Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 23h06
 

Teny zato, kabary arivo

Soa fa handray vahiny

lundi 30 juillet 2007 |  207 visites  | Naivo kely

Tafapetraka soa aman-tsara ny sabotsy teo ny vato fototr’ilay hotely lehibe mitondra kintana dimy hajoro eny amin’iny faritr’Ivato iny, ka heverina ho vita alohan’ny taona 2009. Handray vahiny maro be i Madagasikara amin’io taona voalaza etsy aloha io, ka efa miomana amin’ny ho enti-manana rehetra ny fanjakana malagasy ary io niarahana nahita io fa hanomboka ny asa.

Ny filoham-pirenena dia nanao antso avo tamin’ny mpandraharaha Malagasy mba hifanome tanana amin’ny sehatra tahak’izao, ary isan’izany ny fananganana Hotely lehibe manara-penitra iraisam-pirenena, ka dia ny firenena Sinoa izany no efa namaly ny antso amin’ny fifanomezan-tanana. Tombon-tsoa lehibe no azo amin’ny asa goavana toy ity eny Ivato ity, satria ny gasy hahazo asa ary ho reharehan’ny firenena ny fananana zava-bita ho lovain’ny taranaka fara-mandimby.

Soa fa handray vahiny isika mba ahafahana manova ny tanàna, toy ny fahitana ny ezaka amin’ny fandraisana ity lalaon’ny nosy izay hanomboka afaka 10 andro ity. Raha tsy nisy ny tahak’izao, moa nihazakazaka be toy ny hita ankehitriny ve ny asa teto ? Raha tsy handray vahiny manan-kaja ihany koa angamba isika ny taona 2009 tsy nijoro io hotely lehibe vao nametrahana vato fototra io e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS