Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 18h04
 

Teny zato, kabary arivo

Kitoatoa

lundi 3 décembre 2007 |  710 visites  | Naivo kely

Tokony harindra bebe kokoa ireo tetikasa any amin’ny faritry Taolagnaro, ka dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna izay atao afaka andro vitsy eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikra. Efa tratran’io koa ny tany amin’ny faritr’i Sainte Marie sy Nosy be izay tsy nahafa-po ny filoham-pirenena ny tsy fisian’ny lava-piringa any amin’ireo faritra ireo ary dia io niarahana nahita io indray ny tany Taolagnaro. Fa angaha ireo faritra telo ireo ihany no hita ho tsy mandroso eto Madagasikara ? Saika tsy misy lava-piringa avokoa ny morontsiraka rehetra eto, koa nahoana raha ahemotra manontolo ity fifidianana ity ? Ireo anie no notanisain’ny mpanohitra teto, fa mihemotra ny firenena fa tsy mandroso e. Raha nilaza ireny ry zareo tsy sanatria fanonganam-panjakana fa kosa natao ho fanairana ny tsy mety ataon’ireo olona nomena fahefana hampandroso ireny faritra ireny. Maro ny ankolafin-kery samy hafa no nilaza fa mila ahemotra ity fifidianana ity satria toa lasa mirotoroto be, ka aoka ny fandinihana ny lalàm-pifidianana aloha no atao mba tsy ho kitoatoa ny fiatrehana ny fifidianana, saingy aty afara vao mahatsapa io ny mpitondra ka ireny iarahana mahita ireny ny fanemorana ny daty tsy fantatra ny fifidianana any aminy. Very zo aloha hatreto ny mponina any an-toerana, ka sao kosa mba tokony hampiharina amin’ireo nomena andraikitra amin’ny fampandrosoana ny sazy, satria ny tanàna iray manontolo no lasa sorona ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS