Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h17
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Voafitaka ny fototra

    mardi 21 août 2007 | Naivo kely |  190 visites
    Gina tsy nahaloa-peo ny teny anivon’ny fototra raha nandre indray fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny hanaovana ilay zaikabem-pirenena saika hataon’ny atoko TIM ny faha-25 aogositra izao. Gina satria iza tamin’ny mpikambana manerana ny Nosy no tsy vonona hiatrika io kongresy io ? Kongresy izay heverina fa handaminana ny toro-marika rehetra taorian’ireny nisian’ny disadisa tao anatin’ny antoko ireny ? Niainga teo ihany koa ny toro-marika rehetra hampandresena ny antoko « Tiako I Madagasikara » (...)
  • Singam-bolo nandavo ny vositra

    lundi 20 août 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Nivalona hatreo indray ny lalaon’ny nosy andiany faha-7 izay natao taty Madagasikara, ka azo ambara fa fahombiazana no hita nandritra ny 10 andro nanatanterahana iny lalao goavana iny. Fahombiazana satria, isika malagasy no nibata ny medaly volamena 101 izay hita fa tsara ny ezaka nataon’ireo atleta malagasy. Io no medaly volamena be indrindra azon’ny Malagasy nandritra ny lalao rehetra natao hatramin’izay, ary ny gasy no nanokatra ny fahazoana medaly volamena teo amin’ny fanombohan’ny (...)
  • Fisokafan’ny FPVM

    Mampisaraka ny samy mpino

    samedi 18 août 2007 | Naivo kely |  757 visites
    Omaly moa no nambara fa niverina nisokatra ho an’ireo mpino mpanaraka an’i Neny Justine ny fiangonana FPVM etsy Antaninanandrano, rehefa nakatona nandritra ny taona iray mahery noho ny fifanolanana nisy teo amin’ity fiangonana ity sy ny fiangonana FJKM. Fantatra ihany koa tamin’izany fotoana fa nisy ny olana anatiny tao amin’ity fiangonana FPVM ity satria toa nisintaka tamin’ny mpitandrina ny dimy tamin’ireo enina mpiandry izay mpitarika tao aminy. Tao aorian’ny fihaonanan’ireo mpiandry dimy (...)
  • Omby masiaka

    vendredi 17 août 2007 | Naivo kely |  168 visites
    Efatra indray ny robaky ny tandroky ny Barean’i Madagasikara tetsy Mahamasina omaly raha nanao fihaonana tamin’ny nosy « Mayotte » isika. Taorian’ny karavasy nivaivay nahazo ity Barea Ity, dia romotra izy ireo, ka tsy iray na roa intsony no harato norovitiny fa telo miampy efatra no vokatra nojinjaina. Hiatrika ny lalao famaranana ireo tanorantsika ireo, rahampitso sabotsy, izay antenaina ary hivavahana fa hibata ny amboara volamena, kanefa manao ahoana ny vilona fanome ny omby masiaka ? Mahazo (...)
  • Afa-po Ravalo

    jeudi 16 août 2007 | Naivo kely |  178 visites
    Mendrim-piderana ny asa vita amin'ny fandraisana ny lalaon'ny nosy, ary toy izany ny fisaorana amin'ny fahendren'ny vahoaka Malagasy mahay manaja tena amin'ny lalao tahaka izao. Maniry ny filoha ny hitohizan'ny fahendren'ny Malagasy amin'ny tarehin-javatra tahaka izao ka hipetraka tokoa ny firaisan-kina eo amin'ny samy mpiray tanindrazana. Niainga ho any Zambie androany maraina ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, ka nametrahany hafatra ho an'ireo minisitra sendra azy mba (...)
  • Ndeha atao « bilagy »

    mardi 14 août 2007 | Naivo kely |  1303 visites
    Resaka lalaon'ny nosy no malaza, ka maro no azo atao hatsikana momba azy eo am-pihainoana sy am-pijerena ny lalao. Ny vokatra azo dia azo ho tanisaina izay hita fa tsy mety, dia andeha atao ny mihaino « bilagy » mahamenatra e ! Atomboka any amin'ny fitantarana ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny sehatra. Fa dia inona loatra no mitranga no hamaivanina toy ireny ny mpifaninana amintsika rehefa olona tsy ho tononina anarana eto no mitantara ao, sa nahazo lesona tamin'ny filazan'ny (...)
  • Medaly ao anatin’ny alahelo

    samedi 11 août 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Mitohy ny fandrombahana medaly amin’ny Lalaon’ny nosy ataon’ny Malagasy omaly nandritra ny andro voalohany, kanefa tsy hijanona eo ny tanjona fa tsy maintsy miandrandra maro mba ho voalohany fa tsy ho farany eo amin’ity sehatra ity. Ezaka lehibe no vitan’ny tanora malagasy manome lanja ny vononahim-pirenena, ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa ny zava-bita. Andro faharoa nanombohan’ny fifaninanana anio, mbola heno ihany ny sahoan-dresaka maro momba ny olana eo amin’ny lafiny ara-teknika ny trano (...)
  • Voafafy ny voa

    vendredi 10 août 2007 | Naivo kely |  214 visites
    Nisokatra omaly tamin'ny fomba ofisialy ny lalaon'ny nosy andiany faha-7 izay atao eto amintsika ka ny 19 Aogositra izao vao hifarana ity lalao ity. Samy nanana ny fomba fijeriny ny fanomanana ny lalao ny rehetra indrindra fa teo amin'ireo fotodrafitr'asa isan-karazany izay handraisana ireo atleta sy ny lalao. Mendrika aloha hatreto ny fandraisana ny lalao, satria maro ny olona no afa-po tamin'ireo hitan'ny masony, saingy tsy vitsy ihany koa ireo fanakianana rehefa tena miditra lalina (...)
  • Nikotrika fa lamokany

    mardi 7 août 2007 | Naivo kely |  151 visites
    Na dia mitohy aza ny tolon’ny CRTIM, dia hita fa reraka ary atahorana ho anaran-tsy very sisa any aoriana. Ilay anarana «Tiako I Madakasikara » nireharehana tany aloha, zary niofo ho «Tanindrazantsika I Madagasikara ». Tsy azo avela ilay anarana hoe TIM fa ny fomba hitondrana azy no samy hafa. Dia mihevitra ve ireto TIM naniha ireto fa mbola ao aorian’ny filoha mpanorina dia i Marc Ravalomanana izy ireo. Inona no hery ahafahan’izany ondry very izany mba hampiaka-danja azy ireo eo anatrehan’ny (...)
  • Lany vola tsy fidiny

    lundi 6 août 2007 | Naivo kely |  126 visites
    Andro vitsy sisa hisaina dia hikatona tanteraka ny fametrahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo olona te-hiazakazaka ho etsy Tsimbazaza. Samy mivonona ny handrombaka ny amboara be indrindra ny antoko sy ny olon-tsotra izay handeha amin’ny anaran’ny tenany manokana, ka eo no mety hampilatsaka ny isan’ny mpandray anjara. Miroaroa saina ny ankamaroan’ny ao anatin’ny antoko goavana eto amintsika, satria hiainga ny sivana hatao amin’ireo olona heverina fa manam-piniavana (...)
  • Palitao hiova loko

    samedi 4 août 2007 | Naivo kely |  169 visites
    Tao aorian’ny hamoram-po nandraisan’ny filoham-pirenena ny mpanohitra tany Toamasina farany teo iny, dia azo antoka fa hisy fiantraikany betsaka eo imason’ny mponina any an-toerana ny toy ireny. Antony tsy azo lavina ny hisainan’ny rehetra, fa aleo manohana an-dRavomanana, sao tsy handroso ny faritra misy antsika izay hita fa potika tokoa tao ho ao. Ireo tsy manaiky ny tambitamby dia hanome lesona ny mpiara-monina aminy hilaza fa raha tsy hanaiky ny sitrapon’ny fanjakana ve izany dia tsy afaka (...)
  • Mazava dia maizina

    vendredi 3 août 2007 | Naivo kely |  179 visites
    Gina tsy nahitan-teny firy ny mponina ao Toliara raha nahita fa andro vitsivitsy izay, dia niverina indray ny delestazy ao Toliara, ka toy ny sosoa voatapo-drano ihany ny vahoaka raha nandre, fa tonga ny fitaovana vaovao hanome hazana ny tanàna izay mahatratra 4,5 MGW kanefa dia io hiarahana mahita io ny fahavoazana. Tsy fantatra intsony izay antony nahatonga ny fahavoazana, fa raha ny heno teo aloha kely teo, dia ny fanambarana fa ilaina ny hisian’ny gropy fiandry entina hanazavana ny (...)
  • CRN (Comité de Réconciliation Nationale)

    Nanan-janaka ny fikambanana

    jeudi 2 août 2007 | Naivo kely |  133 visites
    Raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, dia ny CRN notarihan’ny Profesora Zafy Albert no nanohitra ity fitondrana ity voalohany, ary nitaky ny hamoahana ireo gadra Politika sy ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Nirohatra niditra tao avokoa ny rehetra, saingy tato afara dia nanan-janaka ity CRN ity, ary teraka ny SPDUN, sy ny 3FN, ny MCSR. Tanjona iray ihany anefa no tao andohan’ny rehetra dia ny fidirana amin’ny fihaonambem-pirenena hametraka (...)
  • Tsy tafita ny hafatra

    jeudi 2 août 2007 | Naivo kely |  175 visites
    Nahakivy ny rehetra ihany ny nahita ny fanomanana ilay « festival Mazavaloha » natao tany amin’ny faritry Tsiroanomandidy farany teo, satria toa ratsy karakara ny fety. Ny 26 ka hatramin’ny 29 Jolay teo no nanomboka ny lanonana nefa nahitana olana hatrany. Teo aloha ny tolon’omby izay nandratràna olona roa ka nipotsaka mihitsy ny tsinain’iray voatrobaky ny tandrok’omby, ary nampiakarina aty an-drenivohitra mihitsy. Ny lalao baolina kitra sy ny baskety dia tsy nisy famaranana noho ny olana teo (...)
  • Gidragidram-pifidianana

    Mety hiala andaharana ny mpanohitra

    mercredi 1er août 2007 | Naivo kely |  227 visites
    Ampy izay ny fizarazarana eo amin’ny samy mpanohitra, fa ny firaisana no hery izay no tanjona. Io no hery lehibe manosika ny mpanohitra rehetra amin’izao, saingy mbola misy ihany ny fiahiahiana tsy mampiray azy ireo ankehitriny. Isan’ny hevitra nivoitra teo amin’ny fivorian’ny mpanohitra tato ho ato io, ka isan’izany ilay nitranga tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM Andravohangy ambony omaly. Ny fampiharana ny bileta tokana, ny fametrahana amin’ny tsy miankina ny fandrindràna ny fifidianana, (...)
  • Ny soa atao loza mihantona

    mercredi 1er août 2007 | Naivo kely |  211 visites
    Miteraka fanafintohinana ho an’ny maro ny mandre fa potehin’ny foko merina hono ny tanindrazana satria ny filoha Ravalo dia merina. Diniho ny tantara vao manenitr’olona, fa saika ny merina hatrany anie no nampandry tany teto vao toy izao isika e. Tsy hidirana lalina ny tany amin’ny andron’ny faha-mpanjaka. Niongana ny filoha Philbert Tsiranana, moa tsy nahatsapa ve isika fa ny Jeneraly Ramanantsoa no nantsoina nandamina ny raharaha teto, izay tsy iza fa merina io olona io ? Niongana i Ratsiraka (...)
  • Madinika tsy ho vaventy

    mardi 31 juillet 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Mitoman-davana ny fiakaran’ireo ambara ho fanetriben’ny firenena nanamparitaka ny laza adina nandritra ny fanadinana BEPC farany teo ka maro no efa naiditra am-ponja amin’isika manoratra izao. Omaly ary hitohy androany dia efa mahatratra 60 ny niakatra fitsarana teny amin’iny faritra Avaradrano iny, ary mbola hitohy anio. Fepetra tsara hisorohana ny gaboraraka ny tahaka izao, ka mba ho anatry ny aty afara, satria tsy azo lavina fa fanetriben’ny firenena ny fanomezana poizina ny taranaka (...)
  • Soa fa handray vahiny

    lundi 30 juillet 2007 | Naivo kely |  207 visites
    Tafapetraka soa aman-tsara ny sabotsy teo ny vato fototr’ilay hotely lehibe mitondra kintana dimy hajoro eny amin'iny faritr’Ivato iny, ka heverina ho vita alohan'ny taona 2009. Handray vahiny maro be i Madagasikara amin'io taona voalaza etsy aloha io, ka efa miomana amin'ny ho enti-manana rehetra ny fanjakana malagasy ary io niarahana nahita io fa hanomboka ny asa. Ny filoham-pirenena dia nanao antso avo tamin'ny mpandraharaha Malagasy mba hifanome tanana amin'ny sehatra tahak’izao, ary (...)
  • Raharahan’antoko

    Nahazo aina ny TIM, vizana ny CRT

    lundi 30 juillet 2007 | Naivo kely |  154 visites
    Mihazakazaka ny fitetezam-paritra ataon'ny antoko manao ny kongresim-paritra mialohan'ilay datin'ny 25 Aogositra hanaovana ny kongresy nasionaly ataon'ity antoko ity. Hitety ny faritra 22 ny filohany Razoarimihaja Solofonantenaina, ary ny raharaha anatin'ny antoko sy ny fifidianana izay atrehintsika tsy ho ela no voaresaka amin'io fitetezam-paritra io. Mazava ho azy fa mijery ifotony izay olona heverina fa harotsaka handray ny fahefana isam-paritra ihany koa ity antoko ity. Miha mahazo aina (...)
  • Milalao vola ny Gasy

    samedi 28 juillet 2007 | Naivo kely |  213 visites
    Tsapa tokoa ankehitriny fa manam-bola ny Gasy, ka sarotra atao ho malahelo isika manoloana ny fiainam-pirenena. Iza no hieritreritra fa mahantra ity firenena ity, raha manao indray mitopy maso ny zava-misy. Novitaina iny ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny taona 2006 ka lany tao anatin'ny fihodinana voalohany ny filoha mitondra ankehitriny. Telo vola monja taorian'io, dia nanao ny fitsapan-kevi-bahoaka indray isika ny volana aprily izay nihamboana fa tsy nisy mpamatsy vola ivelany fa (...)

0 | ... | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | 620 | 640 | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS