Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka tokoa ny rehetra ka na ilay firaisan-kina hatramin’izay aza toa very tao anatin’n’ny fotoana fohy. Iza tokoa no ahalala fa izao no hiafaran’ny tantara eo amin’ny fiainan’ny finoana kristianina ?
Raha nandre ny tenin’ny filohan’ny FFKM Lala Rasendrahasina ny maro izay milaza fa tsy andraikitry ny FFKM ny raharahan’ny katolika sy ny fanjakana, dia lasa ihany ny saina manoloana ireo, satria raharaha goavana eto amin’ny tanana no voakitikitika. Hanao ahoana ny lahateny mety hivoaka amin’ny hafatry ny FFKM amin’izao fetin’ny Pantekoty izao ? Dia ho sanatria ve modiana tsy hitan’ity fikambanan’ny fiangonana iray ity ireo hetahetan’ny mpikambana ao aminy, indrindra fa fiangonana matanjaka indrindra eran-tany no maneho hevitra ?
Tombana no hitarafan’ny mpijery fa ho vaky tsy ho ela ny FFKM ka samy haka ho azy ny fiangonana isan’isany ka ireo heverina ho sekta no handrafitra izany raha toa ka mihanahana ny mpikambana tao anatiny. Inona no maharatsy izany ?