Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 13h47
 

Malagasy

Jirama sy ny delestazy

Tonga ireo fitaovana goavana

vendredi 18 mai 2007 |  185 visites  | Naivo kely

Ny volana Novembre izao dia efa hiasa avokoa farafaha-tarany ireo fitaovana hanome herinaratra ny farita rehetra eto Madagasikara. Io no nambaran’ny ministry ny angovo Patrick Ramiaramanana raha nitsena ireo Goropy lehibe 40 MGW noentin’ny fiaramanidina Antonov ka mbola ny 10 MGW no tonga ny sabotsy teo izay milanja 120taonina, ary ny ambiny ho avy tsy ho ela satria mbola hiverina in’efatra ity fiaramanidina mpitatitra entana ity hitatitra ireo fitaovana ireo.Mitentina 31 tapitra dolara ny vidin’ireto fitaovana ireto ka ny antsasany ihany no haloantsika fa ny ambiny fifanarahana tamin’ireo mpiray ombon’antoka vahiny, ka ao anatin’ny 10 taona no hamerenana ireo vola ireo. Ny any amin’ny faritry Antsiranana ihany koa dia efa eo ampametrahana ireo gropy mahatratra 5 ny JIRAMA amin’izao fotoana ka ny volana jolay no handeha avokoa ireo fitaovana ireo ary ho fongotra miaraka amin’izay koa ny delestazy iray manontolo ao Antsiranana. Mihatsara ny fitantanana ny JIRAMA ankehitriny hoy ny ministry ny Angovo matoa afaka mividy fitaovana tahaka iizao isika ary efa eo andalam-panarenana ny barazy toy ny ao Sahanivotry sy Tsiazompaniry ity orin’asa ity amin’izao. Toy izany koa ny barazy ao Lokoho Andapa, barazy any Mahajanga sy ny maro samy hafa. Fanamby lehibe no napetraky ny minisitra Ramiaramanana fa ireo asa goavana rehetra dia ho vita amin’ity taona ity avokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS