Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h32
 

Teny zato, kabary arivo

Sasatry ny miarina

jeudi 24 mai 2007 | Naivo kely

Ny vavan’ny Eveka ao amin’ny EKAR no nandrasan’ny rehetra dia lasa izao, hoy ny fomba fiteny izay. Toa hery lehibe ho an’ireo aty amin’ny herin’ny fanoherana ny fanambarana nivoaka tamin’ny haino aman-jery maro teto amintsika ny alatsinainy teo sy ny omaly talata, ka nivondrona indray ny hery ho an’ny aty amin’ny fanoherana.

Anio dia hisy dinika hataon’ny ireo lohan-dohan’ny mpisorona rehetra ho fanohizana ny tolona efa nataon’izy ireo ho fanatsikafonana ny fomba fiasa tsy mifanaraka amin’ny fomba fijerin-dry zareo ataon’ny fitondrana. Ny ratra navelan’ny korontana nataon’ny mpianatra manerana an’i Madagasikara tsy mbola nikombona, nefa dia io iaraha-mahita io indray ny fidirana kianja ho ataon’ny mpanao politika mpanohitra rehetra, ary ireny niarahana nandre ireny ihany koa ny hevitry ny katolika. Na dia ny fanohizana ny asa ho an’ny vahoaka aza no heverin’ny mpitondra hamaliana ireo tsikera isan-karazany mianjady aminy, dia hatreto aloha sasatry ny miarina ny mpitondra amin’ireo karazam-pantsy miantefa any aminy. Tsy vitsy noho izany ireo karazan-kery maro samy hafa ny mitaky ny fifampidinihana haingana hamahana izao olana izao alohan’ny datin’ny 26 Jiona, satria mba hanjaka tanteraka alohan’ io ny fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy. Inona no hitranga raha misy ny manda an’io ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS