Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 15h56
 

Teny zato, kabary arivo

Mpanohitra ve i Sylla ?

jeudi 22 novembre 2007 |  1298 visites  | Naivo kely

Tsy azo hiodivirana intsony ny fahoriam-bahoaka ka ilaina hampiakarina ao anatin’ny fotoana fohy ny fahafaha-mividin’ny vahoaka. Aiza ireo toky nomentsika ny vahoaka tamin’ny 2002 fa ho esorina ao anatin’ny valan’ny fahantrana ny Malagasy ? Nangataka sy niangavy ny vahoaka ny mba hirosoany amin’ny fiainana tsaratsara, saingy izao ny zava-misy, ary rehefa mangataka tsy mahazo izy, dia ireny niseho toy ny tamin’ny taona 91 sy 2002 ireny no miseho, koa aoka tsy handrasana hiverina eto ireny vao hahay hitsinjo ny fiainan’ny Malagasy ny mpitondra. Ampahan’ny laha-teny nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena , Jacques Sylla teny Tsimbazaza io raha nihaona tamin’ny mpikambana ao anatin’ny Governemanta ny depiote.

Notsindriany tao ny momba ny fampihenana ny fahefan’ny depiote ankehitriny, izay nikopahany fantsy ny mpanatanteraka, fa tsy ahavita samy irery ny fampandrosoana izy ireo raha tsy miara-miasa amin’ny mpanao lalàna. Nahataitra ny maro ihany ilay teny nataon’ingahy Sylla omaly iny, izay mitovy tanteraka amin’ny ny fanehoan-kevitry ny mpanohitra hatramin’izay, ka nahatonga ilay teny malaza hoe tsy « Crédible « ianareo mpanohitra. Ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny vahoaka sasany toy ireo voalazan’ingahy Sylla io no namotehana tanteraka ny mpanohitra amin’izao fotoana, ka ireny nidiran’ny sasany am-ponja mihitsy vokatry izay tsy fitoviana hevitra izay. Mpanohitra ve i Sylla raha nilaza ireo tarehin-javatra nanenjika ny eritreriny ireo ? Filohan’ny Governemanta nandritra ny dimy taona izy, moa ho afa-miala eo anatrehan’ny fahavoazana mianjady amin’ny firenena ve ny tenany ? Tsy afaka ny hanadio tena izy satria isan’ny nanome toky fa ho afaka ao anatin’ny fahantrana hatramin’ny 2014 ny antsasaky ny Malagasy fony izy nitondra ny baolina tao anatin’ny Governemanta. Enga anie, hoy ny mpitazana tao Tsimbazaza, mba tsy hisy Lahiniriako faharoa ny filohan’ity andrim-panjakana ity, ka iza no tsy nahafantra niafaran’ny tantara hatramin’izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS