny nankasitraka ary tao kosa ny nitsetra vokatry ny tsy fijerena ny tombon-tsoan’ny sarababem-bahoaka. Eto aloha dia tsy mitombina intsony ilay teny mamy tany aloha hoe « tsy haka ny efa manana, fa hampanana ny (...)
  • Jirama

    Mazava ny fanarenana

    mardi 29 mai 2007 | Naivo kely |  243 visites
    Efa ela tokoa no niandrasan’ny mpanjifa herinaratra manerana ny Nosy, fanazavana matotra, mahitsy ary mazava ny amin’ny anton’izao olana mianjady sy ny vahaolana ilaina amin’ny orinasa Jirama izao. Tanteraka izany nandritra iny faran’ny herinandro iny, raha nivahiny tao amin’ny onjam-peo iray eto an-drenivohitra ny minisitry ny Angovo, Patrick Ramiaramanana. Efa nanomboka tany amin’ny taona 1979 no efa nitotongana ny renivola fanodina (« capitaux propres ») tao amin’ny Jirama ka ny taona 2004, (...)
  • Vakansy hafahafa

    samedi 26 mai 2007 | Naivo kely |  143 visites
    Tsy vitan’ny fampihavanana tao anatin’ny famonoana omby intsony ny raharaha eo amin’ny olan’ny mpianatra amin’ny oniversite any amin’ny faritany, ka zary nandao ny toerana fandratoany fahaizana avokoa ny rehetra. Zary maka endrika tanàna haolo ny oniversite ao Fianarantsoa, Toliara ary Antsiranana. Mandry tsy lavo loha ireo hafa mbola ahitana mpianatra mianatra, ary ireo sisa tavela toy ny tao Fianarantsoa aza andro vitsy monja izay dia lasa nandao ny fianarany nody ny zanaky ny faritra (...)
  • Fandroahana an’i mompera Sylvain Urfer

    Tsy mitovy fomba fijery ny mpiray donak’afo

    samedi 26 mai 2007 | Naivo kely |  155 visites
    Tsy iny fandroahana iny no nataoko raha izaho no teo amin’io fitondrana io », hoy ny depiote voafidy tany Vohémar, Ramaromisy Auguste, satria maro ny làlana azo natao mba hialana amin’ny fanajana ny zon’olombelona, saingy amin’ny tompom-pahefana dia ireny izany no fantany fa mety. Fanehoan-kevitra tsy tapitra momba ny fandroahana an’i mompera Sylvain Urfer izay toa mihitatra toy ny sima misioka no tsy nampangina ity depiote avy eo anivon’ny antoko TIM ity. Nanome rariny ny fanambaran’ny FFKM ihany (...)
  • Vaky ny FFKM

    vendredi 25 mai 2007 | Naivo kely |  240 visites
    Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka tokoa ny rehetra ka na ilay firaisan-kina hatramin’izay aza toa very tao anatin’n’ny fotoana fohy. Iza tokoa no ahalala fa izao no hiafaran’ny tantara eo amin’ny fiainan’ny finoana kristianina ? Raha nandre ny tenin’ny filohan’ny FFKM Lala Rasendrahasina ny maro izay milaza fa tsy andraikitry ny FFKM ny raharahan’ny katolika sy ny fanjakana, dia lasa ihany ny saina manoloana ireo, satria raharaha goavana eto amin’ny tanana no voakitikitika. Hanao ahoana ny (...)
  • Sasatry ny miarina

    jeudi 24 mai 2007 | Naivo kely |  140 visites
    Ny vavan’ny Eveka ao amin’ny EKAR no nandrasan’ny rehetra dia lasa izao, hoy ny fomba fiteny izay. Toa hery lehibe ho an’ireo aty amin’ny herin’ny fanoherana ny fanambarana nivoaka tamin’ny haino aman-jery maro teto amintsika ny alatsinainy teo sy ny omaly talata, ka nivondrona indray ny hery ho an’ny aty amin’ny fanoherana. Anio dia hisy dinika hataon’ny ireo lohan-dohan’ny mpisorona rehetra ho fanohizana ny tolona efa nataon’izy ireo ho fanatsikafonana ny fomba fiasa tsy mifanaraka amin’ny fomba (...)
  • Mpanohitra ve ny katolika ?

    mercredi 23 mai 2007 | Naivo kely |  224 visites
    Io ary ilay efa nampoizina. Miankina amin’ny fanazavan’ny fanjakana, ny mety hampitohy na tsy ny fiaraha-miasan’ny katolika amin’ny fanjakana, io no namaranan’ny fikambanan’i Eveka eto Madagasikara ny fanambarany nandritra ny fehin-kevitra nataony taorian’ny fivoriany ny alatsinainy faha 24 mai lasa teo. Niditra sy namakafaka lalina momba ny fiainam-pirenena ankehitriny ireto Eveka ireto, ka isan’io ny nampitombina ny taratasy nalefan’izy ireo ny momban’ ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny (...)
  • Hafa ny anio sy ny omaly

    mardi 22 mai 2007 | Naivo kely |  161 visites
    Dia tapaka tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly fa novaina tao anatin’ny fotoana fohy ny ora hiasan’ny mpiasam-panjakana izay heverina fa hampitombo bebe kokoa ny asa sahanina ao an-tokan-tranon’ny tsirairay. Maro ny faly tamin’io noho ny fiheverana fa tsy hisy intsony ny firotorotoana hifoha maraina hanenjika ny sakafo marainan’ny ankizy handeha hianatra sy ny raharaha ao an-tokantrano. Ny ora iasana kosa anefa tsy miova satria raha vao miova io dia mety tsy ho tafatsangana amin’ity (...)
  • Antoko miala aina

    lundi 21 mai 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Anjakan'ny zarazarao hanjakana tanteraka ny antoko Arema ankehitriny, ka ireo misora-tena ho mpitarika ankehitriny, no zary mamafy ny poizina hahafaty ity antoko nanana ny lazany tany aloha ity. Nankalazaina ny faha 31 taonan’ ny antoko ny sabotsy lasa teo, ka ny iray teny amin'ny foibeny eny Soanieranana no nankalaizana azy, ary ny ankilany kosa tetsy amin'ny akany « Lovasoa » 67ha no natao. Ny hevitra dia saika nitovitovy, izay mitaky ny amoahana ireo mpanao politika nogadraina tsy misy (...)
  • Filohan’ny PFM

    Mampiahiahy ny tenin’ny filoha Ravalomanana

    lundi 21 mai 2007 | Naivo kely |  181 visites
    Miseho ny fanehoan-kevitra isan-karazany taorian'ny tenin'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana teny Ivato ny zoma teo momba ny fampitandremana ireo vahiny tsy hitsabaka lalina amin'ny fiainam-pirenentsika eto Madagasikara. Tokony ho lanjalanjaina ihany ny teny avoaka hoy ingahy Henri Lecacheur manoloana ireo masoivoho sy mpamatsy vola antsika satria mbola tsy mahavita tena isika eto Madagasikara fa miankin-doha lava amin'ny any ivelany. Tsy tokony ho enti-po rehefa miteny, indrindra fa (...)
  • Minia mikipy

    samedi 19 mai 2007 | Naivo kely |  159 visites
    Mitsimbadika ny rasa, tsy ho ela intsony ny atao fakan-tahaka sy filamatra. Izany angaha no « mondialisation », ka izay mitaredretra dia eo ny tranony. I Frantsa nanjanaka, fatao ohatra nandritra ny taona maro no indro manao « révolution » amin'izao fotoana ho fanatsarana ny rafi-pitantanana any aminy. Any Frantsa, vao fantatra ny vokatra mbola tsy ofisialy, niarahaba ny mpandresy ny resy. Eto amintsika, toherina hatrany ny vokatra ofisialy. Any Frantsa, misy hatrany ny fifamidram-pahefana. (...)
  • Manjavozavo

    vendredi 18 mai 2007 | Naivo kely |  137 visites
    Vita iny ny fanitsiana ny lalàm-panorenana ka ny antsasaky ny Malagasy rehetra no nandany azy, raha ny vokatra navoakan'ny HCC no jerena. Maika ihany koa ny fampandrosoana ka mila mametraka rafitra maty paika mifanahaka amin'ny lalàm-panorenana ny fanjakana mba ahafahana manatanteraka izany. Mandeha ny ora sy ny fotoana toa mbola ny lalàm-panorenana teo aloha ihany no manjaka, raha tsy hilaza ny mbola hipetrahan'ny PDS amin'ny toerany. Ny daty hanaovana ny fifidianana isan'ambaratongany (...)
  • Jirama sy ny delestazy

    Tonga ireo fitaovana goavana

    vendredi 18 mai 2007 | Naivo kely |  185 visites
    Ny volana Novembre izao dia efa hiasa avokoa farafaha-tarany ireo fitaovana hanome herinaratra ny farita rehetra eto Madagasikara. Io no nambaran'ny ministry ny angovo Patrick Ramiaramanana raha nitsena ireo Goropy lehibe 40 MGW noentin'ny fiaramanidina Antonov ka mbola ny 10 MGW no tonga ny sabotsy teo izay milanja 120taonina, ary ny ambiny ho avy tsy ho ela satria mbola hiverina in'efatra ity fiaramanidina mpitatitra entana ity hitatitra ireo fitaovana ireo.Mitentina 31 tapitra dolara ny (...)
  • Tsy matotra

    mercredi 16 mai 2007 | Naivo kely |  158 visites
    Gaga ihany ny rehetra raha nahita ny birao eo anivon’ny FFKM nandray ny antoko mpanohitra omaly teny Ivohipiraisana Ambohijatovo ambony omaly ; fa nankaiza no tsy hita nandray azy ireo ny filoham-piangonana efatra mirahalahy mpitarika ity fikambanana ity. Raharaha goavana tahaka izao mitranga eto amin’ny firenena izao ve dia mbola solontena tsy mahatapaka ahitra no alefa hiara midinika ? Io no fanontaniana napetraky ny rehetra raha nahita ireto pasitera sy mompera nandray ny mpanohitra. (...)

0 | ... | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | 620 | 640 | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS