Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h58
 

Teny zato, kabary arivo

Mpanohitra ve ny katolika ?

mercredi 23 mai 2007 |  224 visites  | Naivo kely

Io ary ilay efa nampoizina. Miankina amin’ny fanazavan’ny fanjakana, ny mety hampitohy na tsy ny fiaraha-miasan’ny katolika amin’ny fanjakana, io no namaranan’ny fikambanan’i Eveka eto Madagasikara ny fanambarany nandritra ny fehin-kevitra nataony taorian’ny fivoriany ny alatsinainy faha 24 mai lasa teo. Niditra sy namakafaka lalina momba ny fiainam-pirenena ankehitriny ireto Eveka ireto, ka isan’io ny nampitombina ny taratasy nalefan’izy ireo ny momban’ ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny referandaoma noho ny fahavoazana nahazo ny firenena nandritra ny rivo-doza nifanesy teto Madagasikara. Mitombina raha tsy nandeha nifidy ny ankamaroan’ny vahoaka noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano. Mbola mampametra-panontaniana ny momba ny delestazy ka niteraka ireny korontana maro manerana ny faritany ireny izay nataon’ny mpianatra.

Hentitra ny Eveka katolika nilaza fa tsy famahana olana ny fampiasana hery sy ny fisamborana, satria vao maika hiteraka korontana eto amintsika. Tsy mankasitraka ny fandranitana adim-poko na iza na iza manao izany. Tsy diso anjara tamin’izao fanehoan-kevitra izao ny alahelon’ny katolika momba ny fandroahana ilay Pretra farany teo iny, izay nanamelohany tanteraka ny fihetsika nataon’ny fanjakana ary isan’ny nanameloka ireny ny masoivoho vahiny miasa eto amintsika ary miara-miombona alahelo amin’ireo vahiny ireo ny EKAR, satria tsy nohajaina ny zon’olombelona. Nahoana raha mba nasiana fifanantonana fa tsy ny fandroahana no maika teo amin’ny fanjakana ?

Naneho ny heviny ny fitondram-panjakana tamin’ny fanoloana ny Eveka farany teo teny Miarinarivo, koa miandry ny fanazavana ho entin’ny fanjakana ny katolika indrindra fa nodradraina ny 3P kanefa toa tsy ampiharina. Dia io nofaranany tamin’ny teny voalaza ery ampanombohana milaza hoe miankina amin’ny fanazavan’ny fitondrana ny mety hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny katolika. Mpanohitra ve izany ny katolika manoloana ireo fanambaran’ny lohan’ny mpisorona ireo ? Dia ahoana hoy ny fanjakana, indrindra fa miandry izay fanazavana ho entiny ity fiangonana lehibe iray ity ? Hiaino ny tenin’ireto ray aman-dreny amam-panahy ireto ve ny mpitondra sa hametraka ny hambony, ka tsy hanaiky ho hampitahorin’ny karazan-kery maro samy hafa izao ? Ny azo andikan’ireo dia tsy takona afenina intsony ny disadisa eo amin’ny roa tonta ireto, indrindra fa niainga tamin’ireny fandefasana miaramila sy nanapoaka basy tamin’ny toeran’ny mpitondra fivavahana tany Fianarantsoa II ireny raha nikaroka an’ingahy Pety ireto farany. Dia miandry ny tohiny isika rehetra satria efa mihenjana izao ny tady eo amin’ny katolika sy ny fanjakana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS