Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h58
 

Teny zato, kabary arivo

Tapaka ifotony

jeudi 6 décembre 2007 |  692 visites  | Naivo kely

Maika ny fampandrosoana, ary isika tsy naman’izay mihemotra hoy ny teny filamatry ny antoko iray izay. Izay no hisarihana ny sain’ny maro manoloana ny fifidianana izay hataontsika amin’ny 12 Desambra ho avy izao, izay samy mampiseho tetikasa tsara lahatra sy rindra avokoa ny rehetra, kanefa ny fanatanterahina io no tsy hay. Ndeha atodika tany amin’ny fiandohan’ny repoblika faharoa ny resaka izay nametrahan’ny filoha Ratsiraka tamin’izany ny boky mena ka nampihaiky volana ny ambany lanitra, ary notsipahana avy hatrany ilay politikan’ny kibo napetraky ny filoha Tsiranana. Inona no vokatr’io boky mena io ? Isika rehetra niara-nahita ny fahavoazan’ny firenena izay mbola harenina hatramin’izao. Na tsara toy inona aza ny tetika entinao hampandrosoana ny faritra rehefa tsy misy finiavana dia mampitondra faisana ny firenena tahaka ny boky mena ka mijanona ho tantara ratsy mandrak’izao. Raha mahita ity fifidianana izay hatrehina tsy ho ela ity ny tsirairay, dia manja ny tetikady eo amin’ireo kandida mpifaninana, sao be fitetika kanefa hioty manta tahaka ilay boky mena voalaza etsy aloha isika ? Mila ho tohizana ve ny tetika fampandrosoana ataon’i Hery Rafalimanana sa aleo tapahina ifotony satria TIM ? Ben’ny tanana tany ambanivohitry Alasora Marc Ramiarinjatovo, moa ve ahay hanohy ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola efa nametraka ny fitokisany tamin’ny PDS izy, sa tsy hijeren’ny mpamatsy vola vahiny na eto an-toerana tavan’olona ny fanarenana renivohitra ? Raha ny fahitana ny asa hataon’i Andry TGV kosa raha ho lany izy dia hita fa tovolahy hametraka ny hambom-pony ka ireo rafitra ao anatin’ny fandaharan’asany amin’izao fampielezan-kevitra izao no hataony. Izany hoe vao hamafy raha tokony ho jinjana izao, izay fotoana higokan’ny vahoaka ny valin’ny hetra nalaina taminy, nefa miova sata miova andriana ? Notsongaina manokana ireto kandida ireto, satria ireo no hita fa manao izay ho afany amin’ny fandrombahana ny seza etsy amin’ny kaominina Tsimbazaza. Mino isika fa hisy lesona azo ho tsoahina foana ny fandrodanana nitranga teto amin’ny firenena ka aman-taona maro vao maha-tafatsangana foto-drafitrasa ny mpitondra izay mandray toerana koa hiverin-dalana lava isika ? Ambava homana am-po miherotra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS