Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h26
 

Teny zato, kabary arivo

Milalao vola ny Gasy

samedi 28 juillet 2007 |  213 visites  | Naivo kely

Tsapa tokoa ankehitriny fa manam-bola ny Gasy, ka sarotra atao ho malahelo isika manoloana ny fiainam-pirenena. Iza no hieritreritra fa mahantra ity firenena ity, raha manao indray mitopy maso ny zava-misy. Novitaina iny ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny taona 2006 ka lany tao anatin’ny fihodinana voalohany ny filoha mitondra ankehitriny. Telo vola monja taorian’io, dia nanao ny fitsapan-kevi-bahoaka indray isika ny volana aprily izay nihamboana fa tsy nisy mpamatsy vola ivelany fa manana ny ambim-bava ny Gasy !

Noravana ny Antenimieram-pirenena, ary ny volana septambra izao no hiatrehan’ny Gasy indray izany latsa-bato izany. Tsy mandeha amin’izao anefa io, fa tsy maintsy misy ny ho enti-manana. Moa ve efa mba tafiditra ao anatin’ny teti-bolam-panjakana ho laniana amin’ity taona ity ny tahaka izao ? Raha tsia dia ahoana ny tena fitantanana ny teti-bolam-panjakana ? Tsy azo lavina fa tena milalao vola ny Gasy, koa tsy ny 4L isan-tokantrano ange izany sisa no tsy azo e ? Sa aorian’ity latsa-bato ity vao tena ho hita ny marina ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS