Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h12
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • PDS teo aloha

    Ny mpanome baiko no fositra

    lundi 17 décembre 2007 | Naivo kely |  859 visites
    Tao amin’ny Radio tsy miankina iray omaly no nanazavan’ny PDSn’ny faritanin’Antananarivo teo aloha, ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand, ny heviny manoloana ny fisamborana ireo olona manao fanamiana mitovy amin’ny miaramila. « Tsy tokony hosamborina na hampiharana herisetra izy ireny », hoy ny tenany, « fa ny fitsipika mampiavaka ny tena an’ny mpitandro ny filaminana no apetraka. Aoka hiavaka tsara ny an’ny zandary, miaramila, polisy ary ny mpiandry fonja. Tsy ny fanamborana ireny fitafiana ireny (...)
  • Antanimasaka Marovoay

    Feno hosoka ny fifidianana

    lundi 17 décembre 2007 | Naivo kely |  404 visites
    Nanjakan’ny hosoka tanteraka ny fifidianana natao tany amin’ny distrikan’i Marovoay kaominina Antanimasaka ny 12 desambra lasa teo. Raha ny vaovao voaray, dia maro ireo olona nalefa nifidy no tsy mitovy amin’ny sonia ao anaty karapanondro no voasonia ao anaty lisi-pifidianana. hita fa olona mahay manoratra no nasaina nanao sonia amin’ny lavotondro, ary tsy mponina ao an-toerana no nalefa nifidy tamin’ny fokontany iray. Tao amin’ny fokontany Ampijoroa izay toerana nitoeran’ny kandida iray no tena (...)
  • Namoaka olo-manga ny TIM

    samedi 15 décembre 2007 | Naivo kely |  1159 visites
    Vita iny fifidianana izay ho ben'ny tanana teto Madagasikara ka ny alarobia ho avy izao no hamoahana ny vokatra amin'ny fomba ofisialy. Ny fanovana tsy olon'antoko no niantefan'ny safidin'ny maro raha Antananarivo renivohitra no jerena. Io fanovana no niangan'ny ady hevitra maro isan-karazany, ka tao no nanambara fa mila tanora vaovao afaka hitondra ny baolina ny tanana ka natolotra an'i TGV ny faneva. Tsy vitsy no nisaina fa kapoka ho an'izao fitondrana izao ny naharesy ny olon'i TIM, (...)
  • Moxe Ramandimbilahitra

    Aleo hiasa ny tanora

    vendredi 14 décembre 2007 | Naivo kely |  639 visites
    Fahavalom-pirenena izay mihevitra fa hanao sakana amin’ny olona vonona hampandroso ny firenena, ary efa nanambara ingahy ben’ny tanàna vaovao fa vonona ny hiara-miasa amin’ny fanjakana ka tsy hita izay hakana fahavalo ny olona toy izany. « Aleo hiasa ny tanora, satria ny filoha Ravalomanana efa nanambara fa ben’ny tanana hanompo vahoaka no ilaina fa tsy ho tompoina ». Io no nambaran’ny mpanolotsaina politikan’nyfiloham-pirenena, Moxe Ramandimbilahitra manoloana ny fahalanian’ny ben’ny tanàna vaovao (...)
  • Be ny hijapy masinina

    jeudi 13 décembre 2007 | Naivo kely |  1076 visites
    Tsy ofisialy ny vokatra hambara eto, saingy azo hitarafana sahady ny mety ho tohin'ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Tsy hisy fiovana firy raha ny tarehi-marika azo tamin'ny sivy ora alina no asian-dresaka izay itarihan'ny kandida Andry TGV eto an-dRenivohitra. Raha ireo elanelan'isa kirakiraina eto am-pelatanana dia ho sarotra ny ahatratraran'i Hery Rafalimanana izay atolotry ny TIM io isa io. Nihoraka ambony ihany ireo mpankafy ity kandida ity satria tojo amin'ny tanjona niriany, (...)
  • Hery Rafalimanana

    Hisotro ronono ve ?

    jeudi 13 décembre 2007 | Naivo kely |  915 visites
    Valo volana nisedrana ny tontolo fitantanana ny tanàna ny PDS Hery Rafalimanana izay niarahan'ny rehetra nahita ny fomba fiasany, ka nampiaiky ny maro raha ny asa vitany no jerena. Valo volana ihany koa nisedrana ny tontolo Politika, ary isan'ny nitsaran'ny maro azy iny omaly iny. Tsy mbola ofisialy ny vokatra saingy azo hitarafana ny kibay ho valin'ireo asa natao iny latsa-bato iny. Tsy Hery Rafalimanana no tsy mendrika, fa ny politika ankapoben'ny fanjakana no misy tokony ahitsy ka zary (...)
  • Hianatra asa

    samedi 8 décembre 2007 | Naivo kely |  491 visites
    Asa maro no nambaran’ny kandida mpilatsaka eto an-dRenivohitra fa ho atao raha vao lany izy, ary izay koa ny ilain’ny vahoaka. Asa goavana hoy ry zalahy no atao, ary efa vonona ny vola ho enti-manana izany. Dia lasa ny saina hoe avy aiza io vola io, ary mba azo hampafantarina ny vahoaka ve iza ireo mpiara-miombon’antoka mba tsy aha-tompon-trano mihono ny mponina ? Sa ny tetibolan’ny kaominina ihany no hampiasaina amin’ireo asa ho atao ? Ny tsapa aloha dia mpandraharaha maro no efa nisintaka (...)
  • Mahatsiaro ny tany niaviana

    vendredi 7 décembre 2007 | Naivo kely |  1046 visites
    Manomboka mivoaka avokoa ankehitriny ny lasitra ho fanarenana an’Iarivo izay tavela tany ambata rehefa nandositra niala an’i Madagasikara ramatoa Ravololomanana Lalatiana, kanefa miseho masoandro indray ankehitriny. Ny fanamboarana an’Atsonjombe no tiana hambara eto, satria kandida iray izay mirotsaka ankehitriny no isan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fampielezan-kevitr’io ramatoa io tamin’izany, saingy tsy tafita ho ben’ny tanàna io olona io. Tsy ratsy ny fanohizana izay heverina fa ho atao, kanefa (...)
  • Tapaka ifotony

    jeudi 6 décembre 2007 | Naivo kely |  692 visites
    Maika ny fampandrosoana, ary isika tsy naman’izay mihemotra hoy ny teny filamatry ny antoko iray izay. Izay no hisarihana ny sain’ny maro manoloana ny fifidianana izay hataontsika amin’ny 12 Desambra ho avy izao, izay samy mampiseho tetikasa tsara lahatra sy rindra avokoa ny rehetra, kanefa ny fanatanterahina io no tsy hay. Ndeha atodika tany amin’ny fiandohan’ny repoblika faharoa ny resaka izay nametrahan’ny filoha Ratsiraka tamin’izany ny boky mena ka nampihaiky volana ny ambany lanitra, ary (...)
  • Fanadiovam-bola

    mercredi 5 décembre 2007 | Naivo kely |  856 visites
    Toa lasa sehatra maloto ny fampielezan-kevitra izay ho ben’ny tanàna eto amintsika fa manjaka loatra ny vola, ka mampanontany tena ny rehetra hoe avy aiza ny fiavian’ireny, kanefa milaza ho sahirana ry zalahy sy zavavy isany. Raha ny eto andrenivohitra manokana, dia hifanotofan’ny antoko politika maro isan-karazany ny kandida voalaza fa tanora eto, ary hita hatrany izy ireo amin’ny fihetsiketsehana ataon’ity kandida ity. Niainga teny amin’ny Carlton io, ary hita hatrany amin’ireo (...)
  • Hazo avo halan-drivotra

    mardi 4 décembre 2007 | Naivo kely |  768 visites
    Ny fanasoavana ny mpiray tanindrazana sy ny firenena tsy maintsy misy mitsivalam-pandry, kanefa tsy izany no tsy hanohizana ny asa. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna teo aloha izay minisitra amin’izao fotoana, Patrick Ramiaramanana manoloana ny fanenjehan’ny sasany ny asa natomboka teto an-drenivohitra niainga tany amin’ny filoha Ravalomanana sy ny tenany Patrick Ramiaramanana ary io nodimbiasan’i zandry Hery Rafalimanana io. Aoka tsy ho ataon’ny sasany sorona politika ny tanàna, ary izay no (...)
  • Marc Ramiarinjatovo

    Tsy tambazana fety ny vahoaka

    mardi 4 décembre 2007 | Naivo kely |  390 visites
    « Ny fanatonana ifotony ny vahoaka no làlana ahafahana mifanakalo hevitra amin’ny mponina mba ahafantarana izay tena mampangetaheta ny vahoaka, ary izay no antony hanaovanay izany », hoy ny kandida Marc Raliarinjatovo. Efa mananika ny 70 ireo fokontany voatsidika nandritra ny herinandro iny, ary hita fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka. Mila fomba fiasa matotra ny fanarenana ireny faritra ireny, ka isan’io ny làlan-kely sy ny tetezana, ary ny lakandrano. Ny fanampiana ny (...)
  • Kitoatoa

    lundi 3 décembre 2007 | Naivo kely |  710 visites
    Tokony harindra bebe kokoa ireo tetikasa any amin’ny faritry Taolagnaro, ka dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna izay atao afaka andro vitsy eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikra. Efa tratran’io koa ny tany amin’ny faritr’i Sainte Marie sy Nosy be izay tsy nahafa-po ny filoham-pirenena ny tsy fisian’ny lava-piringa any amin’ireo faritra ireo ary dia io niarahana nahita io indray ny tany Taolagnaro. Fa angaha ireo faritra telo ireo ihany no hita ho tsy (...)
  • Sinoda FJKM : hipoitra ny marina

    samedi 1er décembre 2007 | Naivo kely |  1436 visites
    Potika tampoka ny rakin-tsoratra mitahiry ny kaontim-pitantanana tao amin’ny sinodam-paritanin’Antananarivo eo anivon’ny FJKM raha vao nanambara ny mpitantana vaovao fa ilaina ny fanaovana fanadihadiana eo amin’ny resaka ara-bola eo amin’ity sehatra iray. Tsy manaiky ny isehoan’ny marina ny mpitondra teo aloha, ka mitady ny hirika rehetra hamotehana ilay nandresy azy teo amin’ny fifidianana izay birao hisahana indray ity sinoda ity, ka tafiditra hatrany amin’ny resaka politika ny raharaha, (...)
  • Tsy tamana tao Iavoloha ny Mpanohitra

    vendredi 30 novembre 2007 | Naivo kely |  791 visites
    Tsy naharitra ora vitsy taorian’ny fanasana azy, dia nitsangana nandao ny lapa teny Iavoloha ireo mpanohitra nasaina hIatrika ny loabary an-dasy sy ny dinika momba ny firaisankinam-pirenena. Tsy tamana satria tsy tao ny filoha Ravalomanana izay heverin’izy ireo fa olona ilaina mifanatrika aminy. Raha asain’olona mantsy dia tsy ny mpanampy no andeha hiara-misakafo amin’ny tena fa ny tompon-trano. « Tsy midika akory io », hoy ingahy Herizo Razafimahaleo, « fa maivan-danja ireo mpikambana ao amin’ny (...)
  • Feon-dakolosy hafa

    jeudi 29 novembre 2007 | Naivo kely |  692 visites
    Anio no hiaka-dapa eny Iavoloha ireo mpanohitra miisa enina izay nasain’ny fitondrana hiatrika ady hevitra mahasahana ny firaisam-pirenena izay tafiditra ao anatin’ilay loabary an-dasy karakarain’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Tsy ho mpihaino fa mpandray anjara amin’ny ady hevitra mandritra ny roa andro ry zalahy ireto, ary tojo ny faniriana ny hisian’ny adi-hevitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ireto vondron’ny mpanohitra ireto izay (...)
  • TIM Fanabeazana

    « Foano fa manelingelina », hoy i Moxe

    mardi 27 novembre 2007 | Naivo kely |  459 visites
    Tsy tokony hatao ara-bakiteny fa hampiharo avy hatrany ny tenin’ny minisitry ny Fampianarana sy ny Fikarohana siantifika milaza hoe aoka izay ny resaka politika eo amin’ity sehatry ny fanabeazana ity fa andao ny fianarana sy ny hampandrosoana azy eto Madagasikara no atao. « Ravao avy hatrany ny TIM Fanabezana », hoy ny mpanolon-tsaina ara-politikan’ny filohan’ny Nosy, Moxe Ramandimbilahitra fa io no tena manimba ity tontolon’ny fampianarana eto amintsika ity. Noraisiny ohatra tamin’io ny (...)
  • Kandidan’ny mpanohitra i TGV ?

    samedi 24 novembre 2007 | Naivo kely |  1158 visites
    Raha vao nanomboka nanambara ny fahavononany hilatsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna i Andry Rajoelina « TGV » dia efa tsikaritra nisy olona avy amin’ny antoko hafa ivelan’ny fitondrana nanotrona azy teny amin’ny Carlton tamin’io fotoana io. Tsy olana izany, satria tsy nanilika fikambanana na antoko politika ny lehilahy, fa vonona kosa hiara-hiasa amin’ireo izay te-hiara-dia aminy. Tsy hidirana lalina ny laha-teny nataon’i Andry TGV tamin’io, fa ny tsapa aloha, dia ao aorian’ity kandida ity avokoa ny (...)
  • Mpanohitra ve i Sylla ?

    jeudi 22 novembre 2007 | Naivo kely |  1298 visites
    Tsy azo hiodivirana intsony ny fahoriam-bahoaka ka ilaina hampiakarina ao anatin’ny fotoana fohy ny fahafaha-mividin’ny vahoaka. Aiza ireo toky nomentsika ny vahoaka tamin’ny 2002 fa ho esorina ao anatin’ny valan’ny fahantrana ny Malagasy ? Nangataka sy niangavy ny vahoaka ny mba hirosoany amin’ny fiainana tsaratsara, saingy izao ny zava-misy, ary rehefa mangataka tsy mahazo izy, dia ireny niseho toy ny tamin’ny taona 91 sy 2002 ireny no miseho, koa aoka tsy handrasana hiverina eto ireny vao hahay (...)
  • Ministra Ramiaramanana

    Fanadiovana fa tsy sazy

    mercredi 21 novembre 2007 | Naivo kely |  703 visites
    Midina ifotony mijery ny zava-misy eo anivon’ny ministera tantaniny ny ministry ny fanatanjahantena, kolontsaina ary ny fialamboly Patrick Ramiaramanana, ka ny mpiasa teo anivon’ny TAFITA no nitafa taminy omaly. Tsy misy resa-be fa ny asa tonga dia vavany no tsy maintsy atao, ary mila mazava tsara ny fomba fitantanana, ary mila fifampifehezana hentitra fa tsy baranahiny. Hita nandritra io fa tsy voatsinjara araka ny tokony ho izy ny fanampiana ireo federasiona spaortiva, ary tokony omena (...)

0 | ... | 400 | 420 | 440 | 460 | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS